21/03/2025
FANALANA NY ÉCRAN @ ANKIZY.
🚨Raha mbola tsy tafiditra @ fitiavana izy ity ny Zaza dia aza zarina mihintsy.
Tsy mora ny manala azy io anefa vita rehefa atao ary mila faharetana. Raha mahavita moa dia afaka foanana avy hatrany ary afaka atao tsikelikely ihany koa.
Ny fanafody dia ny fandaniana ny fotoanan'ny Zaza, mila fandraisana andraikitra lehibe (implication)avy
@ Ray amandreny izany.
👉 Fiarahana miaraka amin'ny Zaza, ary fanentananao azy handray anjara sy fanomezana andraikitra azy ( milalao, mahandro sakafo, mijery boky, mandeha toerana iray na mandeha tongotra tsotra fotsiny sady mandany ny angovony)
👉Asiana fetrany ny fijerena fahita alavitra, ny tsara dia aleo fahita alavitra toy izay finday. 30 minitra isanandro no idealy, Asiana "minuteur" ary azavaina azy fa rehefa maneno io dia ajanona amizay. Izy mihintsy no asaina mamono ilay fahita alavitra mba haneken'ny sainy fa avy aminy ilay izy (ho gaga ianao fa rehefa zatra izy dia na tsy misy mbola maneno akory aza ny minuteur dia vonoiny io)
👉Ampatsiahivo azy matetika fa tsy tsara hoan'ny maso ny fijerevana fahita alavitra ela sy matetika.
👉Atao fampianarana na sary tsy manaitaitra ny Zaza no Jereny. Raha mety dia atao mifanaraka @ fitaovana ananany (ohatra: abd, sary mihetsika izay hananany boky na fandokoana mitovy aminy) .Afaka mivoatra araky ny salantaona.
👉Fotoana hijerena fahita lavitra ( jereo ny sary fanehoana).
Raha misy manana torohevitra dia afaka mifanampy ao @ commentaire ihany koa.
Raha misy fanontaniana dia afaka apetraka ao @ commentaire fa ho valiana.
Zarao Ary mba hanampiana ireo mitaiza tahakantsika!!!!!