Dr Abel Ranaivoson / Chirurgien

Dr Abel Ranaivoson / Chirurgien Médecin Chirurgien / Gynécologie - Obstétrique 🇲🇬

📞 : +261 34 17 218 08

Ho an'i Honorable Solombavambahoaka ao Ifanadiana ! Ny station thermale Ranomafana tompoko dia toeram-pitsaboana miankin...
16/01/2026

Ho an'i Honorable Solombavambahoaka ao Ifanadiana !

Ny station thermale Ranomafana tompoko dia toeram-pitsaboana miankina amin'ny fanjakana tantanan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka mitovy ny amin'ireo manerana an'i madakgasikara (Établissement publique)

Mbola tsy nisy toeram-pitsaboana teto Madagasikara ka nozaraina tamin'ny Vondrombahoakam-paritra (Kaominina) ny vola ampidiriny fa tena tsy aradalana izany ary kolikoly tsotra izao araka ny rijantenimpi-tantanana momba ny fitantanana ny tobimpahasalamana (Instruction permanente du ministere de la santé publique)

Araka izany dia tokony tsy hifanpitsabaka andraikitra ny mpanatanteraka (Ministera) sy ny mpanao lalàna (Député) fa samy mañana ny andraikiny.

Tsy anjaran'ny Député na Ben'ny tanana ny manala na mametraka olona amin'ny fitantanana ny toeram-pitsaboana na inona na inona fahadisoany. Ataovy ny andraikitrareo dia ny fanarahamaso fotsiny ihany sy manao ny tatitra amin'ny mpanapakevitra (Ministera) fa aza manakorontana ny lamina sy ny fitantanana apetraky ny Ministera, atsaharo ny fanakorontanana ny sain'ny mpiasan'ny fahasalamana izay mila fitoniana amin'ny fanatanterahany ny asany.

Fandikandalana ny fizarana ny vola miditra amin'ireny Toby ireny amin'ny kaominina fa ny mifamadika amin'izany no fanao dia ny Kaominina no manampy ireny Toby ireny araka izay azony atao tony ny misy manerana ny Nosy.

Ny mpiasan'ny fahasalamana vé no miasa dia ny Kaomonina no hisitrana ny vola miditra ao ! Tsy azo ekena izany fa tany misy lalana ny firenentsika tompoko.

Hiarahientana izahay mpiasan'ny fahasalamana manerana an'i Madagasikara hiaro ny fananany sy ny asany izay efa toa notsinotsinoavina mihitsy tatoato.

Fotoana fanovana tokoa mantsy izao hiresahana sy ametrahana ny andraikitry ny tsirairay amin'ny Sokajy misy azy avy mba tsy hifangaro ny akoho sy ny vorona.

Ampanajana Honorable no anehoako hevitra aminao ny momba ity raharaha manahirana anay mpiasan'ny fahasalamana ity.

Masina ny asam-pahasalamana.

Address

Ambohitrimanjaka

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dr Abel Ranaivoson / Chirurgien posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category