Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana

Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana, Health & Wellness Website, Faritra Atsimo Antsinanana, Farafangana.

🌸 FAMPIROBOROBOANA NY FAHASALAMAN'NY ZATOVO SY NY TANORA 🌸Lalàna 2017-043 (Santé Sexuelle et Reproduction)Tontosa nanomb...
20/09/2026

🌸 FAMPIROBOROBOANA NY FAHASALAMAN'NY ZATOVO SY NY TANORA 🌸
Lalàna 2017-043 (Santé Sexuelle et Reproduction)

Tontosa nanomboka ny 17 Septambra 2026 ary maharitra 4 andro ny Adisisika momba ny fampiroboroboana ny Lalàna Laharana faha-2017-043 : ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana eny ifotony (Plaidoyers Multi-sectoriels)

📍 Toerana nanatanterahana:
Tobim-pahasalamana roa ato anatin'ny Distrikan'i Farafangana
✅ CSB1 Vohiposa
✅ CSB2 Vohitraomby

🎯 Tanjona lehibe:
1️⃣ Hanatsarana ny fahazoana sy ny fampiasana ny tolotra* ara-pananahana sy fandrindrana fiainam-pianakaviana ho an'ny zatovo sy tanora
2️⃣ Hanamafisana ny fandraisana andraikitry ny tompon'andraikitra rehetra*, manomboka eny ifotony ka hatramin'ny Faritra Atsimo Atsinanana.

🟢Ireo Tompon'andraikitra nanatontosa izao Adisisika izao dia:

🫴Ny Faritra Atsimo Atsinanana
🫴Ny Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana
🫴Ny Fitaleavamparitry ny Mponina sy ny Firaisankina
🫴Ny Fitaleavamparitry Serasera
🫴Ny Fitaleavamparitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena
🫴Ny tompon'andraikitry ny fahasalamana ara-pananahana ao amin'ny Distrika Farafangana ( SDSP Farafangana)
🫴Ny Mpandrindram-paritry ny FISA sy ny ekipany

❕Fandaharam-potoana:

🎙️Fanentanana an'ireo vahoaka momba ny lohahevitra
🎙️Firesahana lohahevitra maromaro tamin'ny Tanora
🎙️Fifanakalozan-kevitra eny ifotony (Dialogue communautaire) izay namoahana drafitr'asa afahana manatratra tsikelikely ny tanjona sy hanaovana tombana ny asa vitan'ny tsirairay.

👏 Afa-po ny mpisehatra rehetra.

💐Eto dia mitondra ny teny fankasitrahana ny Mpamatsy vola sy mpanohana ara-teknika Ity hetsika ity dia ny FISA amin'ny alalan'ny Tetik'asa WISH 2.

🙏Raha tsy teo ianareo dia tsy tontosa izao.

🫶Ry Tanora, ianareo no anion'ny FIRENENA🇲🇬

📷✍️ Serasera Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

📅 Ny Anio 15 Septambra 2026🔉Tontosa teto Farafangana ny fampiofanana ireo Mpiasan'ny fahasalamana manerana ny Distrika 5...
15/09/2026

📅 Ny Anio 15 Septambra 2026

🔉Tontosa teto Farafangana ny fampiofanana ireo Mpiasan'ny fahasalamana manerana ny Distrika 5 ato anatin'ny Faritra Atsimo Atsinanana ( SDSP et hôpitaux ) momba ny FAMETRAHANA RAFITRA FAMPAHAFANTARANA ARA-ELEKTRONIKA NY FANARAHA-MASO NY FIASAN'NY FANAFODY ( Mise en place d'un système de notification en ligne en pharmacovigilance)

🫴Tanjona:

1️⃣Ahafahan'ireo Mpiasan'ny fahasalamana manao tatitra raha misy tranga manombok'izao
2️⃣Ahafahana manangona ara-elektronika ny antotan'isan'ireo tranga tsy fahazakana fanafody sy ny tranga tsy irina aorian'ny fanaovana vaksiny.

👏 Mankasitraka Ekipan'ny Ministeran'ny Fahasalamambahoaka nampita taminay izao fahalalana izao satria zava-dehibe tokoa amin'ny fanafoanana ny tsaho miely momba ny vaksiny.

