Haremiko ny tenako

Haremiko ny tenako Haremiko ny Tenako – Pejy natokana ho an’ny vehivavy manarina ny tenany, mifoha amin’ny ratra ary manorina fiainana vaovao. "Hery. Fahendrena. Fitiavana ny tena."

Oui, oui et 🙂‍↕️
10/06/2026

Oui, oui et 🙂‍↕️

28/05/2026
27/05/2026

Fanontaniana kely androany 👇
Inona no zavatra iray tokony hatsarainao amin’ny tenanao amin’izao ?
❤️ fomba firesaka ?
❤️ faharetana ?
❤️ fifehezan-tena ?
❤️ fitokisana tena ?

Tsy mila tonga lafatra isika.
Fa mila manomboka.

🩷 Haremiko ny tenako

Valio amin’ny commentaire 👇

Tsy ny fiainana no sarotra foana… indraindray isika no mbola tsy vonona hiova.”Misy fotoana isika malahelo, kivy, tezitr...
16/05/2026

Tsy ny fiainana no sarotra foana… indraindray isika no mbola tsy vonona hiova.”

Misy fotoana isika malahelo, kivy, tezitra amin’ny fiainana.

Fa misy fanontaniana iray mila atrehintsika :

“Inona no anjara andraikitro amin’izay iainako ankehitriny ?”

Ny fanovana lehibe dia manomboka amin’ny fandraisana andraikitra kely.

🩷 Haremiko ny tenako 🩷

💬 Question engagement :

Ary ianao, inona ny zavatra tianao ovaina amin’ny tenanao amin’ity volana ity ?

14/04/2026

Que mes pensées me soutiennent, qu'elle soit constructive. Je veux laisser venir les idées 🌷

23/02/2026

🩷 Haremiko ny tenako🩷

Ny andraikitra dia tsy enta-mavesatra.

Fa hasina.
Hasina omen’ny fiainana ahy,
mba hianarako hitondra ny tenako am-pahendrena.
Tompon’andraikitra aho rehefa mahatsiaro fa:
ny teniko dia manana hery,
ny fihetsiko dia mamorona lalana,
ary ny safidiko dia manova ny vintana ananako.

Tsy miandry ny hafa hanitsy ny fiainako aho.
Tsy manome tsiny ny toe-javatra aho.
Fa mijoro amim-pitoniana,
manaiky ny anjara birikiko,
ary mandroso amim-pahatsiarovan-tena.

Satria ny tena hery dia tsy ao amin’ny feo avo,
fa ao amin’ny fanekena sy fanajana ny adidy napetraka tamiko.

Ary ianao,
inona no dikan’ny andraikitra eo amin’ny fiainanao andavanandro?

🩷 Haremiko ny tenako 🩷









09/02/2026

🧎‍♀️‍➡️
Androany aho manampy taona.
Tsy hanisa taona fotsiny,
fa hanisa fahendrena, lesona ary fitahiana.

Misaotra ny lalana nodiaviko,
misaotra ny fanahiko tsy nilaozako,
ary misaotra ny fiainana mbola atolotra ahy.

Amin’ity taom-baovao iainako ity,
mifidy fahazavana aho,
mifidy fandriampahalemana,
ary mifidy ny tenako. 🌿

"HAPPY BIRTHDAY"
✨ Haremiko ny tenako








06/02/2026

🧕 Haremiko ny tenako.

Nisy andro iray tsy nisy tabataba…
fa nisy feo tao anatiko namoha.

Efa ela aho no nanome, niaritra, nangina.
Izaho indray no nanjary vahiny tamin’ny fiainako manokana.

Fa androany, izaho no fidiko.
Tsy noho ny fireharehana,
fa noho ny fanahiko izay mangataka fitsaharana.

Haremiko ny tenako.
Ary amin’izany no ahafahako mitia marina. 🌿







29/01/2026

Omeo fitiavana.

20/01/2026

Manomboka taona vaovao isika izao.
Avelao ny lasa mampalahelo.

Address

Madagascar, Tamatave
Toamasina
501

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Haremiko ny tenako posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category