MCD Global Health Madagascar

MCD Global Health Madagascar ONG Internationale

03/06/2026

Equatorial Guinea has officially launched Guinea Salud, an AI-powered, WhatsApp chatbot developed by our Bioko Island Malaria Elimination Project! The launch marks the first initiative of its kind in Equatorial Guinea and a step forward in digitally transforming the national health system.

👉Learn more about our project: https://loom.ly/5pSgesE

03/06/2026

💉 Tsy misy fandrosoana maharitra raha tsy salama ny ankohonana.
â„čNy ankohonana iray tsy mandroso fotsiny satria maniry fiainana tsaratsara kokoa, fa mandroso satria mametraka ny fahasalamana ho laharam-pahamehana.
✅Ary anisan’ny fiarovana lehibe indrindra ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana ny Vaksiny. ❀

22/05/2026
Rehefa miaro ny zanany ny fiarahamoninaTao amin’ny Fokontany Ifarihy, kaominina Ankaraobato, distrikan’Antananarivo Atsi...
22/05/2026

Rehefa miaro ny zanany ny fiarahamonina

Tao amin’ny Fokontany Ifarihy, kaominina Ankaraobato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, maro ireo zaza sy ankizy mbola tsy nahazo vaksiny (“zĂ©ro dose”) sy tsy ampy vaksiny (“sous-vaccinĂ©â€) noho ny fahasahiranana sy ny tahotry ny ray aman-dreny ka tsy nahafahan’izy ireo nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana ifotony. Tsy fahampian’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fahatsapana ho voahilika no isan’ny olana lehibe nisy teo amin’ireo fiarahamonina tao anatin’ny Fokontany Ifarihy.
Mba hamahana izany dia nanatanteraka fomba fiasa mifototra amin’ny fiarahamonina ny OSC MCDG/GH niaraka tamin’ny fanohanan’i GAVI, dia ny Vaccination PilotĂ© par la CommunautĂ© (VPC) na Fampanaovana Vaksiny tarihin’ny Fokonolona. Nampandraisina anjara, vokatry ny fanairana natao azy ireo, ireo mpitarika sy olona itokisan’ny mponina mba hitady sy hanentana ireo ankizy tsy na latsaka vaksiny. Vokatr’izany, ankizy miisa 28 tamin’ireo tokantrano 31 no vita vaksiny, ka 17 tamin’ireo dia ankizy tsy ampy vaksiny.
Ankehitriny, niova ny fomba fijerin’ny ray aman-dreny : tsy fahamenarana intsony ny fanaovana vaksiny fa lasa mariky ny fiarovana sy ny fitiavana ny zanaka. Mampiseho ity tantara ity fa rehefa miray hina ny fiarahamonina dia afaka miaro ny fahasalaman’ny ankizy sy namerenana ny fahatokisana very.
Fijoroana vavolombelona avy amin’ny renim-pianakaviana iray
Yasmine Razanampanahy, 31 taona, renim-pianakaviana manan-janaka efatra izay mbola tsy nahazo vaksiny taloha, dia nilaza fa efa very fanantenana tanteraka.
« Za dia efa tsy nanantena intsony hoe mbola ho vita vaccin reto ankizy ireto
 »
(Tsy nanantena intsony aho hoe mbola ho vita vaksiny ireo zanako ireo.)
Ankehitriny kosa dia efa voaaro avokoa ny zanany efatra.
« Raha natao tahaka izao foana izy ity efa ela no vita daholo ny ankizy »
(Raha tahaka izao hatrany no nanaovana azy dia efa vita vaksiny daholo ny ankizy hatramin’izay.)
Ny fijoroany vavolombelona dia maneho fa ny fanesorana ny henatra sy ny tahotra no nahafahan’ny ray aman-dreny niverina natoky sy nirehareha amin’ny fiarovana ny zanany.

Quand une communauté protÚge ses enfants

Dans le Fokontany Ifarihy, commune d’Ankaraobato, district d’Antananarivo Atsimondrano, de nombreux enfants restaient sans vaccination (“zĂ©ro dose”) ou sous-vaccinĂ©s en raison de la prĂ©caritĂ© et de la peur ressentie par les parents, les empĂȘchant d’accĂ©der aux services de santĂ© de base. Le manque de personnel de santĂ© et le sentiment d’exclusion figuraient parmi les principaux dĂ©fis rencontrĂ©s au sein de cette communautĂ©.
Afin de rĂ©pondre Ă  cette situation, l’OSC MCDG/GH, avec l’appui de GAVI, a mis en Ɠuvre une approche communautaire appelĂ©e Vaccination PilotĂ©e par la CommunautĂ© (VPC). À travers un processus de dĂ©clenchement communautaire, les leaders locaux et les personnes de confiance ont Ă©tĂ© mobilisĂ©s pour identifier et sensibiliser les enfants non ou insuffisamment vaccinĂ©s. GrĂące Ă  cette initiative, 28 enfants issus de 31 mĂ©nages ont Ă©tĂ© vaccinĂ©s, dont 17 enfants sous-vaccinĂ©s.
Aujourd’hui, la perception des parents a changĂ© : la vaccination n’est plus vĂ©cue comme une honte, mais comme un symbole de protection et d’amour envers leurs enfants. Cette histoire montre que lorsque la communautĂ© se mobilise, elle peut protĂ©ger la santĂ© des enfants et restaurer la confiance perdue.
Le tĂ©moignage d’une mĂšre
Yasmine Razanampanahy, 31 ans, mĂšre de quatre enfants autrefois zĂ©ro dose, n’avait plus d’espoir.
« Za dia efa tsy nanantena intsony hoe mbola ho vita vaccin reto ankizy ireto
 »
(Je n’espĂ©rais plus que mes enfants puissent ĂȘtre vaccinĂ©s.)
Aujourd’hui, ses quatre enfants sont protĂ©gĂ©s.
« Raha natao tahaka izao foana izy ity efa ela no vita daholo ny ankizy »
(Si cela s’était toujours fait comme ça, tous les enfants auraient Ă©tĂ© vaccinĂ©s depuis longtemps.)
Son témoignage illustre la clé du succÚs : lever la honte pour faire naßtre la fierté.

