Princess Medical Center

Princess Medical Center Nous vous offrons les meilleurs de nous-mêmes pour vos épanouissements physiques, moraux et sociaux

📢📢 Salama e! ireto indray ny échantillon-n'ny produits vaovao atolotra antsika.👉Ilay shampooing repousse cheuveux, à bas...
10/04/2026

📢📢 Salama e! ireto indray ny échantillon-n'ny produits vaovao atolotra antsika.

👉Ilay shampooing repousse cheuveux, à base d'oignons : mampitsahatra ny volo mihintsana, manatevina, manasitrana ny hodi-doha marary izay mahatonga ny volo tsy hitombo tsara, manala angadrano.

👉 Crème coiffante et repousse izay miaro ny volo tsy ho maina sy vakivaky, mitsabo ny hodi-doha marary, manampy amin'ny fanirin’ny volo ihany koa satria à base de gingembre.

👉Glycérine fraîcheur, manitra, manamandina ny tanana sy tongotra simban'ny hatsiaka, manatanora ny hoditra miketrona, ary mety amin'ny hoditry ny zaza ihany koa.

👉Raha ohatra ka hanao soins ( manucure, pédicure,soin du visage, soin à la paraffine) no ho ataonao dia afaka maka rendez vous mialoha!

➡️ Ouverture : Dimanche au Vendredi -9h à 17h

Mp ary izay liana ô!

Salama e!🤗 Astuce vaovao no omena antsika  anio mba hanalana fofo-kelika amin'izao andro mihamafana izao☀️🌡️.Fa mialoha ...
09/10/2025

Salama e!🤗 Astuce vaovao no omena antsika anio mba hanalana fofo-kelika amin'izao andro mihamafana izao☀️🌡️.
Fa mialoha an'izany dia andeha hofantarina aloha ny antony,
💁Ny hatsembohana saika tsy misy fofony saingy rehefa feno bactéries ny hatsembohana dia izay no mampivoaka ny fofona ary mety mahazo antsika rehetra izany.

🛒Ka tsy maintsy hampiasa déodorant na vokatra avo lenta sady lafo vidy ve izany isika 🤔 ?

💡Indro ary ny fomba tsotra hamahantsika ny olana :
-Bicarbonate de soude 1 sotrokely (izay manakana ny fitombon'ny bactéries)
+ Fécule de maïs na maïzena 1 sotrokely (mampihena ny hamandoana )
+Ampiana rano kely ampy ahafangaro azy
+ Diloilo coco na menaka fampiasanao (olive, tournesol, ...) antsasaky ny sotrokely ( mampamandina ny hoditra sy mahamanitra azy )

👉Hosorana in-3 isan-kerin'andro io fangaro io ary mandro maraina sy hariva dia afaka ilay fofona .
Azo sasana amin'ny carbonate sy vinaigre ary savony ihany koa ny akanjo raha misy ilay fofona.

Mirary soa antsika rehetra tompoko 🤗🙏

Miarahaba antsika rehetra ô 😊 !"AUTOMÉDICATION" indray no foto-dresakantsika androany.Ny atao hoe "AUTOMÉDICATION" araka...
13/08/2025

Miarahaba antsika rehetra ô 😊 !
"AUTOMÉDICATION" indray no foto-dresakantsika androany.
Ny atao hoe "AUTOMÉDICATION" araka io fomba fanoratana azy io dia :

☘️Auto-: midika hoe ianao tenanao ihany no manao ilay zavatra.
☘️Médication : milaza ny fanafody ampiasaina hitsaboana aretina na ilay atao hoe "administration des médicaments".
☘️AUTOMÉDICATION= fihinananao fanafody tsy misy "prescription médicale" na "ordonnance", tsy misy diagnostique.
Raha lazaina amin'ny fomba tsotra dia io ilay fomba fiteny hoe "manao dokotera tena" .

Mampidi-doza ny fanaovana dokotera tena satria :
❗ Mitondra voka-dratsy ho anao ilay fanafody (izany hoe misy "effets indésirables") raha sendra tafahoatra amin'ny tokony ho izy. Ohatra: ny fatran'ny paracétamol raha mihoatra dia mahatonga "allergie" sy aretin'aty.
❗Mety hisy ihany koa ilay "interactions médicamenteuse" (izay efa noresahana tany amin'ny publication tany aloha ).
❗ Mety hisy ny atao hoe "échec thérapeutique" izany hoe sady tsy misy fiantraikany ilay fanafody no tsy misy mahasitrana.
❗Antony mampisy ny atao hoe "effets iatrogènes" koa ny fanaovana dokotera tena. "Effets iatrogènes" dia midika fa nohanina ihany ilay fanafody nefa manampoizina.

✅Koa aoka isika hitandrina, azo atao tsara ny manontany ny hevitry ny tomponandraikitry ny fahasalamana, ny tsara indrindra dia manao "consultation" eny amin'ny dokotera 🩺
✅Aleo misoroka toy izay mitsabo 💊🩹

"Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany." — 3Jaona 2
Mirary fahasalamana hoan'ny rehetra ô !😊❤️

Address

III A 561 Antsapanimahazo
Antsirabe Afovoany
110

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261343505931

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Princess Medical Center posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Princess Medical Center:

Shortcuts

Share