11/06/2026
💛 FOHY HEHY / VAKY HEHY ...
Efa nolazaina taminao ny alina tsy ahitana tory,
Ny tomany
Ny havizanana.
Fa tsy nisy tena nanomana anao ho amin’ity…
👉 Ilay fotoana voalohany
ihomehezan’ny zanakao... Fohy hehy na vaky hehy hoy isika
Ary eo… mijanona ny zava-drehetra.
Adinonao ny havizanana.
Adinonao ireo fotoana sarotra.
Adinonao aza hoe nahoana ianao no kivy omaly.
Satria ilay fihomehezana kely…
toy ny hoe milaza aminao izy hoe :
"Neny, milamina ny zava-drehetra." 🤍
Ary ianao… vonona hiaina indray izany rehetra izany,
mba handre izany feo mamy kely izany indray.
👉 Tadidinareo ve? Iza no nampihomehy ny zanakareo voalohany aki ry maman? Sa nareo ?
sa olona hafa ? 😅
Za natahotra mafy ny mampihomehy zanak'olona t@ zany satria tsy nanana akoho omena e😅 dia vao mitady himomehy le zaza de mitsoaka aingana 😂