🫶Misaotra e Misaotra🙏

📷✍️Serasera Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

🩸MANOME RÀ MANOME AINA 🩸❣️Tontosa soa aman-tsara ny Zoma 11 Septambra 2026 tolakandro tao amin'ny CHRR Atsimo-Atsinanana...
12/09/2026

🩸MANOME RÀ MANOME AINA 🩸

❣️Tontosa soa aman-tsara ny Zoma 11 Septambra 2026 tolakandro tao amin'ny CHRR Atsimo-Atsinanana - Hôpitaly Be Farafangana ny fanomezandrà lehibe nataon'ny ASIEF Atsimo-Atsinanana🏥❤️

🫴Notarihin'ny Filohany Atoa TATA Sema io hetsika feno fitiavana io.

👏Izahay eto amin'ny CHRR Atsimo-Atsinanana dia maneho ny fisaorana sy fankasitrahana lehibe indrindra ho an'ny ASIEF sy ny mpikambana rehetra noho izao fanehoampitiavana ho an'ny mpiray tanindrazana izao.

❤️‍🩹Ny rà nomenareo anio dia ho fanavotana aina maro ho an'ireo marary ato amin'ny Hopitaly.

🫶Misaotra indrindra amin'ny fanoloran-tena sy ny firaisankina! 🇲🇬

📷CE CHRR FARAFANGANA

✍️ Serasera Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

⭕FAHASALAMANA ARA-TSAINA⭕Tontosa tao Vondrozo ny Fanofanana momba ny : Fahasalamana ara-tsaina sy ny Vonjy Taitra ara-ps...
11/09/2026

⭕FAHASALAMANA ARA-TSAINA⭕

Tontosa tao Vondrozo ny Fanofanana momba ny : Fahasalamana ara-tsaina sy ny Vonjy Taitra ara-psikolojika ( Santé Mentale et Premier Secours Psychologiques )

📅Nanomboka ny 08 - 09 - 10 Septambra 2026

Nanofanana mpiasan'ny fahasalamana avy amin'ny:

🟢Distrika Vondrozo : 8 CSB sy 1 CRENI
🟢Distrika Midongy : 3 CSB sy 1 CRENI
🟢 Ekipan'ny TKF

‼️Tanjona:

⚪Hanatsarana ny kalitaon'ny fandraisana an-tanana ny vahoaka iharan'ny herisatra na loza voajanahary sy ny maro samihafa.
⚪ Hanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony indrindra ny fikarakarana ara-tsaina 🧠

🫂 Misaotra Tanan-kavana ho an'ny Fahasalamana TKF izay tontosain'ny MED AIR,CRS,SAF FJKM

🫶Noho ny fanohananareo ara-bola sy ara-teknika no nahafahana nanatontosa izao mba ahafahan'ny vahoaka Malagasy eny ifotony misitraka ity tolotra ara-pahasalamana ity izay tena zava-dehibe indrindra amin'ny fitsaboana

📷✍️Serasera Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

💐Ny ekipan'ny Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Antsinanana dia mirary Zoma mahafinaritra sy faran'ny heri...
11/09/2026

💐Ny ekipan'ny Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Antsinanana dia mirary Zoma mahafinaritra sy faran'ny herin'andro sambatra ho antsika rehetra‼️

🇲🇬 Izaho Malagasy. 🇲🇬

🩸 FANOMEZANDRÀ FIAINANA 🩸Tontosa soa aman-tsara anio Zoma 04 Septambra 2026 ny fanomezandrà lehibe nataon’ny Polisimpire...
04/09/2026

🩸 FANOMEZANDRÀ FIAINANA 🩸

Tontosa soa aman-tsara anio Zoma 04 Septambra 2026 ny fanomezandrà lehibe nataon’ny Polisimpirenena ato amin'ny CHRR Atsimo-Atsinanana - Hôpitaly Be Farafangana* 🏥❤️

Notarihin’ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka Atsimo-Atsinanana io hetsika io, ary anisan’ny hetsika manamarika ny faha-65 taona ny Polisimpirenena Malagasy izany 🇲🇬👮‍♂️👮‍♀️

Ny tanjona :
1️⃣Mamonjy aina
2️⃣Mampitombo firaisankina
3️⃣Maneho fitiavana amin'ny mpiray tanindrazana💪

Koa izahay ato amin’ny CHRR Atsimo-Atsinanana dia MISAOTRA SY MANKASITRAKA indrindra anareo Ry Polisimpirenena malala 🙏

Ny rà nomenareo anio dia MAMONJY AINA ho an’ireo marary mila azy maika.

