04/08/2026
⚠️METY HITERA-DOZA NY FIHINANA NY FANAFODY AINS ohatra hoe : diclofenac, ibuprofène, voltarène,…REHEFA MARARY NIFY.
✅Io vehivavy @ sary dia tratran’ny antsoina hoe : CELLULITE CERVICO-FACIALE FISTULISEE. Narary nify no niantombohany ary nohon’ny fanaintanana dia nihinana ireo fanafody voatanisa ambony ireo. Nanomboka nisy fivontosana ny vava, tenda ary niha-nitombo ary vaky nana avy eo.
✅Matetika moa avy @ areti-nify izy io, ary ny mahatonga azy dia zavatra roa matetika :
⚡️Ny fihinana fanafody ohatra hoe diclofenac, ibuprofène, voltarène,…(izany hoe ireo AINS)💊
⚡️olona misy diabète, ….
✅Ny resaka fanafody moa no tena tiako resahina eto, satria matetika isika zatra mihinana an’ireo fanafody ireo rehefa marary nify.
✅Nahoana no mampidi-doza?
⚡️Ny fihinanana ireo fanafody ireo dia mety hanamora ny fiparitahan'ny aretina ka mahatonga ny cellulite.
⚡️Raha tsy voatsabo araka ny tokony ho izy ilay cellulite dia mety hivadika ho "fasciite nécrosante".
✅Tandremo fa ambony be ny tahan’ny fahafatesana ☠️🏴☠️ rehefa tonga @ io stade io, sady lafo ny fitsaboana (fandidiana, antibiotique) nefa ratsy ny pronostic‼️
✅Ny tokony hatao:
⚡️Aza manao dokotera tena❌
⚡️Manatona dentiste 👨⚕️💉rehefa marary nify 🦷(dentiste tena dentiste ny resaka eto🫣)
⚡️Ho an’ireo taizan’aretina surtout diabétique dia mila mitandrina be mihitsy.
✅Tandremo :
🙏Tsy mosavy nataon’olona io, tsy cancer ihany koa
🙏Tsy hoe tsindromina (tsinjomina) dia hoe izay no mahafaty azy (fa ilay aretina mihitsy rehefa tonga @ io stade io dia efa somary sarotra ny fitsaboana, ratsy ny pronostic)
✅Tsy reraka izahay mpitsabo manentana hoe : tsara foana manantona mpitsabo raha misy ny olana arapahasalamana
Aza adino ny mizara mba hitandreman’ny hafa.
Dr Tafita Ambinintsoa