16/07/2026
sa no mahasoa kokoa hitaizana ny fahasalamana?
Fa maninona moa raha izy roa?
Ary raha izy telo? Izany hoe ny dokotera, ny mpanotra ary IANAO voalohany indrindra.
Tamin'izao mbola nandray cas bedebe an'olona manana olana amin'ny no tena nahenoako imbetsaka an'ireo fanontaniana ireo.
Nahoana aho no miteny hoe " fa maninona moa raha izy telo" ? Satria ireo no toko telo hamasa- nahandro ny fahasalamanao.
Raha miteny mpanotra aho eto dia tsy adino ao anatin'izany ireo karazana specialité maro be toy ny kinésitherapie, fa satria masseuse ilay miresaka aminareo dia ny specialité ako no horaisintsika.
Ny medecine traditionnelle toy ny technique de massage, ny fampiasana akora natoraly sy ny medecine clinique dia afaka miaraka tsara raha tsy hiteny hoe tena tsy afaka misaraka amin'ny karazana aretina sasatsasany. Mazava ho azy fa afaka mandeha irery sy mahavita ny asany koa anefa.
Izay antony nizarako foana taloha, mampahafantatra ny olona hoe tsy ny tranga rehetra dia afaka horina na ny aretina rehetra dia afaka sitranina amin'ny alalan'ny hotra.
Hiverenantsika ilay hoe toko telo hamasa-nahandro ny fahasalamanao. Ianao voalohany indrindra, fantantsika rehetra izany ilay fiteny hoe : " Aleo misoroka toy izay mitsabo".
Fa miasa toy izay mihitsy koa ny hotra. Natao hisorohana ny aretina ( na indraindray aza natao ho traitement) fa izay no tena asany lehibe indrindra. Dieny mbola tsy marary ianao dia tokony hihotra.
Nosafidiako ny hoe satria izay mihitsy. Efa ao aminao ilay fahasalamana fa ny hotra manampy anao hamoaka an'izany. Amin'ny teny frantsay hoe l'autoguérison.
Ampiana ny taovanao hiasa tsara amin'ny alalan'ny hotra point , tsy any amin'ny faladia ihany fa amin'ny vatana rehetra mihitsy.
Miasa tsara ny taovanao rehefa mikoriana tsara ny rà, rehefa miala avokoa ny loto, rehefa miasa tsara atidohana hibaiko azy ireo.
Ka ahoana hoy ianao, iza no safidinao? Dokotera sa mpanotra?
Raha izaho aloha dia aleoko izy telo.
Vinaparadis