Dr Manitra Rakotoarivony

Dr Manitra Rakotoarivony Groupe Naturopharma
(1)

Fotoana hikarakarana ny vatana amin'izao andro mangatsikaa izao...
16/06/2026

Fotoana hikarakarana ny vatana amin'izao andro mangatsikaa izao...

👉 Na ny sery na ny gripa dia aretina avy amin'ny viriosy samihafa, raha ao anatin’ny 3 andro mbola tsy mihafana dia mila manantona mpitsabo. 👌

🔹 𝐌𝐢𝐡𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐡𝐞𝐫𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐫𝐞𝐡𝐞𝐟𝐚 𝐫𝐢𝐫𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐡𝐚𝐤’𝐢𝐳𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐨, 𝐢𝐧𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐭𝐨𝐤𝐨𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨? ☺️

▪️ Manao akanjo mafana
▪️ Rano mafana no sotroina 🥛
▪️ Mihinana sakafo ara-pahasalamana mitondra otrikaina betsaka toy ny vitamina, sy mitondra mineraly ho an’ny vatana ihany koa toy ny legioma sy ny voankazo 🍌🍊
▪️ Ilaina ny manao fampihetseham-batana matetika 🏃
▪️ Rehefa misy olona voan’ny sery... manodidina anao dia mila mitandrina

📌 Ho an’ny marary mikohaka sy voan’ny gripa kosa dia manaova arovava orona ary manantona mpitsabo 😷

Isaorana ny Dr Manitra Rakotoarivony ✨

🌸 𝑱𝒆𝒋𝒐𝒐, 𝒍𝒆 𝒒𝒖𝒐𝒕𝒊𝒅𝒊𝒆𝒏 𝒅𝒆𝒔 𝒇𝒆𝒎𝒎𝒆𝒔

📢 FISAORANA SY FILAZANA NY DIAN’NY FAHASALAMANA MANARAKA🏝️ NOSY BE INDRAY NO MANARAKA!📅 18 - 19 - 20 Jona 2026 📍 FJKM Eb...
15/06/2026

📢 FISAORANA SY FILAZANA NY DIAN’NY FAHASALAMANA MANARAKA
🏝️ NOSY BE INDRAY NO MANARAKA!
📅 18 - 19 - 20 Jona 2026
📍 FJKM Ebenezera Hell-Ville.

🙏💯 MERCI Mahajanga! eoaaa. basy !
Tanteraka soa aman-tsara ny hetsika "Andro Manga" niarahana tamin'ny SVM FJKM Androva Aumônerie.
🩺💯Tontosa ihany koa ny fizahana ara-pahasalamana niarahana tamin'ny Naturopharma sy ny Natiora Radio.
💝🙏 Isaorana manokana ireo rehetra nandray anjara nanampy tamin'ny hetsika. anisan'izany ny izay namatsy test Glycémie gratuits sy ny teto mahajanga.
☺️💯 Merci amin'ireo tonga nihaino ny fampianarana sy fanentanana ara-pahasalamana,
🤒💯 Maro ireo nanao fitiliana glycémie sy fizaham-pahasalamana,
👬👭💯 ary indrindra ianareo vahoakan'i Mahajanga izay nandray anay tamim-pitiavana sy hafanam-po.
🩺 💯 Ny fanentanana sy ny fitiliana ara-pahasalamana dia isan'ireo fomba mahomby indrindra hiadiana amin'ny diabeta, tosidra ary aretina mitaiza maro hafa.

💙 Tsy mifarana eto anefa ny asa fanompoana.

🏝️ NOSY BE INDRAY NO MANARAKA!
📅 18 - 19 - 20 Jona 2026
📍 FJKM Ebenezera Hell-Ville
Ho fanohizana ny fitsinjovana ny mpiara-belona sy ny fanakaikezana ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny rehetra, dia ho any Nosy Be (Hell-Ville) indray Dr Manitra sy Naturopharma.
🎯 Hisy:
✅ Fizahana ara-pahasalamana maimaim-poana
✅ Fitiliana glycémie
✅ Fijerena tosidra
✅ Torohevitra momba ny sakafo sy ny fahasalamana
✅ Fanentanana ho fisorohana ny aretina mitaiza

💚 💝 Satria ny fahasalamana no harena voalohany. Tsy miandry aretina vao mikarakara tena, fa misoroka dieny mbola salama.

