07/05/2024
Voantsangana anio 7 Mai 2024 ny AMBC na rafi-piantohana ara-pahasalamana tantanin’ny vondron’olona ifotony ho an’ny sehatra tsy manara-drafitra (secteur informel) eto anivon’i Distrikan’i Ambositra Faritra Amoron’i Mania. Mitohy mandritra ny telo andro amin’ny fampiofanana ireo mpikambana sy ny tompon’andraikitra voafidy hitantana izany ny atrik’asa.
Natrehan’ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny izao fananganana ny ny rafi-piantohana ara-pahasalamana tantanin’ny vondron’olona ifotony eto Ambositra izao: ny Filohan’ny Delegasionina Manokana ny Kaominina Ambonivohitra Ambositra, Prefet an’ Ambositra, Sekretera Jeneraly ny Faritra Amoron’i Mania, Talem-paritra ny Asa , ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana, Talem-paritra ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Ny Filoha nationaly ny sehatra tsy manara-drafitra, ireo solontenam-paritra ny sehatra tsy manara-drafitra, ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny solontenan’ny Ministeran’ny Asa , ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana sy ny mpiaramiombon’antoka.
MSANP
CA-CSU
OIT