09/09/2026
Hallo zusammen 🤗 Nahazo fanasana voalohany hifidy amin’ny «Landtagswahl»,izay toy ny Fifidianana Solombavambahoakam-paritra isakin’ny Faritra iray eto Allemagne ny tenako,izany hoe eto Berlin 🇩🇪
➡️ Naharesy tamin’ny vato 44% ny AFD tany amin‘ny faritra Sachsen-Anhalt, izay vondrona «extrême droite» na ilay antsoina hoe olona manana hevitra politika ankavanana tafahoatra izay mino fa ambony noho ny hafa ny fireneny na ny vahoakany,mankahala mpifindra monina,ary indraindray manohitra ny demokrasia. 🧐
➡️ Maro tamin’ireo mpifidy ny fitondrana ankehitriny,izany hoe ny CDU no nirona nifidy ny AFD satria leo ny fampanantenana pokaty sy fanabokana izay vinavinain’ny Filoha Merz ankehitriny toy ny:
✅ Fiakarany hetra sy ny assurance de maladie sns isankarazany
✅ Fiakaran’ny ora fiasana ary fihenan’ny «Arrêt maladie» ka mila taratasy avy amin’ny dokotera raha marary 1 andro monja raha 3 andro izany teo aloha
✅ Fanenana ny fepetra hijanonana ao antrano ho an’ny vehivavy avy teraka
✅ Fanaovana antsirambony ny mpiasan’ny fahasalamana
‼️ Mbola santionany ireo fa efa tena tofoka ny vahoaka
➡️ Betsaka ireo MPIVAHINY maka AFD no maneho hevitra fa ireo izay MPIVAHINY tsy ara-dàlana sy tsy miasa nefa mandray fanampiana avy amin’ny fanjakana no tena tsy mety amin’ny AFD nefa raha ny hevitro manokana dia TSIA,tsy misoratra eny amin’ny tapikandrinao mihintsy hoe ara-dàlana ianao fa amin’izy ireo ianao dia MPIVAHINY ary mety hiaran’ny fanavakavahambolonkoditra ianao na ara-moraly na ara-batana rehefa mihetsika ny lohany 😖
Ny handroaka MPIVAHINY iray manontolo aloha tsy ho tanteraka mihintsy satria ny mpiasa eto izay mampandeha ny toe-karena dia MPIVAHINY avokoa ❤️
Mbola betsaka ny tetikasan’izy ireo fa vao faritra iray aloha no nahazony vato maro ary betsaka no tsy mankasitraka azy saingy noho ny ataon’ny CDU ankehitriny dia mampisalasala ny toe-draharaha fa raha ho ahy manokana dia samy tsy mety amiko na CDU na AFD 🤭
Lasa mahaliana kokoa ny Politika rehefa voakasika ianao MPIVAHINY,eny na dia hoe manana Zom-pirenena ary 🇩🇪
🇲🇬 🇩🇪