📣 Nosy Be sy ny manodidina, ho avy Dr. Manita! Aoka isika hiara-hisoroka, hiara-hahalala, ary hiara-hitandro ny fahasalamana.

"FIZAHAM-PAHASALAMANA ho an'ny rehetra."
🙏 Misaotra Mahajanga! 🏝️ Mihana indray any Nosy Be!... Fa Mbola hitohy hianavaratra... araho hatrany ny pejin-tsika.




🚨 Mpiasan’ny fahasalamana iray (infirmière) no voalaza fa niharana fankana an-keriny dia novonoina tamin’ny fomba mahats...
14/06/2026

🚨 Mpiasan’ny fahasalamana iray (infirmière) no voalaza fa niharana fankana an-keriny dia novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina rehefa natao takalon’aina.

💔 Olona mpamonjy aina no lasa lasibatra — tsy azo ekena intsony izao habibiana izao.

⚠️ Miantso ny Ministera misahana ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fandriampahalemana izahay mba haneho hevitra fanamelohana sy hanamafy ireo fepetra maika sy lavitrezaka ho fisorohana.

🏥 Tokony hohamafisina ny fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny firenena.
💔 Olona nandeha hiasa, tsy nandeha hiady…
💔 Olona hitsabo, tsy handeha hanimba…
💔 Saingy very aina noho ny herisetra tsy misy fangorahana.

🕯️ Aoka kosa tsy hiverina intsony izao herisetra manafintohina izao, tsy vao sambany mantsy izao.

👉 Tsy tranga tsotra izy ity,
👉 Midika ho fanafihana mivantana ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra. 👉 Tena fandrahonana ny mpiasan'ny fahasalamam-bahoaka manontolo.

🙏💯❤️ Ny mpitsabo, ny Infirmiers, infirmières, sage-femme sy ireo mpiasa eo anivon'ny toeram-pitsaboana sy ny ministeran'ny fanasalmana, manomboka eny amin'ny mpiandry vavahady dia tsy fahavalo, fa MPAMONJY AINA.

⛔ Tsy tokony ho lasa “tanjona alaina an-keriny” intsony izy ireo.
⛔ Tsy tokony ho lasa “lasibatra mangina” intsony ny mpiasan’ny fahasalamana.

🕯️ Ho fahatsiarovana ilay nody mandry, ary ho fiarovana ireo mbola manohy ny fanompoana vahoaka… dia niloa-bava aho fa tsy naharitra.

Hijoro ho amin'ny FAHITSIANA hanaja ny ain'ny tsy salama sy ny mpiara-belona amiko hatrany AHO.
Dr.Manitra.

👉 Rehefa Dr. Manitra no miresaka ny fanomanana ny Vatana sy ny saina hiatrika fanadinana atsy ho atsy...⛽🚦 Nasain'ny von...
10/06/2026

👉 Rehefa Dr. Manitra no miresaka ny fanomanana ny Vatana sy ny saina hiatrika fanadinana atsy ho atsy...
⛽🚦 Nasain'ny vondrom-panabehazana ACEEM ny Dr Manitra Rakotoarivony hampita sy hizara ireo fomba afahana manatsara ny FITADIDIANA sy hanamafisana ny FAHASALAMAN'NY VATANA MANONTOLO ho an'ireo hanatrika BEPC s'y BAC.
👉 Courage et zandry zanaka isany a! Isika manana annilay Mpamorona antsika.

Aleo misoroka toy izay mitsabo r'ireto a. NY MISOROKA NO TSARA... NY MITSABO SAO EFA TARA hot Ilay Namana Izay
10/06/2026

Aleo misoroka toy izay mitsabo r'ireto a. NY MISOROKA NO TSARA... NY MITSABO SAO EFA TARA hot Ilay Namana Izay

👉 Tena Mila fanentanana bé fa Mbola tsy mazava amin'ireo mpiar-belonaamiko Ilay mahatonga n'y toe-batana VARIRA na albin...
10/06/2026

👉 Tena Mila fanentanana bé fa Mbola tsy mazava amin'ireo mpiar-belonaamiko Ilay mahatonga n'y toe-batana VARIRA na albinos...

