08/09/2023
Miarahaba antsika rehetra🍒
>>> Mangatsiaka ny andro, mihetsika ny areti-nify (indrindra ireo misy goaka)
>>> Maro amintsika no mampiasa avy hatrany ny anti-inflammatoires non stéroïdiens ou AINS (Aspirine, Ibuprofen, Diclofenac)
1) Ny NIFY : mizara telo mazava
✓ Email (bakolinify) : fitambaran'ny Calcium sy Phosphate mba hanome ny antsoina hoe "cristaux d'hydroxyapatite" (iny fotsifotsy iny)
✓ Dentine (ivoire): Misy ny foto-nify (couronne et racine)
✓ Pulpe dentaire: misy ireo Nerfs sy Vaisseaux sanguins (éléments nourriciers)
=> Ireo rehetra ireo mipetraka eo ambonin'ny Parodonte (akanjo nify)...
2) Ny ATIVAVA : toerana tian'ny microbes indrindra amin'ny vatana...
✓ satria misy ny singa ilain'izy ireo (température, humidité)
✓ ahitana microbes maro tsy miteraka (commensaux) na miteraka aretina (opportunistes) rehefa mikorontana ny vatana...
3) Ny mahatonga ny ARETINA : rehefa tsy voakarakara ny ativava (tsy voadio, misy paraky)...
✓ Manomboka mandavaka ireo microbes opportunistes (Streptococcus mutans...) ka manome ny "Carie" eo amin'ireo "couche dentaire" ka toy izao no fambara sy fisehony raha toa ka eo amin'ny:
✓ Email (tsy maharary) fa tâche (blanche ou brune) fotsiny...
✓ Dentine (tsy mahazaka mangatsiaka, mafana, mamy, asidra) ny nify iray...
✓ Pulpe (mahazo ny nerfs), toy ny hoe maharary daholo ny nify rehetra...
4) Ny Anti-inflammatoires (AINS) : manakana ny Inflammation (izay fitaovana ampiasan'ny vatana ireo "cellules de défense" mba iadiana amin'ny microbe)...
✓ raha sakanantsika ny "inflammation" dia manome vahana ny microbe izany...
✓ AINS : ankoatran'ny fanakanana ny "inflammation" dia manatsora Rà (anti-agregant plaquettaire) ihany koa izy ka mety hanome "risque hémorragique"...
5) Inona ary no tokony atao?
✓ Diovy hatrany ny ati-vava
✓ Ny microbes no tokony iadivana fa tsy ny "cellules de défense" noho izany Antibiotique (Amoxicilline) no tokony ho hanina...
✓ Raha maharary dia tsy AINS no hanina fa Antalgique (Doliprane, Paracétamol)
✓ Rehefa avy nampiasa antibiotique ka tsy marary intsony izay vao manala ny nify hita fa tena goaka...
=> Dieny mbola tsy simba ny nify dia karakarao tsara mba tsy ho tonga amin'ny "stade de Carie"....
_antsika
🍒