Fitaleavam-Paritry NY Fahasalamam-Bahoaka Androy

Fitaleavam-Paritry  NY Fahasalamam-Bahoaka  Androy Communication institutionnelle

Recrutement 14 Assistants Techniques en Logistique ou en Système Logistique au niveau des Régions Vatovavy, Fitovinany, ...
23/07/2026

Recrutement 14 Assistants Techniques en Logistique ou en Système Logistique au niveau des Régions Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Alaotra Mangoro, Sofia, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy.

DRSP ANDROY – R***E RÉGIONALEToy ny fanao isaky ny enim-bolana dia tontosaina eto amin’ny Distrika ny Bekily, nanomboka ...
22/07/2026

DRSP ANDROY – R***E RÉGIONALE

Toy ny fanao isaky ny enim-bolana dia tontosaina eto amin’ny Distrika ny Bekily, nanomboka omaly 21 Juillet 2026 ary haharitra efatra andro ny R***e Régionale eto anivon’ny DRSP Androy. Tarihin’ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny EMAR, iarahana amin’ireo Distrika 5, ny CHRR, ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika (UNICEF, ONG Palladium DATA FI, ACF, DfM), notronin’ireo solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
🎯 Tanjon’ny atrikasa :
• Jery todika ny asa vita tamin’ny enim-bolana voalohany
• Fanatsarana ny fitantanana sy ny kalitaon’ny asa
• Fanamboarana drafitr’asa ho an’ny enim-bolana manaraka
• Famakafakana olana sy fitadiavana vahaolana
• Fanapariahana toro-marika ara-teknika
• Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka
✨ Tanjona lehibe: Hanatsara sy hampiroborobo ny fahasalamam-bahoaka eto Androy.
🙏 Misaotra manokana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy UNICEF tamin’ny fanohanana rehetra.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

🅽🅰🅾🆃🆈 🆃🅴🅽🅸🅼🅸🆃🅰𝓜𝓲𝓴𝓪𝓼𝓲𝓴𝓪 𝓷𝔂 𝓽𝓼𝔂 𝓶𝓪𝓲𝓷𝓽𝓼𝔂 𝓪𝓶𝓹𝓲𝓪𝓼𝓪𝓷𝓪 𝓷𝔂 𝓽𝓮𝓷𝔂 𝓶𝓪𝓵𝓪𝓰𝓪𝓼𝔂 𝓪𝓶𝓲𝓷’𝓲𝓻𝓮𝓸 𝓽𝓪𝓻𝓪𝓻𝓪𝓼𝔂 𝓪𝓻𝓪-𝓶𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓼𝔂 𝓲𝓻𝓮𝓸 𝓿𝓸𝓵𝓪𝓿𝓸𝓵𝓪𝓷-𝓭𝓲𝓭...
14/07/2026

🅽🅰🅾🆃🆈 🆃🅴🅽🅸🅼🅸🆃🅰

𝓜𝓲𝓴𝓪𝓼𝓲𝓴𝓪 𝓷𝔂 𝓽𝓼𝔂 𝓶𝓪𝓲𝓷𝓽𝓼𝔂 𝓪𝓶𝓹𝓲𝓪𝓼𝓪𝓷𝓪 𝓷𝔂 𝓽𝓮𝓷𝔂 𝓶𝓪𝓵𝓪𝓰𝓪𝓼𝔂 𝓪𝓶𝓲𝓷’𝓲𝓻𝓮𝓸 𝓽𝓪𝓻𝓪𝓻𝓪𝓼𝔂 𝓪𝓻𝓪-𝓶𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓼𝔂 𝓲𝓻𝓮𝓸 𝓿𝓸𝓵𝓪𝓿𝓸𝓵𝓪𝓷-𝓭𝓲𝓭𝔂 𝓪𝓶𝓪𝓷-𝓭𝓪𝓵à𝓷𝓪 𝓱𝓪𝓻𝓸𝓼𝓸 𝓮𝓸 𝓪𝓷𝓲𝓿𝓸𝓷’𝓷𝔂 𝓕𝓲𝓵𝓪𝓷𝓴𝓮𝓿𝓲𝓽𝓻𝔂 𝓷𝔂 𝓖𝓸𝓿𝓮𝓻𝓷𝓮𝓶𝓪𝓷𝓽𝓪 𝓼𝔂 𝓷𝔂 𝓜𝓲𝓷𝓲𝓼𝓲𝓽𝓻𝓪

‼️AVIS DE RECRUTEMENT OUVERT ‼️▶️ PERSONNELS ADMINISTRATIFS BÉNÉVOLES CTC▶️ PERSONNELS D'APPUI BÉNÉVOLES CTC ▶️ CHIRURGI...
29/06/2026

‼️AVIS DE RECRUTEMENT OUVERT ‼️

▶️ PERSONNELS ADMINISTRATIFS BÉNÉVOLES CTC
▶️ PERSONNELS D'APPUI BÉNÉVOLES CTC
▶️ CHIRURGIENS DENTISTES
▶️ ÉLECTRICIENS
▶️ MÉDECINS GÉNÉRALISTES (GESTES D'URGENCE EN CHIRURGIE PÉDIATRIQUE)
▶️ INFIRMIERS GÉNÉRALISTES BÉNÉVOLES
▶️ INFIRMIERS GÉNÉRALISTES IFIRP
▶️ TECHNICIENS DE MAINTENANCE
▶️ MÉDECINS GÉNÉRALISTES
▶️ MÉDECINS SPÉCIALISTES
▶️ PHARMACIENS
▶️ SAGES FEMMES BÉNÉVOLES
▶️ SAGES FEMMES IFIRP
▶️ TECHNICIENS DE LABORATOIRE
▶️ MÉDECINS URGENTISTES

💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.