🚨 FANENTANANA KELY HO AN’NY DAHOLOBE 🚨Mitaky permis de conduire ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao…Ka tandremo...
25/05/2026

🚨 FANENTANANA KELY HO AN’NY DAHOLOBE 🚨

Mitaky permis de conduire ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao…
Ka tandremo ihany aloha e 😅
❌ Tsy mahazo mitondra moto raha tsy manana permis
FA izany eo ihany …

👺👹 Ny virus sy bakterie koa anie tsy misangy e!
📌 tsy maka rendez-vous,
📌 tsy mangataka permis,
📌 tsy manao contrôle technique,
⛑️ ary tsy miandry anao ho vonona mihitsy 😭

👉 Voalaza koa hoe toa hisy fandaminana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra,
🚦🛵🚙 Ny fiara sy ny moto azo asiana fandaminana hifandimby eny an-dalana… fa ny mikraoba sy ny virus kosa tsy hiandry “tour” mihitsy 😷

👹🥶🥵 Tsy hiteny hoe : “ankasa androany, tsy ankasa rahampitso” ireo aretina.

AZA ADINO......
🤕😷😮‍💨 Raha vao misy fahalemen’ny fahadiovana sy ny fiarovana dia mamely avy hatrany r'ilay maty an!

📌 Koa ankoatra ny fandaminana ny fifamoivoizana dia ilaina hatrany ny :
fanasana tanana 🧼
fahadiovan-tsakafo 🍲
fisotroana rano madio 💧

🚥 Satria ny fitohanan'ny fifamoivoizana mety mahasorena… fa ny aretina kosa mety handripaka ain’olona.

Koa raha atao sérieux ny permis hitondrana moto 🛵
dia aleo atao double sérieux koa ny:
👉🤲 fanasana tanana
👉🫕 fahadiovan-tsakafo
👉💧 rano fisotro madio
👉👩‍❤️‍👨 fisorohana firaisana ara-nofo sy fifampikasohana mampidi-doza
👉🏥 fanaovana contrôle ara-pahasalamana
.. Satria ny moto tsy misy permis mety hahazo sazy…
🚨 Fa ny fahasalamana tsy voakarakara kosa mety hahazo “hospitalisation surprise” 😅

🫪😤😱 Mbola MIRONGATRA ny fianankavian'ny Intoxications alimentaires mamely olona aman-jatony ka ny "composé" no tsy ahita kil intsony! ...

🤢🥶🥵 Mbola manao ny ataony ny “Mpox”, mody mandeha miadana tsy miera fa mandripaka moraroma,...

🐀😷 🤕 ireo virus hafahafa eny amin’ny faritra sasany…
Ny gripa sy aretin-kibo mivezivezy etsy sy eroa tsy lazaina intsony...

👉 Aleo misoroka dieny mbola afaka misoroka e!





NY VOALAVO SY NY MOMBA MOMBA AZY 🐀🐀🐀⚠️ 🐀Ny voalavo dia anisan’ny biby tena mandray anjara amin’ny rohy mpampita “chaîne ...
20/05/2026

NY VOALAVO SY NY MOMBA MOMBA AZY 🐀🐀🐀

⚠️ 🐀Ny voalavo dia anisan’ny biby tena mandray anjara amin’ny rohy mpampita “chaîne de transmission” amin'ireo aretina maro misy,

🐀 Ny voalavo sy ireo biby mpikiky sasany dia anisan’ireo biby afaka mitahiry sy mampiely mikraoba maro eny amin’ny tontolo iainana. Tsy voatery ho marary izy ireny, nefa mety hitondra virus, bactéries, parasites, ary champignons ka hampita izany amin’ny olona sy biby hafa.

⚠️ Ahoana no fifindran’ny aretina?
Ny aretina avy amin’ny voalavo dia mety hifindra amin’ny alalan’ny :
🐀Amaniny sy ny tainy na ny rorany izay mifangaro amin’ny vovoka na sakafo na zavatra voakaikiny ka mahazo ny olona.
🐀Mety ny kaikitry ny voalavo
koa no hampiditra mikraoba mivantana ao anaty rà.
🐀Ny parasy entiny no manaikitra olona
🐀 Misy aza moka sasany avy nanaikitra azy ireny no afaka mamindra aretina.
🐀 Fandotoana sakafo sy rano
amin’ny alalan’ny diky, amany, ny roeany na ny volony.

