Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava

Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava DRSP Bongolava (santé), pejy ôfisialy

💉 STRATÉGIE AVANCÉE – CSB I ANKOTRABE📍 DRSP Bongolava – SDSP Fenoarivobe👩🏽‍⚕️🧑🏽‍⚕️ Manatona mivantana ny vahoaka ny ekip...
17/08/2026

💉 STRATÉGIE AVANCÉE – CSB I ANKOTRABE

📍 DRSP Bongolava – SDSP Fenoarivobe

👩🏽‍⚕️🧑🏽‍⚕️ Manatona mivantana ny vahoaka ny ekipan’ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny alalan’ny paikady stratégie avancée, ka manatanteraka ny fanaovam-baksiny eny ifotony.

🎯 Ny tanjona dia ny hahatratrarana ireo olona mbola tsy nahazo vaksiny sy hanamafisana hatrany ny fiarovana ny mponina amin’ireo aretina azo sorohana amin’ny alalan’ny vaksiny.

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA! 🇲🇬

🏥 DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE – CSB II ANDRIAMPOTSY📢 Fanamafisana ny fanentanana ara-pahasalamana eny anivon’ny CS...
17/08/2026

🏥 DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE – CSB II ANDRIAMPOTSY

📢 Fanamafisana ny fanentanana ara-pahasalamana eny anivon’ny CSB

👩🏽‍⚕️🧑🏽‍⚕️ Hamafisina hatrany ny fanentanana sy fampahafantarana ny mponina momba ireo lohahevitra manan-danja eo amin’ny fahasalamam-bahoaka.

🗣️ noresahina nandritra ny fanentanana ny aretina Pesta ary ny Syndrome gripal na aretin’ny taovam-pisefoana mitovitovy amin’ny gripa.

🎯 Ny tanjona dia ny hampitomboana ny fahalalan’ny vahoaka, hampahafantarana azy ireo ny fomba fiarovana sy hisorohana ny fiparitahan’ireo aretina, ary indrindra ny hampandraisana anjara ny tsirairay amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka.

💯 MIARA-MIASA ISIKA HO AN’NY FAHASALAMANA SY NY FANOVANA! 🇲🇬

DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE – CSB II FENOARIVOBE🗓️ 11 Jolay 2026Notanterahina teto amin’ny CSB II Fenoarivobe ny f...
12/08/2026

DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE – CSB II FENOARIVOBE
🗓️ 11 Jolay 2026

Notanterahina teto amin’ny CSB II Fenoarivobe ny fanaraha-maso ny fitantanana ara-bola FBP sy ny Dotation, izay niarahan’ny ekipan’ny EMAD Fenoarivobe sy ny ekipan’ny CSB II Fenoarivobe.

Izao no natao dia ny hanarahamaso akaiky ny fitantanana sy ny fampiasana ireo loharanom-bola, ary ny fanatanterahana ireo drafi-pampandrosoana napetraky ny CSB, mba hiantohana ny fahombiazan’ny asa, ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ary ny fampandrosoana maharitra ny tobim-pahasalamana.

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA 💯

🤝 🇲🇬 DRSP BONGOLAVA📢 Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana Bongolava sy ny Association S...
03/08/2026

🤝 🇲🇬 DRSP BONGOLAVA

📢 Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamana Bongolava sy ny Association Sourire d'Onja La Réunion ho an'ny taona 2026–2028.

🤝 Ho fanohizana ny fanatanterahana ny 3P (Partenariat Public-Privé) dia nohavaozina ny fifanarahana (Convention) eo amin'ny roa tonta.

🤰 Anisan'ny laharam-pahamehana amin'izany ny fanatsarana ny fanaraha-maso ny fitondrana vohoka (CPN) eny amin'ireo CSB lavitra ny renivohitra amin'ny alalan'ny fanaovana échographie ho an'ireo vehivavy bevohoka tonga misafo.

🎓 Nisy ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny fampiasana sy fikirakirana ny échographie, mba hahafahan'izy ireo manome tolotra manara-penitra.

💰 Nifanarahana fa 3.000 Ariary ny saran'ny fanaovana échographie. Ity vola ity dia hoentina: 🔹 Hikojakojana ny fitaovana; 🔹 Hanampiana ireo reny sahirana mila fandidiana mandritra ny fiterahana.

