Docteur Jonah

Docteur Jonah Médecin diplômé d'Etat et inscrit à l'Ordre National des Médecins de Madagascar Peux consulter à domicile et toujours disponible à toute heure

02/01/2026

➡️ Variole des singes na nendran-drajako
‼️ infections virales (virus) mifindra amin'ny alalan'ny fifampikasoana, piti-drora, firaisana aran-ofo, oroka .
😭Fosehony : manavy, reraka, mibotsimbotsina marary ny hoditra sy ny ati-vava, Misy atody tarimo, makotsako ny vatana

💥zava-dehibe ny hery fiarovana

❌aza matahotra na mipanique, : mampihena hery fiarovana izany
‼️ sakafo Mampiakatra hery fiarovana aza adino: sakamalao , tongolo oignons, tongolo gasy, citron, tantely.... voankazo
‼️ rano 2litatra isanandro, sakafo ara-dalàna (tsy mamy loatra, tsy matavy loatra )
❌ny olona marefo (Misy aretina mpitaiza: fo, diabète , zokiolona, Zaza, vehivavy bevohoka) dia mila mitandrina , tsy mandeha amin'ny olona mitangorona, tsy mandeha amin'ny toerana mora ahazoana aretina (mamangy olona hôpital ohatra)

😊 Raha tratran'ity aretina ity ka tsara hery fiarovana, dia sitrana ao anatin'ny 2-4 herinandro eo ho eo... Ary mamorona immunité entina miaro Ilay aretina ny vatana mba tsy harary intsony aoriana (immunisé)

💥astuce tsotra mahatsara hery fiarovana :
-rano 1vera apangotrahina
-citron 1
-tongolo 1
-sakamalao toy ny ankihobe 1
-tantely 2 sotro
-Tamotamo 1sotro

Sasana, tetehina madinika, mixena, tatavanina avieo Vao araraka ao ny tantely sy ranona citron

Lehibe 1 vera isanandro mandritra 7 andro (Ankizy 1/2 vera )

NB: sakafo ireo fa tsy tambavy akory.

Voankazo, rano , Torimaso ampy tsara...

Raha sanatria ka voa dia afaka manohitra Ilay virus ny vatana ary ho sitrana.
🙏🏻 sasao matetika ny tanana, takonana ny Vava sy orona rehefa mievona , aza mitangorongorona, tandremo ny orokoroka na dia fety aza ny andro

‼️Aza adino ny mivavaka , mirary fety lavitra ny aretina

Dokotera Zafiniavo mirary farany sy taona vaovao feno Fahasoavana

02/01/2026
30/05/2024

Tsara ho fantatra

14/11/2023

😍😋Sakafo karazany 4 mahasalama sy mora atao ao an-trano🥗🥦🥒🥑🍅🥕🧅 🥬 ⬇️

🔹Plat voalohany :
Salade 🥬
Thon 🐟
Zavoka🥑
Tongolo 🧅

🔹Plat faharoa :
Vary🍚
Atody 🥚
Zavoka 🥑
Lentille 🥔
Saosisy 🌭
Tongolo 🧅

🔹Plat fahatelo :
Voatabia 🍅
Kotleta🥩
Vomanga🍠
Zavoka 🥑
Tongolo 🧅

🔹Plat fahefatra :
Sakay mena 🌶
Asperges 🫒
Katsaka🌽
Akoho🍗
Legioma manify 🥗
Spaghetti miaraka amin'ny zucchini🌺💯❤️

Mazotoa homana daholo ary ô!!! 😋🍴

Salama tompoko!Ny lohahevitry tsika androany dia mahakasika ny DIABÈTE.Voalohany indrindra, ny tahan'ny siramamy ao anat...
23/08/2022

Salama tompoko!
Ny lohahevitry tsika androany dia mahakasika ny DIABÈTE.
Voalohany indrindra, ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny rà raha toa ka Salama ianao dia eo anelanelan'ny 0,7 g/l sy 1,1 g/l.

Inona no mahatonga ny Diabète ?
Rehefa reraka tsy mahavita mamokatra Insuline intsony ny pancréas na ny sarakaty dia Diabetika ny olona iray.
Ny Insuline dia hormone izay ilain'ny vatantsika. Ny fitombon'ny tahan'ny siramamy be loatra ao anatin'ny rà izay tsy vitan'ny taova intsony ny mandrindra azy no mahatonga ny Diabète.

Misy karazany ny Diabète:
🔹Diabète type 1: fiakaran'ny tahan'ny siramamy vokatry ny fahasimban'ny pancréas ka lasa tsy mamokatra Insuline intsony.
Ny tanora sy ny olona mahia no tena tratran'ny Diabète type 1.
🔹Diabète type 2 : fiakaran'ny tahan'ny siramamy vokatry ny fiasan'ny Insuline be loatra ka lasa tsy miraharaha ny Insuline intsony ny sela rehetra ao amin'ny vatana.
Ny olona matavy sy efa Nahazo taona no tratran'ny Diabète type 2.

Betsaka ny Antony mahatonga ny diabète anisan'izany ny fihinanana sakafo be menaka, mamy loatra, be lafarinina, ny tsy fahampiana fanetseham-batana sy ny fanatanjahatena, ny fananana Ray aman-dreny misy Diabète, ny fisotroana toaka diso tafahoatra sy ny maro samihafa.

Ahoana no.ahafantarana fa Diabetika ny olona iray?
-Mipipy matetika indrindra ny alina
-Mangidihidy lava ny taovam-pananahana
-Mangetaheta lava
-Reradava
-Miha mahia
-Miha manjavona ny maso
-Sarotim-pery
-Mitady sakafo foana
-Mihintsana ny volo
-Manao crise cardiaque
-Tsy dia mahita tory loatra na diso renoka ho azy
Maro ny tranga fisehon'ny Diabète amin'ny olona iray fa ireo voalaza ireo no fambara miseho matetika.

Azo tsaboina sy alamina tsara ny Diabète fa raha tsy voatsabo kosa dia ireto no vokadratsiny:
-Insuffisance rénale izay mety ho tonga hatrany @ Dialyse
-Fahatsetsemany lalandrà mamelona ny fo
-Ny faharerahany fo ka manempotra sy mampivonto
-Ny AVC ( fahatsetsemana na fahatapahan'ny lalandrà anaty atidoha ka mampalemy sy mahamoana ),
- Ny fahajamban'ny maso
-Ny fanapahana ny tongotra izay misy fery tsy azo sitranina intsony
-Ny fihenan'ny filàna ara-nofo( tsy velona intsony ny maha lehilahy, tsy manana filàna hiray intsony ny vehivavy)
-Ary ny fahafatesana no farany.

Farany, tsara ary ilaina ny manao fitiliana na analyse mba ahafantarana raha misy Diabète ianao satria matetika efa manimba taova maro ao anatin'ny vatana vao misy fisehony lehibe ny Diabète.

Mirary soa daholo ary tompoko ooo

Address

Ambilobe
204

Telephone

+261326029132

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Docteur Jonah posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Docteur Jonah:

Share