When a Community Protects Its Children

In Ifarihy village, within the commune of Ankaraobato in the Antananarivo Atsimondrano district, many children remained “zero-dose” or under-vaccinated because of poverty and the fear experienced by parents, preventing them from accessing basic health services. The shortage of health workers and the feeling of exclusion were among the major challenges faced by the community.
To address this issue, MCDG/GH, with the support of GAVI, implemented a community-based strategy known as Community-Led Vaccination (CLV). Through community mobilization, local leaders and trusted community members were engaged to identify and encourage children who were unvaccinated or under-vaccinated. As a result, 28 children from 31 households received vaccines, including 17 under-vaccinated children.
Today, parents’ perceptions have changed: vaccination is no longer seen as a source of shame, but as a symbol of protection and love for their children. This story demonstrates that when a community stands together, it can protect children’s health and restore lost trust.
A Mother’s Testimony
Yasmine Razanampanahy, a 31-year-old mother of four children who were previously zero-dose, had almost lost hope.
“Za dia efa tsy nanantena intsony hoe mbola ho vita vaccin reto ankizy ireto
”
(I no longer hoped that my children could ever be vaccinated.)
Today, all four of her children are protected.
“Raha natao tahaka izao foana izy ity efa ela no vita daholo ny ankizy”
(If things had always been done this way, all children would have been vaccinated long ago.)
Her testimony highlights the key to success: replacing shame with pride and restoring confidence within the community.

22/05/2026

📌🗓 đŸ‡Č🇬Daty lehibe teo amin’ny tantaran’ny Vaksiny teto Madagasikara.
‱ 1898 : Niorina ny "Institut Vaccinogùne" sy "Antirabique" teto Antananarivo.
‱ 1917 : Voafehy tanteraka teto Madagasikara ny nendra noho ny vaksiny novokarina teto an-toerana.
‱ 1976 : Natomboka ny Programa Elargi de Vaccination (PEV).
‱ 2021 : Nampidirina ny vaksiny COVID-19 tamin’ny alalan’ny COVAX.
‱ 2025 : Nampidirina tamin’ny fomba ofisialy ny vaksiny anti-HPV hiarovana amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza.

Vaovao tsara, mankasitraka ny tompon'andraikitra amin'ny fanampahankevitra tahaka izao !
21/05/2026

Vaovao tsara, mankasitraka ny tompon'andraikitra amin'ny fanampahankevitra tahaka izao !

Misaotra ny Minisitera ny Fahasalam-bahoaka sy ny Fitondrana.
Ho an'ny zaza Malagasy sy ho an'ny Reny bevohoka

21/05/2026

💉 Ny vaksiny dia manamafy ny hery fiarovan’ny vatana hiady amin’ny aretina.
✚Miaro ny tsirairay amin’ny aretina izy ary manampy hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina eo amin’ny fiarahamonina.
â„čNoho ny vaksiny dia nihena be, ary misy aza foana tanteraka, ireo aretina nahafaty olona maro taloha.

21/05/2026

💉 đ”žâ„đ”Œđ•‹đ•€â„•đ”ž đ”žâ„€đ•† 𝕊𝕆ℝ𝕆ℍ𝔾ℕ𝔾 𝔾𝕄𝕀ℕ’ℕ𝕐 𝕍𝔾𝕂𝕊𝕀ℕ𝕐
â„čNy vaksiny dia miaro amin’ireo aretina mampidi-doza.

✅ Ny fanaovana vaksiny ara-potoana dia miaro ny zaza sy ny fiarahamonina manontolo.
đŸ‘šâ€đŸ‘©â€đŸ‘§â€đŸ‘Š Vaksiny anio, fiainana salama rahampitso.

✚Tsy Resaka vintana akory ny Fahasalamana.

21/05/2026

✚Ny vaksiny dia fiarovana sarobidy ho an’ny zanan-tsika.
✚Rehefa manao vaksiny ara-potoana ny zanan-tsika dia miaro azy amin’ny aretina mety hampidi-doza isika.
â„čAza miandry aretina vao hikaroka vahaolana, fa aleo misoroka toy izay mitsabo.
🗓Araho mandrakariva ny tetiandrom-baksiny ny zanan-tsika, satria ny zaza vita Vaksiny dia zaza voaaro amin'ny valan'aretina.

Address

LOT II N 126 C Anjanahary
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00

Telephone

+261202425622

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MCD Global Health Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to MCD Global Health Madagascar:

Shortcuts

Share