👉POLISIMPIRENENA : MPIARO, MIASA HO AN’NY VAHOAKA

Miarahaba anareo amin’ity faha-65 taona ity ary mirary soa ho an’ny asa soa atao hatrany! 🎉



📷CE CHRR FARAFANGANA
✍️ Serasera Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana

💯 MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

💢 Fahasalamana ara-tsaina 💢🔊Tontosaina eto Farafangana manomboka androany 2 Septambra 2026 ary haharitra mandritra ny 4 ...
02/09/2026

💢 Fahasalamana ara-tsaina 💢

🔊Tontosaina eto Farafangana manomboka androany 2 Septambra 2026 ary haharitra mandritra ny 4 Andro ny atrik'asa fampiofanana ireo mpampiofana momba ny: "TOHANA ARA-PSIKOLOJIKA sy VONJY TAITRA ARA-PSIKOLOJIKA".

‼️Tanjona ankapobeny :

🟢Fampiofanana ireo mpiasan'ny fahasalamana ho afaka mandray an-tanana sy manome tolotra ireo marefo sy mila tohana ara-tsaina, ahafahan'ny mponina misitraka ny fiainan-tsoa amin'ny lafiny ara-tsaina.

🤝Ny Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana dia mankasitraka hatrany ny Mpiara-miombon'antoka ka nahatanteraka izao atrik'asa izao.

-KAVANA_HO_AN'NY_FAHASALAMANA


📷✍️ Fitaleavamparitry ny Serasera

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

01/09/2026
📢 Distrikan'i VONDROZO 🧑Tontosa nanomboka ny Alatsinainy 24 Août 2026 ka haharitra mandritra ny 5 Andro ny a trik'asa at...
26/08/2026

📢 Distrikan'i VONDROZO

🧑Tontosa nanomboka ny Alatsinainy 24 Août 2026 ka haharitra mandritra ny 5 Andro ny a trik'asa atao amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana eny anivon'ny tobim-pahasalamana mahakasika ny "FANDRAISANA AN-TANANA NY ARETINA TENA MATETIKA MPAHAZO NY ZAZA LATSAKY NY 5 TAONA eny anivon'ny Fiaraha-monina" izay tanterahina ao Vondrozo.

🟢Tanjona ankapobeny :

Ahafahana manara-maso ny fandraisana an-tanan'ny Mpanentana ara-pahasalamana sy ny famenoana ny fitaovam-pitantanana eny anivon'ny Fiaraha-monina.

🙏Ny fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana dia mankasitraka ny ezaka ataon'ny ekipa rehetra sy ny Mpiara-miombon'antoka ka nahatanteraka izao atrik'asa izao.



📷 Coordonnateur INTER_AIDE_Mr_Christian

✍️ Fitaleavamparitry ny Serasera

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

🤱Fahasalama'ny Reny sy ny Zaza👶Tontosaina eto Farafangana manomboka Androany Talata 25 Août 2026 ary haharitra mandritra...
25/08/2026

🤱Fahasalama'ny Reny sy ny Zaza👶

Tontosaina eto Farafangana manomboka Androany Talata 25 Août 2026 ary haharitra mandritra ny 4 Andro ny Atrik'asa momba ny Fanaraha-maso ny Fahafatesan'ny Reny mandritra ny fitondra vohoka ka hatramin'ny 42 Andro niterahany sy ny Zaza ihany koa.

‼️Tanjona ankapobeny:

🟢Famohazana indray ny kaomity isan'ambaratongany manara-maso ny Fahafatesan'ny Reny sy ny Zaza.
🟢Hanafoanana tanteraka ny Fahafatesan'ny Reny sy ny Zaza
🟢Hanatsarana ny fikirakirana ny antotan'isa manomboka eny ifotony miakatra isan'ambaratongany.

🤝Ny fitaleavam-paritry ny fahasalamana Atsimo Atsinanana dia misaotra sy mankasitraka ny Mpiara-miasa rehetra sy ny mpiaramiombon'antoka nahatontosa izao Atrik'asa izao.



📷✍️ Fitaleavam-paritry ny Serasera

💯MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA FIRENENA

Address

Faritra Atsimo Antsinanana
Farafangana

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavamparitry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo-Antsinanana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share