01/04/2025
๐ฃ๐ ๐๐ก๐๐๐๐๐ก๐๐ฅ๐๐ฉ๐ข๐๐
๐ข๐ก๐ข๐ฅ๐๐๐ฆ๐๐ -๐ฃ๐ข๐ง๐ฆ๐๐ก๐ฌ ๐ง๐๐ข ๐๐ก๐๐ง๐ฌ ๐ง๐๐๐ฆ๐๐๐ ๐๐๐๐ฌ ๐๐๐๐๐๐๐๐ฌ ๐๐ฉ๐ฌ ๐ก๐๐ ๐๐๐ฌ ๐ง๐ฅ๐๐ก๐ข ๐ก๐๐๐๐ฆ๐ ๐๐๐ง๐ข๐ก๐๐ฅ๐ ๐๐๐ก๐ ๐ฆ๐ฌ ๐๐๐ข๐๐ข ๐๐ฅ๐ฌ ๐๐ก๐ง๐๐ก๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ง๐ฅ๐
๐Naharay fitarainana ny zandary Ankadidravola Ivato ary nanara-maso ireo taksibe.
๐๏ธ Nitrangana vaky trano mantsy ny 30 martsa teo tao an-toerana.
๐Ireo taksibe mampitohy an'Antananarivo sy Ivato no nojerena akaiky.
๐ฅLehilahy iray no nirongo entana nampiahiahy ka nanontaniana avy hatrany.
๐ฃ๏ธ Nibaboka ralehilahy noho ny tahotra. Notantarainy tamin'ny antsipirihany ny vaky trano nataony ny alin'ny 30 martsa teo.
Gana miisa 04, akoho 02, finday iray ary bisikiletan'ankizy iray no tratra teny aminy.
๐ฅNa entana kely na entambe rehefa halatra dia tsy eken'ny zandary satria mafy tamin'ny tompony ny nihary izany.
๐ฎโโ๏ธMisokatra avy hatrany ny fanadihadiana.