Nutrition et bien-être by Tahiana Clario

Nutrition et bien-être by Tahiana Clario Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Nutrition et bien-être by Tahiana Clario, Medical and health, Mahajanga, Tanambao Ambalavato, Mahajanga.

🩺Tahiana Clario | Diététicien
🍏 Expert en nutrition & bien-être
⚖️ Gestion du poids & rééquilibrage alimentaire
🍎Menu adapté selon tout type de maladie chronique
📝Conseils personnalisés pour une vie saine

'info

Indro ary ny Thème horesahantsika voalohany 🥰...Amin'izao an, tena maro ny olona tratran'ity arti-mandoza iray izay fant...
27/01/2026

Indro ary ny Thème horesahantsika voalohany 🥰...

Amin'izao an, tena maro ny olona tratran'ity arti-mandoza iray izay fantantsika ity, koa izany indrindra no hiresahantsika azy androany.❤️

🍏**** Ny DIABETA sy ny SAKAFO
(Diabète et Alimentation) ****🍎

Inona moa ny diabeta? 😅
- Raha azavaina tsotsotra,
Ny diabète dia aretina miseho rehefa miakatra be ny siramamy ao anaty rà. Mitranga izany rehefa tsy ampy ny insuline vokarin’ny vatana, na ihany koa, tsy mahavita mampiasa tsara ny insuline intsony ny vatana.
-Fa inona moa ity insuline insuline foana ty e??? 🤷🏻‍♂️
👉 Ny insuline ndray an, dia hormonina (hormones) vokarin'ny vatana (pancréas) izay manampy ny siramamy hiditra ao anaty sela (cellule) mba hahazoana angovo (Énergie).
❌Raha tsy mandeha tsara anefa io dia mijanona ao anaty rà ny siramamy ka tena mampidi-doza 😱😱😱.

Misy karazany maro maro ny Diabeta, toy ny :
* Diabeta Type 1 (tsy mamokatra insuline ny vatana) sy * Type 2 (tsy mandaitra tsara ny insuline), ary misy koa ny diabeta gestationel izay mandritra ny fitondrana vohoka.🤰

🔴🔴🔴 Nahoana ary no zava-dehibe ny sakafo manoloana ny Diabeta??? 🙆🏻‍♂️
👉🏻Satria ny sakafo no iray amin’ireo fototra lehibe hifehezana ny diabeta. Tsy adino anefa ny fanatanjahan-tena sy ny fitsaboana avy any @ dokotera an.
👉🏻Satria rehefa mahay misafidy ireo sakafo tokony hoanina sy ireo sakafo tokony ho lanjalanjaina ianao , dia mazava hoazy fa :
** Mora kokoa ny hifehezana ny glycémie, 🥰
** Misoroka @ ireo mety ho fahasarotana maro samihafa (fo, voa, maso, lalan-drà) 🥹
** Ary, hitazona lanja ara-pahasalamana, hoan'ny vatanao. 🥰

👉🏻 Noho izany inona ary no tokony hatao hoanao, na misy diabeta ianao na tsisy??? 🤷🏻‍♂️
1- Mahaiza misafidy ny sakafo hoanina 🍏🍎
2- Fadio ny siramamy be 🍬🎂🍞🥔🍩🍯
3- Mihinàna sakafo ara-dalàna sy ara-potoana ⏲️
4- Jereo matetika ny tahan'ny "glucose" 🧑🏻‍⚕️
5- Tandremo ny alkaola sy ny zava-mahadomelina hafa 🍺🚬

“Ny diabeta dia azo fehezina tsara rehefa mirindra ny sakafo, ny fihetsiketsehana ary ny fahazarana andavanandro.”🥰🥰

👉🏻 Aza misalasala miditra mp* fa afaka manome menu diététique hoanareo izahay eto @ pejy ahafahanareo mahafantatra ny sakafo tokony hoanina sy manaraka izany aretina maro samihafa ... 🥰

Zarao fa mety hahasoa ny hafa 🥰
Samia tahian'Andriamanitra daholo 🥰





Address

Mahajanga, Tanambao Ambalavato
Mahajanga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nutrition et bien-être by Tahiana Clario posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share