SDSP Vohemar

SDSP Vohemar Service de District de Sante Publique Vohemar

Fizarana solom-penakoho ho an'ny mpiara-miasa EMAD (Équipe de MAnagement du District)sy ireo zanakin'ny mpiara-miasa ami...
24/12/2025

Fizarana solom-penakoho ho an'ny mpiara-miasa EMAD (Équipe de MAnagement du District)sy ireo zanakin'ny mpiara-miasa amin'ny fankalazagna ny fetin'ny Krismas sy taom-baovao 2026 🌹

Mirary fety sambatra hoatsika rehetra

Vita soa aman-tsara ny panneau d’indication CSB 2 Antsirabe-Nord SDSP Vohemar androany zoma le 19 Décembre 2025, izay vo...
20/12/2025

Vita soa aman-tsara ny panneau d’indication CSB 2 Antsirabe-Nord SDSP Vohemar androany zoma le 19 Décembre 2025, izay vokatry ny fiaraha-miasa ny CCDS sy COSAN ao Antsirabe Nord ihany.
Isaorana manokana ny Ben’ny tanàna ny Commune Rurale Antsirabe-Nord sy ny Chef CSB2 Dr Almoga Floche Théos Rajaonary tamin'ny ezaka jiaby.

‼️Ry Ray aman-dreny, entintsika atao VAKSINY miaro amin'ny homamamiadan'y vozon'ny tranonjaza ny zatovovavintsika 09-14 ...
07/12/2025

‼️Ry Ray aman-dreny, entintsika atao VAKSINY miaro amin'ny homamamiadan'y vozon'ny tranonjaza ny zatovovavintsika 09-14 taona.

📢📢📢Aza adigna fotoanantsika manomboka ny 08-12 desambabra 2025 ho avy izao.

💉Indraiky mitribiky dia voaharo ny tovovavintsika

👇👇👇Bojo izy io aiii

Notanterahina androany sabotsy faha 06 Decembre 2025 teto aminy CEG Vohemar ny fanomezana tolotra ara- pahasalamana maim...
06/12/2025

Notanterahina androany sabotsy faha 06 Decembre 2025 teto aminy CEG Vohemar ny fanomezana tolotra ara- pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra zay nahitana olona miisa 475 nisitraka izany.
Isaorana ny Médecin inspecteur Dr Delta zay nitarika izany, tsy hadino koa ireo mpanohana ny hetsika, toy ny LION’S CLUB sy ny maro samihafa, isaorana koa antsika rehetra tonga nandray anjara.

14 Novambra andro maneran-tany ho an’ny ady atao amin’ny diabeta. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazàna izany ny taty ami...
14/11/2025

14 Novambra andro maneran-tany ho an’ny ady atao amin’ny diabeta. Tsy diso anjara tamin’ny fankalazàna izany ny taty amin’ny SDSP n’ny Vohemar,
Nisy ny kabary niandimbiasan’ireo manam-pahefana ara-pahasalamana, ary nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Dr TOTOBENAZARA Jean Luther zay misolo tena ny Médecin Inspecteur.

119 ny olo nisitraka ny fizahagna Tension sy Diabèta maimaim-poagna ary 13 no voamarigny fa mitondra ny tahan'ny siramamy ambony ary nisitraka fanafody maimaim-poagna teto amin'ny SALFA

Isaorana ny mpanohana ny hetsika sy ny mpandray anjara rehetra tamin’ny fanatontosana izany.

Partenaire:
✔️AMADIA
✔️Lion's Club Vohemar
✔️SDSP Vohemar
✔️SALFA Vohemar

SDSP VOHEMAR eo anilanao hatrany

Hetsika fanaovana fandrindram-pianakaviana maimaimpoana teto ANTANAMIKETRAKA izay notohanan’ny Le Mur Conservation found...
14/11/2025

Hetsika fanaovana fandrindram-pianakaviana maimaimpoana teto ANTANAMIKETRAKA izay notohanan’ny Le Mur Conservation foundations ( LCF), androany kamisy le 14/11/2025 ka vehivavy miisa 100 no nisitraka izany fandrindraham-piterahana (Implanon) izany. Mankasitraka ny mpanohana ny hetsika sy ny ekipa mpanantanteraka avy amin’ny CSB 1 Antanamiketraka.

Tantara mitohy ny "Fahasalamana manatona vahoaka" aty amin’ny SDSP n’ny Vohemar. Notanterahina teto amin’ny FKT Andampik...
13/11/2025

Tantara mitohy ny "Fahasalamana manatona vahoaka" aty amin’ny SDSP n’ny Vohemar. Notanterahina teto amin’ny FKT Andampikely, secteur sanitaire d’Androrona androany talata faha 11 Novembre 2025 ny hetsika, zay notarihin’ny chef CSB U Dr RASOALALA Agthe. Toy izao ny vokatra azo: Olona miisa 51 no nahazo fitsaboana sy nisitraka fanafody maimaimpoana, raha 24 kosa ny zaza nahazo vaksiny sahaza azy, 15 no nahazo Vit A ary vehivavy miisa 2 no nanaraka ny fanabeazana aizana mitohy. Isaorana ny Tompo, ankasitrahana ny chef CSB sy ny ekipany, tsy hadino anatin’izany mankasitraka ny chef Fokontany sy ny vahoaka zay tonga maro nihaino ny fanentanana ara-pahasalamana isan-karazany.

Fahasalamana manatona vahoaka zay notanterahina ara-bakiteny teto amin’ny village Andilana sy Anketraka fokontany Ambaki...
08/11/2025

Fahasalamana manatona vahoaka zay notanterahina ara-bakiteny teto amin’ny village Andilana sy Anketraka fokontany Ambakirano secteur sanitaire Amparibe ny kamisy faha 06/11/25.
Miisa 18 ny zaza vita vaksiny ary 17 ny nahazo Vit A raha 48 kosa no nanatrika ny fanentanana. Ankasitrahana ny ekipa jiaby zay nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izany.

Address

Vohemar

Telephone

+261320299685

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SDSP Vohemar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share