🚨 IREO ARETINA METY HAFINDRAN’NY VOALAVO AMIN’NY OLONA
🔸 Peste
Aretina fantatra eto Madagasikara, matetika mifindra amin’ny alalan’ny parasy entin’ny voalavo.
🔸 Leptospirose
Bakteria miparitaka amin’ny rano na tany voaloton’ny amanin'ny voalavo.
🔸 Salmonellose
Fandotoana sakafo ka miteraka aretim-pivalanana sy fanapoizinana ara-tsakafo henjana,
🔸 Typhus murin
Aretina entin’ny parasy avy amin’ny voalavo.
🔸 Fièvre ateraky ny kaikitry ny voalavo (Spirillum minus)
🔸 Parasitoses
Kankana sy parasites hafa.
🔸 Allergies sy olana amin’ny taovam-pisefoana vokatry ny fifohana ny vovoka mifangaro amin'ny tay sy amany na roran'ny voalavo dia mety hanaitra asthme na allergies.
🔸 Hantavirus
Virus mety hifindra amin’ny vovoka misy amany na tainy maina ka fohan'ny olona,

😷 TANDREMO fa possible 'zany mihinana ny tainy sy ny amaniny hatramin'ny rorany raha tsy mitandrina an! 🐀🐀🐀

FENOY NY BANGA AO @ COMMENTAIRES AMIN'IREO FOMBA FIAROVANA HEVERINAO HATAO.

🧹 Ny fahadiovana sy ny fisorohana no fanohitra lehibe indrindra amin'izany mantsy.



17/05/2026

🚨 URGENT, azonao tsy zahavana hatramin'ny farany raha tsy revenao! ⏱️🌡️🦽🦼🚑🏦... Ilay resaka...
Misy lien afahana mamaky Texto koa ao anefa... Jereo ao amin'ny commentaire. Dia Mirary soa r'ireto a. 🙏💯📌

😷💯 SAINGY... Na ahoana, na ahoana kosa aloha an!
ILAINA NY FANAOVANA VAKSINY NY ZAZA...

👉MBA hozaraina ity honoran-tsary fanadiadihana momba ny lefakozatra na poliomyélite,
Izay LAUREAT tamin'ny FIFANINANA nokarakarain'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny Ministera misahana ny fahasalam-bahoaka ary ny UNICEF Madagascar; CATÉGORIE PRESSE EN LIGNE

🙏💯 eto ampamaranana, Félicitations ho an'ilay Adala ihany izay nampahamenatra ny hendry! 🏆

Vidéo réalisée par Nirina Lalao Claude RAKOTOMIARINTSOA (Primé)

🎁💯 Hetsika Fitiliana maimaimpoana ny vozon’ny tranonjaza!💖 Tandremo ny fahasalamana!💃🙏 RAVEHIVAVY! Aza atao ambany maso ...
15/05/2026

🎁💯 Hetsika Fitiliana maimaimpoana ny vozon’ny tranonjaza!

💖 Tandremo ny fahasalamana!

💃🙏 RAVEHIVAVY! Aza atao ambany maso tsy hita na ambany foitra tsy zahana ny vozon’ny tranonjaza ho anareo efa misitraka firaisna ara-nofo hampifaliana ny vadinareo.

🕺🙏 RALEHILAHY! Aza variana mamita adidy sy maka fahafinaretana fotsiny fa ento ny olon-tianao hotilina fa tsy mbola misy ny pièces d'occasion na d'origine hasolo ny vozon'ny tranon-jaza raha sendra ahitana homamiadana.

👫🎁 VAOVAO MAHASOA!
fitiliana mialoha no fomba tsara indrindra hisorohana ny homamiadana.
📅 Oviana: 18-19-20 Mey 2026
📍 Aiza: CHRD Itaosy
🔹 Fitiliana ny vozon’ny tranonjaza.
🔹 Fandraisana an-tanana maimaimpoana.

👩‍❤️‍👩 HAFATRA MAHASOA ANAREO.
"Andao hiray hina hiady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza!"

Tageo ny namanareo MAVITRIKA ARA-PANANAHANA fa tena ilainy ito tolotra ito.

☎️ Raha mila fanazavana fanampiny, abonneo ny pejy.



Address

Ampefiloha Bloc 13
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00
Saturday 08:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dr Manitra Rakotoarivony posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share