04/06/2026
🩸😲 “Afaka manana groupe sanguin hafa noho ny ray aman-dreniny ve ny zaza ?”
Maro ny ray aman-dreny no gaga rehefa mahita fa tsy mitovy amin’ny azy ny groupe sanguin an’ny zanany. Indraindray aza dia miteraka ahiahy sy ady an-trano izany. 😥
👉 Ny marina ara-tsiantifika : ENY, mety hitranga izany !
🧬 Ny groupe sanguin dia lovaina avy amin’ny ray sy reny, saingy misy fitambaran’ny gène maro azo ateraky ny zanaka.
Ohatra : 👨 Ray : Groupe A
👩 Reny : Groupe B
👶 Ny zanaka dia mety ho :
✅ A
✅ B
✅ AB
✅ O
Tsy voatery hitovy amin’ny an’ny ray na reny mivantana akory.
⚠️ Noho izany, ny fahitana groupe sanguin hafa dia tsy porofon’ny tsy maha-ray na tsy maha-reny.
🩺 Raha misy fisalasalana dia ny fitiliana ADN no fomba azo antoka indrindra hamantarana ny fihavanana ara-biolojika.
💡 Fantaro ny groupe sanguin-nao sy ny an’ny zanakao. Mety hamonjy aina izany raha sendra misy loza na mila fampidiran-dra maika.
💬 Ary ianao, fantatrao ve ny groupe sanguin-nao sy ny an'ny zanakao? 😊🩸