CHRD Ankazobe

CHRD Ankazobe Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from CHRD Ankazobe, Hospital, Ankazobe, Antananarivo.

Lozampifamoivoizana namoizana aina tamin’ny lalampirenena faha4 ny marainan’ny Alahady 11 Mai 2025. Fiara mpitatitra nit...
12/05/2025

Lozampifamoivoizana namoizana aina tamin’ny lalampirenena faha4 ny marainan’ny Alahady 11 Mai 2025. Fiara mpitatitra nitondra mpianatra avy @ oniversite tsy miankina iray eny Ambohidratrimo avy nanao voyage d’étude tany Mahajanga no niharandoza ka latsaka tany anaty hantsana rehefa voalaza fa niala lavaka teo anelanelan’Andranofeno sy Borikely. Mpianatra naratra 24 no noraisina antanana teto anivon’ny CHRD Ankazobe ka ny 14 tamin’izy ireo voatery tsy maintsy nalefa niakatra (HJRA sy Anosiala) rehefa nahazo ny fitsaboana vonjy aina sahaza azy tamin’ny alalan’ny Kit d’urgence izay hisaorana ny fitondrampanjakana, niaranisalahy tamin’ny fitondrana azy ireo ny ambulancen’ny hopitaly, ny fiaran’ny SDSP Ankazobe ary ny fiaran’ny tompontsekoly izay Tonga taty antoerana. Ny marary hafa kosa afaka namonjy fodiana rehefa nahazo ny fitsaboana tandrify azy hatrany. Mpianatra 2 moa no maty izay tany amin’ny toerana nitrangan’ny loza ny 1 ary teny andalana hihazo ny hopitaly ny 1. Isaorana ny Médecin inspecteur sy ny ekipany, isaoranay ny teo anivon’ny kaominina Ankazobe notarihan’ny Ben’ny tanàna tamin’ny fifanomezantanana rehetra. Fa isaoranay tomponandraikitry ny hopitaly ireo mpiaramiasa rehetra nanao ny ainy tsy ho zavatra nandray antanana ireo maratra satria tamin’ny 7 ora sasany maraina teo no Tonga ireo niharamboina ary tany amin’ny 2 tolakandro tany ho any vao tena vita ny asa rehetra. Mirary fahasalamana tanteraka ho an’ireo naratra izahay fa indrindra mirary fiononana ho an’ireo fianakaviana namoy havana.

Address

Ankazobe
Antananarivo
108

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CHRD Ankazobe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category