26/08/2026
Ao anatin'ireny hazan-dranomasina sasany dia misy proteinina izay mety tsy zakan'ny vatan'ny olona sasany antsoina hoe "tropomyosine" izay heverin'ny vatana ho zavatra mampidi-doza ka miteraka allergie.
⚠️ Mety hiseho ny:
🔹 Mangidihidy ny hoditra
🔹 Mivonto ny molotra na tarehy
🔹 Marary kibo, mandoa na mivalana
🔹 Sahirana miaina (efa urgence)
💡 Tsy mitovy ny olona rehetra. Misy afaka mihinana fruits de mer tsy misy olana, fa misy kosa tsy mahazaka na dia kely aza.
👨⚕️ Raha sendra sahirana miaina na mivonto be ny tarehy sy ny tenda dia manatòna tobim-pahasalamana haingana.