Fanantenana Fahasalamana

Fanantenana Fahasalamana 🍀Mizara torohevitra ara-pahasalamana ,azo hampiarina isan'andro

Averiko ireto "fikafika" 10 tsara ho an'ny fahasalamana ireto🖇️:1• Na mandro na manasa loha ianao, dia tongotra foana le...
10/09/2026

Averiko ireto "fikafika" 10 tsara ho an'ny fahasalamana ireto🖇️:

1• Na mandro na manasa loha ianao, dia tongotra foana lemana voalohany. Mampilamina fikorianan'ny ra izany. Ka voasoroka ny AVC sy fiakaran'ny tosidra tampoka.

2• Raha misy sinusite ianao dia aza manasa loha amin'ny rano mangatsiaka fa mba amin'ny rano matimaty. Lasa mivaingana ao amin'ny handrina ny ranon-delo ka vao mainka mampijaly anao.

3• Ny fisotroanao rano mahamay 'zay zaka 1,5 - 2 litatra isan'andro dia miaro sy mitsabo aretina maro (alefako eo amin'ny commentaire izany avy eo dia jereo azafady)

4• Ny olona spasmophile (jereo ny fanazavana eo amin'ny coms), dia fady marikivy sy masiaka⛔🍋Fa lasa hijaly amin'ny aretim-bavony eo , dia sady hitombo ny "malaise".

5• Ataovy lavitra anao ny finday, na ataovy mode d'avion mihitsy rehefa matory. Mba hisakanana ny voka-dratsin'ny radiations (ondes) any amin'ny atidoha.
Rehefa mampiasa ordinateur ela, dia asio rano amin'ny kaopy eo anilan'ilay ordi mba hisintonana radiations.

6• Ny olona hiatrika fandidiana sy vao avy nodidiana. Ary ny vehivavy tonga fotoana dia mila mifady tamotamo. Mba hisorohana fandehanan'ny ra be loatra.

7• Zavatra tsara foana sainina. Dia miezaha ho faly foana na sarotra aza izany. Mba ahasalama ny fo sy atidohanao.

8• Aza mametraka sakafo/na rano mafàna amin'ny fitaovana plastique. Mba hisorohana homamiadana.

9• Tsara kokoa n'y siramamy mena(mavo) Raha mitaha amin'ny fotsy

10• Rehefa mifoha mba hipipy amin'ny alina, dia aza miarina avy hatrany. Miandry kely 30 segondra, dia miarina moramora. Mipetraha 30 segondra eo antongom-pandriana. Zay vao mitsangana.



Raha tojo zava tsarotra dia apetraho aminy fa tsy misy zavatra tsy hainy hatao raha mino sy matoky ianao 🙏🙏🙏 🥰🥰 Mirary a...
06/09/2026

Raha tojo zava tsarotra dia apetraho aminy fa tsy misy zavatra tsy hainy hatao raha mino sy matoky ianao 🙏🙏🙏

🥰🥰 Mirary alahady mahafinaritra ho antsika rehetra 😘🎀

💧 FAMANTARANA 5 FA METY MILA MISOTRO RANO BEBE KOKOA IANAO!Indraindray dia mety tsy ho tsapantsika avy hatrany fa mila r...
05/09/2026

💧 FAMANTARANA 5 FA METY MILA MISOTRO RANO BEBE KOKOA IANAO!

