Massage traditionnel malagasy et massage relaxant

Massage traditionnel malagasy et massage relaxant Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Massage traditionnel malagasy et massage relaxant, Massage service, Antananarivo.

Don de massage ( nentim- paharazana), massage relaxant, mampiasa point de réflexologie faciale...Afaka mampianatra gratuit ♥️afaka miara-miasa @ izay manana salon de massage

Harisoa: 0382609418/0324074562

Salama tompoko ô🌺 Fanadiovana nify sy ati-vava👉Tsotra kely ary tsy mandany vola:1) Totohina ny charbon, asiana sira kely...
08/12/2023

Salama tompoko ô
🌺 Fanadiovana nify sy ati-vava

👉Tsotra kely ary tsy mandany vola:
1) Totohina ny charbon, asiana sira kely, hikosehana nify avieo.
1) kikisana ny tongolo lehibe 1, afangaro @ dentifrice ary hiborosiana nify
3) lemana ny tamotamo, afangaro @ dentifrice...
Efa nataoko daholy reo an! 😬
👉 Ity ndray ny fanalana fofom-bava
1) Kontsanina @ rano asiana citron ny rano, na mihinana citron mandritra ny 15min alohan' ny hivoahana ny trano
2) Hodina goavy no tsakoina maharitra ao ambava. Na ravin-goavy ampangotrahina, avela matimaty ary hanontsanana vava.
3) Rano asiana karibonetra kely, hanontsanana vava.
Miala tsiny fa zay ndray vao afaka mitondra page, ef herintaona mahery Zay no tsy nipub tato...Mandray rendez-vous : 0324074562, 0345486975

Mirary ny soa ho anao tompoko ♥️
Page: Lahitokana ny Aina

Salama tompoko o!     🌼 Fanafody allergique🌼Ity akora natoraly manasitrana «allergique» ity indray no ifampizarantsika e...
13/11/2022

Salama tompoko o!

🌼 Fanafody allergique🌼

Ity akora natoraly manasitrana «allergique» ity indray no ifampizarantsika eto tompoko, mety hiseho am alalan'ny kohaka lavareny, vatana mibontsibontsina, sery tafahoatra...

👉 Ravin'ampalibe (ravina finesy)iray tanana no tanehina (ampangotrahina @ rano 1,5 litre, 1 kaopy maraina ary iray kaopy ny hariva, tsy mangidy io.

Mirary ny soa ho anao tompoko o!

Page: 🌺 Lahitokana ny aina 🌺

🌸 Fanafody tazo 🌸Miharahaba tompoko! 😄 Fanafody tsotra nefa tena mandaitra ary aingam-piasa no zaraiko aminao androany. ...
21/05/2022

🌸 Fanafody tazo 🌸

Miharahaba tompoko! 😄
Fanafody tsotra nefa tena mandaitra ary aingam-piasa no zaraiko aminao androany. Mahasolo efferalgan izy ity, izany hoe manala fanaintainana no sady fanafody tazo. Mety ho an' ireo voan' ny grippe ihany koa.

👉 Akora ilaina: voasaraimakirana iray, tantely iray sotrokely, karibonetra ( carbonate) iray fonosana. Mampangotraka rano, makà iray vera @ lay rano, avieo arotsaka ao ireo akora ireo, sotrohina mafana izay zaka tompoko. Misotro 1 vera maraina ary 1 vera ny atoandro.

Afaka manontany raha tsy mazava ny fanazavako.

Mirary soa ho anareo tompoko! 🙏
🌸 Page: Lahitokana ny Aina 🌸

Salama aby Tompoko ô! 🌸Plante jean robert ( tambavy) 🌸io ndray no ifampizarantsika tompoko. Mahasolo anti- biotique io t...
24/04/2022

Salama aby Tompoko ô!

🌸Plante jean robert ( tambavy) 🌸io ndray no ifampizarantsika tompoko. Mahasolo anti- biotique io tambavy io ary ireto manaraka ireto ny aretina sitraniny:

👉 Aretin' ny taovam- pananahana ( perte blanche, angatra na ny syphilis...)
👉 Aretin' ny taovam- pisefoana ( sempotra...)
👉 Manasitra kista, fibraona, vavony, aty ary diabeta.
👉 Rehefa tapahana ilay tahon' io jean robert ( euphorbia na kinononono) io dia misy fotsy2 hotran' ny ronono mivoaka aminy, ka afaka ahosotra @ fery, hodipotsy, micose ( rehefa aretin-koditra)

