10/08/2022
Tsy maniriniry fotsiny ve ireny vahona « Aloe macroclada » ireny e? 😅 misy fahamarinany fa tsy tanteraka.
Ho valintsika androany ity fanontaniana ity.
Sarotra kokoa ny mamboly sy mikarakara ny Vahona “Aloe macroclada” noho ny “aloe vera” izay fahitantsika matetika. Ny vahona "aloe vera" dia miteraka amin'ny ankapobeny ary tonga dia maniry eo akaikiny eo ny "aloe vera" kely vaovao. Ny Vahona “aloe macroclada” kosa dia tsy mba toy izany fa misy voany ary ireo no angonina sy ambolena mba ahazoana zanany. Isaky ny 2 hatramin'ny 5 taona no mamony ny vahona "Aloe macroclada". Ny fomba fanangonana ny masomboly, ny fomba fitahirizana sy ny fampitsimohana azy dia ifampizarana amin’ireo mpiara-miasa aminay rehetra, ao anatin'izany ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Oniversiten’Antananarivo.
Nandany taona maro izahay nanandrana ny fomba tsara indrindra hambolena ny vahona "Aloe macroclada".
Nampianatra sy nanampy ara-bola olona am-polony sy Fikambanana izahay, mba hampitsimoka ny voa sy hanajary ny toeram-pambolena.
Araho hatrany ny pejy.