DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins

DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins Appui à l'amélioration de la qualité des soins structure rattaché au Ministère de la santé publique

12/08/2026
𝐂𝐇𝐑𝐃𝟏 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐚𝐬𝐚𝐫𝐲 𝐒𝐮𝐝, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧o𝐬𝐲: Fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an'ireo ZokiolonaZo fototra ho an'ny olom-piren...
06/08/2026

𝐂𝐇𝐑𝐃𝟏 𝐀𝐦𝐛𝐨𝐚𝐬𝐚𝐫𝐲 𝐒𝐮𝐝, 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐧o𝐬𝐲: Fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an'ireo Zokiolona

Zo fototra ho an'ny olom-pirenena tsirairay ny fahasalamana.
Mijoro, miahy ny fahasalaman'ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo ratsa-mangaika aminy.

✅ Fizaham-pahasalamana ankapobeny
✅ Fitsaboana ireo aretin'ny taovam-pisefoana
✅ Fizahana sy fitsaboana ny tosi-drà avo
✅ Fitsaboana ireo aretina mitaiza
✅ Fitsaboana ireo aretin'ny vanin-taolana
✅ Fanomezana torohevitra momba ny fitandroana ny fahasalamana sy ny fisorohana ny aretina.

Ampahany amin'ireo tolotra fahasalamana izay nositrahan'ireo Beantitra nanatona ny CHRD1 Amboasary Sud ireo.
Ny hetsika toa izao dia maneho ny finiavana sy ny fanoloran-tenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fitandroana sy fikarakarana tsy ankiato ny fahasalaman’ireo Beantitra.

𝐂𝐇𝐑𝐃 𝐈𝐈 𝐕𝐀𝐍𝐆𝐀𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎: hetsika ara-pahasalamana fandidiana faobe maimaimpoana ny aretina BONGABE (Hydrocèle)📍Mitohy ny ez...
06/08/2026

𝐂𝐇𝐑𝐃 𝐈𝐈 𝐕𝐀𝐍𝐆𝐀𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀𝐍𝐎: hetsika ara-pahasalamana fandidiana faobe maimaimpoana ny aretina BONGABE (Hydrocèle)

📍Mitohy ny ezaka ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fanatanterahana ny Politika Nasionaly sy ny fandaharan'asampanjakana, mba ahafahan'ny vahoaka Malagasy rehetra misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy sahaza ho an'ny rehetra.
Anisan'ny laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana tsy ankiato ny tolotra ara-pahasalamana, ka ao anatin'izany ny fanatanterahana izao fandidiana faobe maimaimpoana ho an'ireo mararin'ny Bongabe (Hydrocèle), izay tanterahina ao Vangaindrano, Faritra Atsimo Atsinanana izao.

🙏🏽Hisaorana ny Mpiasan'ny fahasalamana eo anivon'ny CHRDII Vangaindrano tsy mikely soroka ho fitsaboana ireo mpiray tanindrazana. Tanteraka ity hetsika ity noho ny fiaraha-miasan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS.

🏥 𝐂𝐇𝐔 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐈 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 : tonga maro ireo olona nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny h...
06/08/2026

🏥 𝐂𝐇𝐔 𝐓𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐨 𝐈 𝐀𝐧𝐭𝐬𝐢𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 : tonga maro ireo olona nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana nandritra ny hetsika « Varavarana Misokatra »

Maro ireo vahoaka tonga nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana natolotry ny CHU Tanambao I Antsiranana, anisan’izany ny :
✅ Fizaham-pahasalamana ankapobeny
✅ Fandidiana lipome
✅ Ortho-traumatologie
✅ Fanaovana didim-poitra (circoncision)
✅ Fitsaboana nify sy ativava
✅ Fitiliana VIH
✅ Fitsapana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà (glycémie)
✅Sns.

🙏🏽 Amin’ny alalan’ny hetsika toy izao, dia manamafy ny finiavany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka hampiasa ireo loharano rehetra ananany, na ara-pitaovana na ara-pahaiza-manao, mba hahafahana manome tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka.

𝑹𝒆𝒔𝒚 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑴𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂 𝒊𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒅𝒊𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂...✅ Miara-mientana, miara-man...
05/08/2026

𝑹𝒆𝒔𝒚 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝑴𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒇𝒂 𝒊𝒔𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒕𝒐𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒅𝒊𝒐𝒗𝒂𝒏𝒂...

✅ Miara-mientana, miara-manadio, mandray ny andraikitra tandrify mba hanatsarana ny kalitaon'ny tontolo hiasàna sy hiantohana toerana madio sy milamina, mendrika ho an'ireo rehetra manatona Hopitalim-panjakana.

🙏🏽 Ezaka tanterahina eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, izay mametraka ho laharam-pahamehana ny fisitrahan'ny tsirairay tontolo madio sy manaja ny fenitra ho an'ny tombontsoan'ny rehetra.

📸 Fanehoana an-tsary: Centre Hospitalier de Gynécologie et Obstétrique de Befelatanana (CHU GOB), Centre Hospitalier Universitaire Mitsinjo Betanimena (Toliara), Centre Hospitalier Universitaire Andrainjato (Fianarantsoa)

Address

Enceinte CHU Joseph RASETA BEFELATANANA
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to DGFS Direction Générale de Fourniture des Soins:

Shortcuts

Share