12/08/2026
Video 356: FANAVAOZANA HO AN'NY VEHIVAVY REHETRA
Mandray anjara amin'ny fanavaozana antsika vehivavy tsy ankanavaka ireo Vehivavy Malagasy manatrika ny Zaikabe faha 18-n'ny Fikambanam-Behivavy Loterana (FBL) ao amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy any Toliara ny 10 - 16 Aogositra 2026.
Misaotra an'i Teolojiana Volahasina Narijaona nanamafy araky ny teny faneva fa ny "Vehivavy efa nahita ny Tompo" (Jaona 20:18a) dia MANDRAY FANAVAOZANA, tahaka ilay Vehivavy Samaritana tsy voatonona anarana, tantaran'i Jaona 4:7-18.
Na dia mpijangajanga sady tsy nanambady aza izy no nihaona tamin'i Jesosy teo am-pantsankana rano dia lasa evanjelisitra nitory an'ilay Mesia na Mpamonjy, voahosotr'Andriamanitra hanafaka sy hanavao ny firenena rehetra, na izay neritreretin'ireo Isiraely ho fahavalo, toy ireo Samaritana aza.
MIOVA avokoa izay mahita ny Tompo, na mpijangajanga, na mpanao kolikoly, na mpangalatra, na mpanompo sampy , na mpialona, na mpiatsaravelatsihy, na ireo ekipa ekipa, hoy hatrany Ramatoa Teolojiana Volahasina Ranaivoson
https://m.facebook.com/story.php?story_fbid=2321987991906044&id=100079948167823&mibextid=ZbWKwL
https://www.facebook.com/reel/1680967073397911?s=yWDuG2&fs=e&mibextid=Nif5oz