Indraindray dia mety tsy ho tsapantsika avy hatrany fa mila rano bebe kokoa ny vatantsika. Ireto misy famantarana tokony hojerena:

1️⃣ Mangetaheta matetika 💦
Ny hetaheta dia iray amin’ireo famantarana tsotra indrindra fa mila rano ny vatana.
2️⃣ Mihamaina ny vava sy ny molotra 👄
Raha mahatsapa fahamainana matetika ianao, mety ilaina ny mampitombo tsikelikely ny fisotroana rano.
3️⃣ Mihamaizina ny lokon’ny p**i 🚽
Ny urine tena maizina dia mety hifandray amin’ny tsy fahampian-drano, na dia mety hisy antony hafa koa aza.
4️⃣ Mahatsiaro reraka na malemy 😴
Ny tsy fahampian-drano dia mety hampitombo fahatsapana havizanana sy tsy fahazoana aina.
5️⃣ Marary loha na misavoritaka 🤕
Indraindray, ny tsy fahampian-drano dia mety hifandray amin’ny aretin’andoha na fahatsapana tsy fahazoana aina.

💡 Aza miandry hetaheta mafy vao misotro rano. Misotroa rano tsy tapaka mandritra ny andro, ary amboary araka ny hafanana, ny asa atao ary ny filan’ny vatanao.

⚠️ Raha mafy na maharitra ny soritr’aretina, na tsy afaka misotro rano ianao, dia tsara ny manatona mpitsabo.

💚 Fanantenana Fahasalamana — Fahasalamana no harena.

👉 Ary ianao? Firy amin’ireo famantarana ireo no efa tsapanao?

"Aza atao tsinontsinona ny ady lalovanao. Raha mbola mijoro ianao anio, dia porofo izany fa matanjaka noho ny olana sedr...
02/09/2026

"Aza atao tsinontsinona ny ady lalovanao.

Raha mbola mijoro ianao anio, dia porofo izany fa matanjaka noho ny olana sedrainao ianao.

Mety ho reraka ianao indraindray, saingy aza kivy, satria Andriamanitra mbola manome hery anao hanohy.

Ny faharetana anio no mety ho fandresena rahampitso. 💪🙏✨

31/08/2026
🌿 Misy fotoana tokony hakantsika aina ,hialana sasatra  kely satria tena mitaky an izany ny vatantsika Hiala amin’ny tab...
27/08/2026

🌿 Misy fotoana tokony hakantsika aina ,hialana sasatra kely satria tena mitaky an izany ny vatantsika

Hiala amin’ny tabataban’ny fiainana.
Hampitsahatra kely ny ahiahy.
Hifoka rivotra lalina.
Ary hankasitraka fa mbola eto isika, mbola manana fotoana, mbola afaka manomboka indray.

Indraindray, tsy mila zavatra betsaka isika… 🌿💧
Mila toerana mangina fotsiny, toerana ahafahan’ny saina miala sasatra sy ny fo mahita fiadanana.

⏩️⏩️ Aza adino ny maka fotoana kely ho an’ny tenanao.
Ny fahasalamana dia tsy ny vatana ihany, fa ny saina sy ny fo koa.

💬 Ary ianao, aiza no toerana mampilamina indrindra ny sainao?

Ny fiadanana ao anaty dia harena tsy voavidim-bola .



❤️ Zavatra 5 hiarovana ny fo🥗 Mihinàna sakafo voalanjalanjaAmpitomboy ny legioma, voankazo, tsaramaso ary sakafo tsy dia...
26/08/2026

❤️ Zavatra 5 hiarovana ny fo

🥗 Mihinàna sakafo voalanjalanja
Ampitomboy ny legioma, voankazo, tsaramaso ary sakafo tsy dia be sira sy tavy be loatra.

🚶 Mihetsiketsaha tsy tapaka
Ny mandeha an-tongotra, manao fanatanjahan-tena maivana na hetsika ara-batana mifanaraka amin’ny vatana dia manampy amin’ny fahasalaman’ny fo.

🩺 Araho tsy tapaka ny tension sy ny siramamy ao anaty rà
Ny tosidrà na siramamy ambony tsy voafehy dia mety hampitombo ny loza ateraky ny aretim-po.

😴 Omeo fotoana ampy hialan-tsasatra ny vatana
Ny torimaso ampy sy ny fitantanana ny adin-tsaina dia anisan’ny fikarakarana ny fo.

