13/08/2026
🤰💖 OVIANA IANAO NO TOKONY HANAO TEST DE GROSSESSE? 🩷🩺
❓ Firy andro aorian'ny tsy fahatongavan'ny fadimbolana no tsara hanaovana test de grossesse?
✅ Ny tsara indrindra dia miandry 1 herinandro (5 a 7 andro) aorian'ny daty tokony hahatongavan'ny fadimbolana nefa tsy tonga izany. ⏳
🧪 Nahoana?
Satria amin'izay fotoana izay dia efa ampy ny hormone hCG ao amin'ny urine ka mora kokoa ny ahafahan'ilay test manome valiny marina. ✔️
🌅 Torohevitra:
💧 Ataovy amin'ny urine voalohany maraina ny test satria izy no matetika ahitana hCG betsaka indrindra.
⚠️ Raha négatif ny valiny nefa mbola tsy tonga ihany ny fadimbolanao afaka andro vitsivitsy, dia:
➡️ Avereno indray ny test rehefa afaka 2–3 andro, na
➡️ Mankanesa any amin'ny tobim-pahasalamana 🏥 mba hanaovana fitiliana fanampiny.
💡 Tsarovy: Tsy ny fahataran'ny fadimbolana rehetra dia midika hoe bevohoka. Mety hisy antony hafa ihany koa, toy ny adin-tsaina, fiovan'ny hormonina, na aretina sasany