🇲🇬 Fankalazana ny faha-66 taonan’ny Nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬🇲🇬 SDSP BELOHA - DRSP ANDROY 🇲🇬
27/06/2026

🇲🇬 Fankalazana ny faha-66 taonan’ny Nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬

🇲🇬 SDSP BELOHA - DRSP ANDROY 🇲🇬

27/06/2026

Fankalazana ny faha-66 taonan’ny Nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬

Fankalazana ny faha-66 taonan’ny Nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’...
26/06/2026

Fankalazana ny faha-66 taonan’ny Nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬

Anisan’ireo nandray anjara mavitrika tamin’ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny Nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena ny mpiasan’ny fahasalamana eto amin’ny Faritra Androy.

Maneho fankasitrahana sy fisaorana feno noho ny fiaraha-mientana, ny firaisankina ary ny fandraisana anjara tamim-pahavitrihana nasehon’ny tsirairay tamin’izao fankalazana izao.

Mirary hatrany ny hitohizan’ny firaisankina ho fampandrosoana ny fahasalaman’ny vahoaka sy ny firenena.

Ho an’ny taninjazana!
Ho ela velona i Madagasikara! 🇲🇬🇲🇬🇲🇬

Ambovombe, 23 Jona 2026Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny kermesy sy ny podium ho fanamarihana ny fankalazan...
23/06/2026

Ambovombe, 23 Jona 2026

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny kermesy sy ny podium ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena.

Notarihin’Atoa Lehiben’ny Faritra Androy izany lanonana fanokafana izany, niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny sy ireo manam-pahefana ary olo-manan-kaja maro teto amin’ny faritra.

Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ihany koa ny mpiasan’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Androy, maneho ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana ity tsingerintaona manan-tantara ho an’ny firenena ity.

🇲🇬 Ho an’ny Tanindrazana! 🇲🇬

SDSP Antanimora Sud - DRSP AndroyNotanterahina tao amin’ny Distrikan’Antanimora ny fanaraha-maso ara-teknika iraisana (s...
19/06/2026

SDSP Antanimora Sud - DRSP Androy

Notanterahina tao amin’ny Distrikan’Antanimora ny fanaraha-maso ara-teknika iraisana (supervision conjointe) niarahan’ny ekipan’ny ACF, EMAR ary EMAD, ka nahitana fitsidihana ireo tobim-pahasalamana CSB Edasotse, CSB Andalatanosy, CSB Vohitrarivo, ary ny Site Communautaire 2.

Nandritra izany dia nojerena sy nohamafisina ny fanatanterahana ireo asa rehetra vita ao anatin’ny Tetikasa HIP 25, izay iarahan’ny ASOS, ACF ary MDM manatanteraka. Natao ihany koa ny famantarana ireo lafiny mila hatsaraina sy ny fametrahana fepetra hanarenana izany, mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena ny vahoaka.

Ity fanaraha-maso ity ihany koa no famaranana ny hetsika ao anatin’ny HIP 25, sady fotoana nanomanana sy nanatsarana bebe kokoa ireo tolotra sy paikady ho entina manatanteraka ny Tetikasa HIP 26 ho avy.

Maneho fisaorana sy fankasitrahana manokana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ary ny ASOS sy ACF, noho ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana tsy tapaka ho fampandrosoana ny fahasalaman’ny mponina.

📍 Ambovombe, 17 Jona 2026Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Hetsika Varavarana Misokatra ao amin’ny Hopitaly...
18/06/2026

📍 Ambovombe, 17 Jona 2026

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny Hetsika Varavarana Misokatra ao amin’ny Hopitaly Monja Jaona (CHRR Androy). Haharitra telo andro, ny 17, 18 ary 19 Jona 2026, ity hetsika ity.

Tanjona amin’izany ny hampahafantarana ny vahoaka ireo tolotra ara-pahasalamana sy ireo sampan-draharaha isan-karazany misy ao amin’ny hopitaly, ary koa hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny toeram-pitsaboana sy ny mpiara-monina.

Manasa ny rehetra hitsidika sy hahafantatra bebe kokoa ireo tolotra omena ao amin’ny Hopitaly Monja Jaona (CHRR Androy) izahay mandritra izao hetsika Varavarana Misokatra izao.

Address

Ambovombe Androy
Ambovombe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavam-Paritry NY Fahasalamam-Bahoaka Androy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share