🚭 Fadio ny sigara sy ny setroka paraky
Ny fifohana sigara dia mampitombo be ny mety hisian’ny aretim-po sy ny aretin’ny lalan-drà.

👉 Tsarovy: tsy voatery hiandry aretina vao hikarakara ny fo. Ny fahazarana tsara atao isan’andro no iray amin’ireo fomba lehibe indrindra hiarovana azy. ❤️




❌️❌️❌️ TOrohevitra ho an ny vehivavy ngeza sy somary misy kibo Raha olona be kibo na mitombo ny haben’ny kibo no tianao ...
24/08/2026

❌️❌️❌️ TOrohevitra ho an ny vehivavy ngeza sy somary misy kibo

Raha olona be kibo na mitombo ny haben’ny kibo no tianao holazaina, dia tsara ny tsy hifantoka amin’ny “fampihenana kibo” fotsiny, fa hijery ny fahasalamana amin’ny ankapobeny.

Torohevitra azo omena:
🥗 Ahena ny sakafo be siramamy sy be tavy: zava-pisotro mamy, biscuits, sakafo nendasina, fast-food, sns.

🥦 Ampitomboy ny légumes, voankazo, légumineuses ary céréales complètes, arakaraka izay zakany.

💧 Misotroa rano ampy ary ahena ny boissons sucrées.

🚶 Manao activité physique tsy tapaka, ohatra mandeha an-tongotra 30 minitra isan’andro, raha afaka ara-batana.

😴 Matory ampy ary miezaka mitantana adin-tsaina.

⚖️ Raha be kibo noho ny fitomboan’ny lanja, aza manao régime henjana; tsara kokoa ny fiovana tsikelikely sy maharitra.

⏩️⏩️ Raha toa ianao ka mila complément alimentaire équilibré no manala haingana ireo tavy ,toxine, cholestérol amin ny vatana dia afaka manome izanh anao izahay ato.

✳️ Manasa anao hiditra mp

⚠️ Raha mivonto tampoka ny kibo, marary, mafy be, miaraka amin’ny sempotra, mandoa, na misy fihenan-danja tsy fantatra antony, dia tsara manatona mpitsabo fa mety tsy resaka tavy fotsiny.

Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia afaka miantso ny 038 45 191 63 ihany koa .

🩸 DIABÈTE : AZA MIANDRY NY SORITR’ARETINA!Ny diabète dia aretina mety hiseho tsikelikely, ary indraindray tsy dia misy s...
23/08/2026

🩸 DIABÈTE : AZA MIANDRY NY SORITR’ARETINA!
Ny diabète dia aretina mety hiseho tsikelikely, ary indraindray tsy dia misy soritr’aretina mazava amin’ny voalohany.

⚠️ Anisan’ny famantarana mety hitranga: Mangetaheta matetika 💧
• Mip**i matetika
• Mora reraka
• Mihena tsy nahy ny lanja
• Manjavozavo ny fahitana
• Maratra ka ela sitrana

👉 Ny fandrefesana siramamy ao anaty rà dia iray amin’ireo fomba ahafantarana ny toe-pahasalamana.
💡 Aza miandry marary vao mikarakara tena.
Ny fisorohana sy ny fanaraha-maso ara-potoana dia zava-dehibe.

Ny fahasalamana no harena lehibe indrindra.

📩 Raha mila fitaovana fandrefesana na torohevitra momba ny fahasalamana ianao, afaka mifandray aminay.

📲038 45 191 63




🩺 STÉTHOSCOPE Fazzini Double pavillon 💰 15000ar📲 038 45 191 63 🛵 Manao livraison 🚚 Mandefa amin ny faritra
22/08/2026

🩺 STÉTHOSCOPE Fazzini
Double pavillon

💰 15000ar
📲 038 45 191 63
🛵 Manao livraison
🚚 Mandefa amin ny faritra

Address

Antananarivu

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanantenana Fahasalamana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share