🌸 Fikarakarana azy: maka iray tanana, tanehina @ rano 2l mandritra ny 20 mn, sotrohina 1 vera maraina, 1 atoandro ary 1 hariva
🌸 Raha aretin' ny taovam-pananahana indray dia ampitomboina ny fatran' ilay tambavy satria sady hisasan' ilay vehivavy, na ny lehilahy ny filahiany, ary misotro 1 vera*3 isan' andro ihany koa.
Herinandro eo2 ny faharetan' ny fisotroana azy @ reo aretina rehetra ireo.
Afaka mandefa message ato @ page- ntsika ianao tompoko raha misy tsy azo😃

Mirary soa ho anao tompoko😁

🌸Page: Lahitokana ny Aina 🌸

🌸 Fanafody aretim-po 🌸Salama tompoko ô! 😃Fanafody aretim- po indray no ifampizarantsika anio tompoko, na arythmie cardia...
08/03/2022

🌸 Fanafody aretim-po 🌸

Salama tompoko ô! 😃
Fanafody aretim- po indray no ifampizarantsika anio tompoko, na arythmie cardiaque, tachycardie, sns izay fantatrao fa aretim- po

🌸Vary menamena be ireny no ilaina, totohina ny vary, ary tehirizina ao anaty bocal. Rehefa misotro rano ianao dia afaka asiana kely @ io fona ( tsy rano mafana). Atao anaty rano mangatsiaka ary atao anaty frigidaire, na atao anaty rano mangatsika ny alina ary apetraka eo dallage mba angatsiaka ka ny maraina no sotrohina.
Ny vovony tsy atao betsaka, miankina amin' ny fatran' ny rano ataonao ( oh: 1 kaopy kely atao fahefan' ny sotro fihinanana).

Mandefasa message raha tsy azo tompoko, na miantso ny 0324074562, tsy miavona ary tsy masika zah fa aza manahy ianao 😁

Mirary soa ho antsika tompoko

🌸Page: Lahitokana ny Aina🌸

Salama tompoko ô!         🌸Te hiteraka 🌸Ity indray no hifampizarantsika anio😁Potserina io point io, ho anao izay mikoron...
26/02/2022

Salama tompoko ô!

🌸Te hiteraka 🌸
Ity indray no hifampizarantsika anio😁
Potserina io point io, ho anao izay mikorontana fadim- bolana, ary ho an'ny olona te hiteraka. Tokony harary be io point io rehefa potserina raha toa ka misy tsy tomombana ny (appareil génital) taovam- pananahana.

Ireto ary ny akora afaka hitsaboana tena:
1) karimbola: manafana tranon- jaza, manala rivotra ( na anaty tranon- jaza aza), manadio tranon- jaza, ho an' ny olona hafa- jaza lava sy mitady zaza. Tanehina ary sotrohina

2) Romba: mitovy asa @ ilay karimbola ihany, saingy, hisasana izy mba hampikombona col. Tanehina ary atao evoka ka ny faritry ny nono no midina no evohana, na atao anaty po ary atao evoka mipetraka. Tanehina ary sotrohina manomboka eo @ fadimbolana no misotro azy ka hatramin' ny fotoana mahalonaka.

3) Mazotoa misotro dite sakamalao fa ireny manafana tranon- jaza.

4) Mihinanà vitamin E

Tokony hanantona mpanotra satria mety hoe milatsaka be ny tranon- jaza fa mora hafa- jaza, misokatra ny col sy ny vody lamosina, fantatry ny mpanotra io...
Mandefasa someso raha misy tsy azo tompoko, na miantso ny 0324074562

Mirary anao hahazo zaza tompoko 🙏

🌸Page: Lahitokana ny Aina 🌸

Akory aby e! 😁      🌸Mantaly🌸Io indray no hifampizarantsika anio, manasa anao hamaky sao mahasoa anao avao😄👉 Ireto avy n...
20/02/2022

