10/08/2026
✅Amin'izao vanimpotoana izao, efa maro ireo ezaka sy fikarohana natao mba hanamorana kokoa ny fiterahana.
✅Raha tsy hilaza fotsiny isika hoe efa azo atao tsara ny tsy miaritra marary loatra rehefa hiteraka amin’ny alalan’ny antsoina hoe péridurale…
✅Ny fiterahana dia fotoana iray miavaka sy mitaky hery lehibe avy @ reny. Ny fahafantarana tsara ny position de poussée dia anisany manampy be @ fiterahana :
‼️Manamora ny fivoahan’ny zaza
‼️Miaro ny périnée
‼️Ary mampihena ny fahatsapana harerahana.
✅Fa maninona no hoe zava-dehibe tokoa ny resaka position @ fotoana hiterahana?
Ny zavatra mila fantantsika dia @ fotoana hiterahana dia misy muscle maromaro miasa ohatra hoe : ny muscle @ kibo, ny diaphragme, périnée.
✅Ka ny position izay atao rehefa hiteraka no ahafahana mi-sollicité an’ireo muscle ireo ary manamora kokoa ny fidinan’ny zaza sy ny fisokafan’ny bassin ary mampihena ny fanaintainana rehefa misy contraction iny ary miaro ny périnée mba tsy ho rovitra be rehefa manena.
✅Ny zavatra tsara ho fantatra anefa dia tsy misy ilay hoe position tena tsara, fa miankina @ vehivavy tsirairay sy @ izay mampahazo aina azy.
✅Ny tanjona dia hoe iezahina mba ho moramora kokoa ny fiatrehana ny fiterahana, ary samy salama na ny reny na ny zaza ateraka.
✅Ireto ary ny positions de poussée maromaro izay efa fanao any @ tany mandroso :
🔹 1. Position Accroupie (otran’ireny mi-Squat ireny)
‼️Mampiasa ny gravité hampidinana ny zaza,
‼️Mampisokatra bebe kokoa ny bassin, ary mampihena ny tsindry eo amin’ny périnée.
🔹 2. Position à Quatre Pattes
‼️Mampitony kokoa ny fanaintainana ao amin’ny lamosina
‼️Manamora ny fihetsiky ny bassin
‼️Miaro amin’ny déchirure périnéale rehefa hanena.
🔹 3. Position Latérale
‼️Mahazo aina kokoa ny vehivavy rehefa hanena @ ity position ity.
‼️Mihena kokoa ny charge amin’ny périnée, ary manamora kokoa ny oxygénation an’ilay zaza.
‼️Izay ilay mahatonga an’ilay ianareo asaina mihorirana gauche foana rehefa mihetsi-jaza. Fa eto dia azo atao ilay position rehefa hanena.
🔹 4. Position Semi-Assise na Assise
‼️Mampahazo aina kokoa rehefa manomboka vizaka
‼️Manampy amin’ny fidinan’ny zaza tsikelikely.
🔹 5. Position debout ary ny position gynécologique izay mahazavatra antsika
✅Ireo positions de poussée rehetra ireo dia natao kokoa mba hanamorana ny fiterahana, hampihenana ny fanaintainana, ary hiarovana ny périnée. Izay indrindra no ilaina an’ilay préparation à l’accouchement izay ataon’ireo rasazy, ka aza misalasala miresaka @ Rasazy, ny dokotera ny @ izay tokony ho atao.
✅Koa dia mirary soa ny vehivavy rehetra izay miandry andro @ izao fotoana izao. Akao fafiny fa fotoana mamay indrindra eo @ fiainana izany hoe miteraka izany.
👉🏾Inona t@ ireo no efa hitanareo na nataonareo t@ niteraka?
Aza adino ny mizara❤️ (nasiako vidéo eo ambany mba ahitana ireo position noresahantsika ireo).
Dr Tafita Ambinintsoa