Andriamamoriarivo Elie Jean

Andriamamoriarivo Elie Jean Scouts

28/06/2026

Matio 11 : 12

07/12/2025
Mahagaga fa mety ho izany, satria ny zava-drehetra dia milaza fa hihamaizinina ny lanitra amin'ny hariva.Kanefa Andriama...
07/12/2025

Mahagaga fa mety ho izany, satria ny zava-drehetra dia milaza fa hihamaizinina ny lanitra amin'ny hariva.
Kanefa Andriamanitra dia afaka manao zavatra hafa tanteraka amin’izay atahorantsika na antenaintsika, ary amin’ny fomba mahagaga antsika, mba hahafahantsika midera ny fiandrianan’ny fahasoavany.
Tsia, tsy ho antsika araka izay lazain’ny fontsika amintsika izany; tsy hihalalina ny haizina raha tsy amin’ny misasakalina, fa hiposaka tampoka eo imasontsika ny andro.
Aoka tsy ho kivy mihitsy isika; fa, amin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika, dia aoka isika hatoky ny Tompo, izay hanova ny aloky ny fahafatesana ho maraina.
Rehefa nampitomboina avo roa heny ny enta-mavesatry ny Isiraelita vao niseho i Mosesy, ary rehefa tonga teo amin’ny faratampony ny fahoriana, dia tonga ny fanafahana.
Eo ny fampanantenana hanampy antsika hanam-paharetana. Ny hazavana feno dia mety tsy hamirapiratra raha tsy ny fiandrasana ela no nahatonga antsika ho very fanantenana.
Milentika ny masoandro, raha mbola antoandro ny ratsy fanahy; fa ho an'ny marina kosa ny mazava miposaka raha mbola alina. Tsy hiandry amim-paharetana ny andro any an-danitra ve isika? Mety ho ela ny ho avy, nefa mendrika ny andrasantsika.

Ary ankehitriny, ry fanahiko, mifalia ao amin’ilay maniry hitahy anao amin’ny fiainana sy amin’ny fahafatesana, amin’ny fomba izay mihoatra noho izay rehetra hitanao na nantenainao.
DOKOTRY MANOA.

07/12/2025

Nao rikiahe ty Mero boake amantika agne.
🤣🤣🤣🤣🤣

Address

Ankilimionjo
Ambovombe
516

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Andriamamoriarivo Elie Jean posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Andriamamoriarivo Elie Jean:

Shortcuts

Share