🎁 Ho fanatanterahana izany dia nanohana ny tetikasa ny Association Sourire d'Onja La Réunion, ka anisan'izany:
✅ Fanolorana échographie portable;
✅ Fanomezana indemnité ho an'ireo échographistes;
✅ Fandraisana an-tanana ny frais de déplacement ho an'ireo échographistes mankany amin'ireo CSB lavitra;
✅ Fanohanana ara-teknika ilaina amin'ny fampandehanana ny tetikasa.

🎯 Tanjona: Hampihena ny fahafatesan'ny reny mandritra ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana; 👶 Hiantohana ny fahaterahan'ny zaza velona sy salama; 🌱 Hanatsarana hatrany ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana ho an'ny reny sy ny zaza eto amin'ny Faritra Bongolava.

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA 💯

🇲🇬DRSP BONGOLAVA - SDSP TSIROANOMANDIDY 🇲🇬 🦟 Ho fiarovana ny olona amin’ny Tazomoka, dia nozarana Lay misy ody moka ireo...
30/07/2026

🇲🇬DRSP BONGOLAVA - SDSP TSIROANOMANDIDY 🇲🇬

🦟 Ho fiarovana ny olona amin’ny Tazomoka, dia nozarana Lay misy ody moka ireo miaramila mamita hiraka momba ny fanamboarandalana sy fampandriana fahalemana aty amin’ny RN1 mampitohy Tsiroanomandidy sy Maintirano

👉Ny tanjona hoan’ny fitalevamparitry ny fahasalamana aty Bongolava dia ny hananan’ny olona rehetra fahasalamana

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA 💯

🇲🇬 DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE 🇲🇬🗓️ 27 Juillet 2026📢 Notanterahina teto amin'ny kaominina Ambohitromby ny famorian...
28/07/2026

🇲🇬 DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE 🇲🇬
🗓️ 27 Juillet 2026

📢 Notanterahina teto amin'ny kaominina Ambohitromby ny famoriana Ireo mpivarotra mahakasika ny fivarotana hanimasaka ankalamanjana sy ny fivarotana sakafo lany daty.
Izao hetsika izao dia notarihin'ny lehiben'ny distrika niaraka tamin'ny fitaleavamparitry ny varotra Ary ny fahasalamana.

Nandritra izany no nampahafantarana:
✅ ny fomba fitandrovana ny fahadiovan'ny sakafo;
✅ ny loza ateraky ny fihinanana sakafo tsy manara-penitra;
✅ ny voka-dratsin'ny fihinanana entam-barotra efa lany daty.

Andao hiara-hientana hiaro ny fahasalaman'ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanjifana sakafo azo antoka.

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA. 💯

🇲🇬 DRSP BONGOLAVA – SDSP TSIROANOMANDIDY 🇲🇬💊 FANENTANANA SY HETSIKA HANAFOANANA NY VAROTRA FANAODY ANKALAMANJANA👍Natombo...
20/07/2026

🇲🇬 DRSP BONGOLAVA – SDSP TSIROANOMANDIDY 🇲🇬

💊 FANENTANANA SY HETSIKA HANAFOANANA NY VAROTRA FANAODY ANKALAMANJANA

👍Natomboka nandritra ny tsena Sabotsy lasa teo ny hetsika fanafoanana ireo olona manao varotra fanafody ankalamanjana tao Ankadinondry.

🤝Niara-nanatontosa izany ny mpiasan’ny fahasalamana, ny ekipan'ny Kaominina, ary ny mpitandro filaminana avy amin’ny Zandarimaria (Gendarmerie).

👉Marihina fa efa nomena fampitandremana herinandro mialoha ireo mpivarotra voakasik’izany.

⚖️Misy lalàna sy fepetra mifehy ny fivarotana sy ny fitahirizana fanafody, satria mety hampidi-doza ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fanafody amidy amin’ny toerana tsy ara-dalàna, indrindra raha tsy voatahiry araka ny tokony ho izy ka mety ho simba na tsy hahomby intsony.

👉 Koa manentana ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra rehetra amin’ny fahasalamana mba hiara-hientana sy handray andraikitra amin’ny fanafoanana ny varotra fanafody ankalamanjana any amin’ireo toerana iandraiketan’izy ireo, indrindra mandritra ny andro tsena.

