21/08/2026
🌸 « Sœur Appoline, manolo-tena ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. » 🌸
✨ I Soeur Appoline dia nanomboka niasa tato amin'ny Pavillon Sainte Fleur tamin'ny taona 2012. Efa faniriany hatramin'izay ny hiasa amin'ny sehatry ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza.
💚 Tamin'ny taona 2022, dia voatendry ho "surveillante" ny aile 400, misahana ny grossesses pathologiques sy tao amin'ny néonatalogie izy. Ankehitriny kosa dia surveillante ao amin'ny aile 300 izy, - izay ahitana ny urgences, ny consultations prénatales, ary ny fanaraha-maso ny fahasalaman'ny zaza amin'ny alalan'ny fanaovana vaksiny.
😄 Amin'ny maha surveillante azy, ny andraikiny dia ny mandrindra sy manara-maso ny mpiasa manomboka amin'ny rasazy ka hatramin'ny mpanadio. Isan'andro izy dia manafatra sy manome ireo fitaovana ilain'ny dokotera sy ny rasazy, mijery ny fahadiovana sy fikojakojana ny toerana, ary mampifandray ny mpiasa ao amin'ny aile 300 amin'ny "surveillante générale" ary ny "direction".
💟 Ny zavatra tena tiany amin'ny asany dia ny fifandraisana amin'ireo reny mandalo ato. Maro amin'izy ireo no mbola mahatsiaro azy hatramin'izao.
🥰 Ho azy dia toy ny fianakaviana ny PSF, indrindra rehefa mandalo ireo fotoan-tsarotra. Nasongadiny amin'izay ny fifanampiana misy eo amin'izy ireo samy surveillantes.
Tsy mora taminy ihany koa ny andraikitry ny surveillante tamin'ny voalohany, saingy nanampy azy hivoatra ka nanosika azy hanome ny tsara indrindra avy aminy izany.
💌 « Andao tohizana hatrany ny fivoarana, ary tsy ho kivikivy isika satria misy dikany avokoa ny asan'ny tsirairay ato amin'ny PSF. Samy mandray anjara avy amin'ny fampandrosoana ny maternite.» hoy i Soeur Appoline amin'ireo mpiara-miasa aminy.
🤗 Tiany ho tsapan'ny ray aman-dreny ihany koa fa omena lanja tokoa izy ireo ary ny rehetra dia samy manao izay hahatonga ny zazakely sy ny reny ho salama tsara. Miezaka hatrany ny PSF hanatsara sy hanamafy ny tolotra hahafapo ny rehetra.
🧡 Manasa ny reny izy hanomboka, araka izay azo atao, ny fanaraha-maso ny fitondrana vohoka satria ny fiomanana dieny mialoha dia miantoka ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza sy ny ho aviny.
-----
🌸 Les Vendredis témoignages du PSF 🌸
« Sœur Appoline, au service des mères et des enfants. »
✨ Sœur Appoline a rejoint le Pavillon Sainte Fleur en 2012, avec la volonté de mettre son engagement au service de la santé des mères et des enfants. Depuis, elle poursuit cette mission avec les équipes du PSF.
💚 En 2022, elle est nommée surveillante de l’aile 400, qui prend en charge les grossesses pathologiques et de la néonatalogie. Aujourd’hui, elle est surveillante de l’aile 300, qui comprend les urgences, les consultations prénatales et la vaccination.
😄 En tant que surveillante, son rôle est de coordonner et de superviser le personnel, des sage-femmes aux dames de service. Chaque jour, elle fournit le matériel nécessaire aux médecins et aux sage-femmes, veille à la propreté et à l’entretien des locaux, et assure la communication entre le personnel de l’aile 300, la surveillante générale et la direction.
💟 Elle apprécie vraiment pouvoir échanger avec les mamans qui passent dans son service. Beaucoup d’entre elles se souviennent d’elle.
🥰 Pour elle, le PSF est comme une famille, surtout dans les moments difficiles. Elle souligne notamment l’entraide qui existe entre les surveillantes.
Au début, la responsabilité de surveillante n’a pas été facile pour elle. Cependant, cette expérience lui a permis d’évoluer et l’a poussée à donner le meilleur d’elle-même.
💌 « Continuons toujours à avancer et ne nous décourageons pas, car le travail de chacun au PSF a son importance. Nous contribuons tous au développement de la maternité », affirme Sœur Appoline à ses collègues.
🤗 Elle souhaite également que les parents sachent qu’ils sont réellement pris en considération et que chacun fait de son mieux pour assurer la bonne santé des bébés et des mamans. Le PSF cherche toujours à s'améliorer et à renforcer ses services afin de satisfaire au mieux les familles.
🧡 Elle encourage les futures mamans à commencer le suivi de leur grossesse le plus tôt possible, car une préparation précoce contribue à préserver la santé de la mère et de l’enfant ainsi que leur avenir.