Akory aby e! 😁

🌸Mantaly🌸
Io indray no hifampizarantsika anio, manasa anao hamaky sao mahasoa anao avao😄
👉 Ireto avy ny ilana azy:
- Marary vavony: raviny singany 3 tanehina @ rano 1 litatra, ny ambin' io atao fisotro 1 andro, manao hafa isan' andro
- Règle tsy mijanona: tanehina io de sotrohina ( hoditra rotra ihany koa fanafody règle tsy mijanona)
- Fanafody lagaly: sotrohina, tanehina ary handroana
- Fanafody aretin- kibo: tanehina ary sotrohina
- Zaza mipoaka hoditra ( vao teraka), zaza voan' ny tohim- bitsika (nandoro vitsika ny reniny tamin' ny bevoka àzy ): ampangotrahina ny hodin' ilay mantaly, ampandrohina ilay zaza, tsy tampoana rano mangatsika fa rhf mafana2 izay zakany no ampandrona azy. Aza ampanaovina lamba fotsy izy fa mampisy tasy io.
Hazo ngeza b io mantaly io, raha misy tsy azo de afak manontany tompoko
Ho publieko manaraka eo ny point ho an' ireo mitady zaza sy ny akora natoraly hahazoana zaza .

Mirary soa tompoko ô!

🌸 Page: lahitokana ny Aina🌸

Salut la famille! 😄Salama daholy, iza no marary2 ?😢Androany zah dia hizara an' ilay point 156 @ zay. Ianao ngamba tsy mi...
18/02/2022

Salut la famille! 😄
Salama daholy, iza no marary2 ?😢
Androany zah dia hizara an' ilay point 156 @ zay. Ianao ngamba tsy mino hoe mahasitrana ilay izy e! Fa izay manao ihany no mahita soa 😁

🌺Ireto avy tompoko ny aretina sitranin' io:
- Fivokonan- kozatra eo @ kibon- dranjo ( crampe de mollet)
- Fanaintainan' ny ranjo sy lohalika ( Douleur aux jambes et
aux genoux)
- Fanaintainan' ny handrina sy ny manjamaso ( Douleur aux sourcils)
- Malemy sy tsy mahatsiaro marary ny faritry ny tarehy ( paralysie faciale)
- Aretin' ny hatoka ( Blocage servicale)
- Fitohanan' ny fivalanana ( Constipation) tsy mangery mihintsy
-Aretin' ny ovaire: ilay organa mamorona ny atody ao amin' ny tranon- jaza ( Pathologies ovariennes)
- Aretin' ny filahiana, mivonto, miova loko ny sperme, sahirana rhf mipipy ( Prostatisme)
- Filahina tsy mety velona, sarotra velomina, na mora maty eo ampanaovana firaisana ara- nofo ( Impuissance)
- Fadimbolana marary ( Règle douloureuse )
- Fidoboky ny fo tsy mifanaraka amin' ny tokony ho izy, midoboka2 malaky be, na miadana be ( Arythmie cardiaque )
- Midobodoboka be foana ny fo: mety ho vokatry ny tahotra na tsisy antony...( Tachycardie), raha olona hitanao eny andalana no mampidoboka ananjy de tsy aretina 😂😂😂
- Orona tsentsina ( Nez bouché)
- Fahatsembohan' ny tanana sy tongotra ( Transpiration) met ho tsembok b vokatry ny tazo
- Tosi-drà miakatra sy tosi-drà midina ( Hypertension et hypotension)

👉Crayon na stylo bory2 ny vodiny no ilaintsika, atao eo @ teboka iray, ahodina, ny tanana no hahetsika fa crayon eo point fona, atao ihany koa ny iray avieo.

Mirary soa tompoko ô!

🌸Page: Lahitokana ny Aina🌸

Salama tompoko ô! 🌸Asthme na sempotra🌸Anampiako an' ilay fanafody sempotra nalefako iny dia misy sosokevitra kely ity.Ny...
17/02/2022

Salama tompoko ô!

🌸Asthme na sempotra🌸

Anampiako an' ilay fanafody sempotra nalefako iny dia misy sosokevitra kely ity.
Ny asthme na ny sempotra dia aretina " psycho-somatique" izany hoe avy amin' ny saina dia miseho amin' ny vatana, rhf miasa saina b na malahelo, sns dia mihetsika izy.

👉 Jereo ny sary, misy faritra misy tsipitsipika io, dia o***a ilay izy ary potserina. Asio menaka aminjegny tsy sarotra o***a.

Tokony atao matetika ho an' ireo olona asthmatique na mbol tsy marary aza, mba misoroka mialoha 😁
Mety ho an' ireo mikohoka ihany koa io
Raha sanatria ka tsy azontory tompoko dia potsero2 avokoa ny hoho. 0324074562 ny numero-ako raha misy tsy azo

Mirary soa tompoko ô!

🌸Page: Lahitokana ny Aina🌸

Address

Antananarivo

Telephone

+261324074562

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Massage traditionnel malagasy et massage relaxant posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share