🤝 Marihina ihany koa fa efa misy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny Zandarimaria amin’ity ady amin’ny varotra fanafody ankalamanjana ity amin'ny kaominina rehetra, ary vonona ny hiara-hiasa amin’ny tompon’andraikitra ara-pahasalamana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny hetsika.

💯 MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA! 🇲🇬💪

🇲🇬 DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE 🇲🇬💉 Mitohy ny fanaovam-baksiny MpoxNotanterahina tao amin'ny Distrikan'i Fenoarivob...
20/07/2026

🇲🇬 DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE 🇲🇬

💉 Mitohy ny fanaovam-baksiny Mpox

Notanterahina tao amin'ny Distrikan'i Fenoarivobe ny fanaovana fatra faharoa (2ᵉ dose) amin'ny vaksiny Mpox ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana izay efa nahazo ny fatra voalohany (1ʳᵉ dose). Nandritra izany koa dia nomena ny fatra voalohany (1ʳᵉ dose) ireo mpiasan'ny fahasalamana mbola tsy vita vaksiny. Nahazo tombontsoa tamin'izany ireo mpiasan'ny fahasalamana avy amin'ny SDSP, CHRD ary ireo CSB.

📢 Antso ho an'ny rehetra:
Manentana ireo mbola tsy nanao vaksiny Mpox, ary ireo efa nahazo ny fatra voalohany mba hanatona ny CSB miankina amin'ny fanjakana akaiky azy, araka ny fandaharam-potoana, mba hamitana ny vaksiny.

✅ Ny vaksiny dia miaro ny tenanao sy ny fiarahamonina. Sarobidy ny fahasalamana.

🙏 Arovy ny tenanao.
🤝 Arovy ny hafa.

💯 MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA VAHOAKA. 💯

📍 EMAD Tsiroanomandidy eny ifotony ho fiarovana ny fahasalaman'ny ankizy!🚶Nanatanteraka fanentanana ara-pahasalamana, st...
17/07/2026

📍 EMAD Tsiroanomandidy eny ifotony ho fiarovana ny fahasalaman'ny ankizy!

🚶Nanatanteraka fanentanana ara-pahasalamana, stratégie avancée vaksiny, ary fizarana Vitamine A niaraka tamin'ny ekipan'ny CSB ny ekipan'ny EMAD Tsiroanomandidy, tao amin'ny fokontany Bemangoraka, CR Tsiroanomandidy Fihaonana.

👶 Zaza 136 no tratra. 💉 82 tamin'ireo no "zéro dose", ka nahazo ny vaksiny tokony ho azy. Nisy koa Ireo nisitraka vaksiny miaro amin'ny MPOX.

🫴Mitohy ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony, mba tsy hisy zaza tavela tsy hahazo vaksiny sy mba hiarovana ny fahasalaman'ny mponina.

🙏 Mankasitraka ny ekipan'ny EMAD Tsiroanomandidy, ny CSB ary ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fahombiazan'izao hetsika izao.

💯MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA 💯

🇲🇬DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE🇲🇬🗓️Naharitra roa andro ny R***e T1, izay notanterahina ny 16 sy 17 Jolay 2026 tao am...
17/07/2026

🇲🇬DRSP BONGOLAVA – SDSP FENOARIVOBE🇲🇬

🗓️Naharitra roa andro ny R***e T1, izay notanterahina ny 16 sy 17 Jolay 2026 tao amin'ny Bureau de Santé de District (BSD) izay notarihin’ny EMAD EMAR izay nanao ny tahantsoroka, ny solontenan'ny CHRD, ary ireo Chef CSB manerana ny distrikan'i Fenoarivobe.

🎯Ity r***e ity dia natao handinihana ny zava-bita nandritra ny telovolana voalohany, hamantarana ireo lafiny mila fanatsarana ary hamolavolana paikady entina hiatrehana ireo fanamby amin'ny telovolana manaraka. Fotoana ihany koa izy io hifampizarana ireo fomba fanao mahomby (bonnes pratiques) sy handraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin'ny fanatsarana hatrany ny tolotra omena ny vahoaka.

Vonona ny hanao ny ezaka amin’ny fampandrosoana hatrany ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka ny mpiasan’ny fahasalamana aty amin’ny district Fenoarivobe.

🙏🏽MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA VAHOAKA🙏🏽

✍️ Comm Fenoarivo be

Address

Région Bongolava
Tsiroanomandidy
119

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share