26/08/2026
**FIFAMINDRAM-PITANTANANA CHUSSPA**
Ho fanatanterahana ny didim-panjakana izay noraisina tamin’ny 19 aogositra 2026 izay manafoana ny didim-panjakana 2021-1357 tamin’ny 01 desambra 2021 manendry an’Andriamatoa Dr RAVELOJOELIANDRIAMBELOARITAFIKA Aurélien.
Tanteraka soamatsara teo ambany fiahian’ny Andriamatoa Talen’ny kabinetra eo anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka izay nisolo-tena an-dRamatoa Minisitra Dr MANAGNA Monira ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale teo aloha Dr RAKOTOMALALA Vololona Razafimanalina sy Tale vaovao Dr RAVELOJOELIANDRIAMBELOARITAFIKA Aurélien omaly faha 25 Aogositra 2026 tamin'ny 10 ora tao amin'ny CHUSSPA.
Ny mpira-miasa eto an’ivon’ny CHUSSPA dia mirary soa an’ireo Tale vaovao sy Tale teo aloha.