20/02/2026
Samia mailo sy mitandrina daholo
Salama daholo ve o 😁👋
Mirongatra be izao ny bronchiolite amin’izao vanim-potoana akaiky ririnina izao ry ray aman-dreny ka tandremo tsara ny harena kely an😌
👉Fa inona moa Rasazy ilay BRONCHIOLITE ?
Aretin’ny taovam-pisefoana izy io, virus (mikraoba ) no mahatonga azy
❗️Ny mikraoba dia fitambaran’ny « famille » maro be isan’izany ny virus , bactérie, champignons…
👉Iza avy no mety tratran’io aretin’io Rasazy?
Mety ho voan’izy avokoa rehefa sokajin’olona rehetra fa matetika izy io dia amin’ny zaza latsaky ny roa taona no tena somary manahirana kely izay
👉Dia toy ny ahoana indray ny fisehoany?
✅Miantomboka amin’ny sery kely
✅Koaka maina na misy reoaka
✅Maneno ao amin’ny tratra rehefa miaina
✅Miaina mafy sy aingana
✅Mety hanavy na misy hafanana, mety malain-komana sy tsy ampy torimaso na sahirana mihintsy vao mahita tory
👉 Dia inona izany Rasazy ny fanafody hanala an’izy io?
❌Tandremo ny manao « automédication » izany hoe ny manome antibiotique na sirop fantatrao fotsiny hoe manala koaka an’ilay zaza ka tsy nahazoana halalana avy any amin’ny dokoteran-jaza
❌ Tandremo fa tsy azo omena tantely ny zazakely latsaky ny eritaona (tsy mety aloha izany ny méthode grand-mère tantely sy voasary makirana ho an’ny zaza latsaky ny eritaona)
Fisorohana azy no tokony hatao 😌
👉 Ireto avy ary ireo tokony sy tsy tokony hatao ho fisorohana azy
✳️ Manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony alohan’ny hikitika zaza indrindra alohan’ny hampinono sy hikarakara ny sakafony ary avy manolo couche
✳️ Amin’ny maha virus azy dia tsara raha tsy mievona manoloana ny zaza mba tsy hipitika any aminy ny roranao ARY raha voan’ny sery ianao mpitaiza azy dia manaova cache bouche
✳️Asio rivotra foana miditra ao antrano , afaka manao purification kely mihintsy
❗️Tsy voatery mampiasa huille essentielle fa rano mangotraka asiana sira no sokafana atao ao antrano indrindra amin’ny alina
✳️ Diovy matetika amin’ny sérum physiologique na SSI ny oron’ny zazakely ( ho alefa publication mitokana rahampitso ny fomba fanadiovana orona sy fomba fanamboarana sérum physiologique ao antrano 😌 fa ataovy be dia be ny partage mba ho hitan’ny hafa 😁)
‼️Tena tsara raha isakin’ny maraina , alohan’ny hisakafo, alohan’ny atorin’ny zaza no diovina ny orony kanefa kosa raha henonao reny fa jenjina sy misy lelo izy amin’ny fotoana hafa dia azonao atao foana
✳️ Ezaho tsy entina mivaoka amin’ny toerana be olona ny zazakely raha azo atao
✳️ Alaviro azy ny setroka sigara sy charbon ary ny setroka fiara sy izay mety anempotra azy
✳️Ento mandeha dokoteran-jaza izy raha mahamay na raha misy mampisalasala anao reny ary izay zavatra lazain’ny dokotera anao no tanteraho antsakany sy andavany fa tsy izay lazain’ny olona ato amin’ny tambazotra an-tserasera 😌
❌ Matetika mantsy isika alaim-panahy hoe nanao aérosol ny zanaky ny atsy ambadika tamin’izy narary dia andeha ihany koa ho ataoko an’izay ny zazakeliko
❌ Ny aérosol dia misy karazany be dia be ka aleo ny dokotera irery ihany no hilaza izay mety amin’ny zanakao
Mankasitraka antsika rehetra namaky hatramin’ny farany ary dia mirary soa sy fahasalama ho an’ny zazakelitsika ao