26/04/2022
Régime CITRON 🍋🍋🍋
Mampatsiro ny sakafo 😋 izy sady tsara ho an'ny fahasalamana ny fihinanana voasary makirana matetika. Ireto ary ny tombotsoa amin'ny fihinanana citron:
▶ Manala ireo tavy tsy ilaina
▶ Mampiena ny cholestérol
▶ Manampy ny hery fiarovana (vitamine C)
▶ Manampy mampandevo-kanina
Ny citron dia azo afangaro amin'ny sakafo, na atao amin'ny lasary fa azo atao jus ihany koa.
Tandremo anefa❗❗Mamparefo ny nify ny fikasohany matetika eo amin'ny sakafo marikivy.
👉 Conseil 1 : Sotroina amin'ny pipette raha ranony. Mampiena ny contact eo amin'ny nify sy ilay marikivy izany.
👉 Conseil 2 : Kobanina amin'ny rano tsotra ny nify rehefa avy minana citron na zavatra marikivy. Esorina ilay tsirony tavela ao am-bava.
👉 Conseil 3 : Tsy mahazo 🚫🚫 miborosy nify rehefa avy minana citron. Malemy ny ivelan'ny nify rehefa avy minana citron ka tsy tsara raha borosina avy hatrany fa vao maika mampamora simba azy.
👉 Miandry 30minitra eo vao afaka miborosy nify.
Tohizo ny régime ary koa kajio ny nify mba tsy ho mora potika 😊
Araho ny pejy fa hisy torohevitra maro 👍