Sopapa Fitia

Sopapa Fitia COACH DE VIE ET PSYCHOTHERAPEUTE Formation des Adultes et des Jeunes

09/09/2026

Tsarava tompoko ô ry ♥️ Bakobako roa ♥️ o
Tsy mahamenatra ny manao ny mety sy mahalala fomba.
Niry RAJAOFALY Manj'art

Tsarava tompoko ô Ry ❤️ Bakobako roa ❤️ ô Mahereza daholo miatrika ny fidiran'ny mpianatra. Ao ny fifandaminana isan-tso...
06/09/2026

Tsarava tompoko ô
Ry ❤️ Bakobako roa ❤️ ô
Mahereza daholo miatrika ny fidiran'ny mpianatra. Ao ny fifandaminana isan-tsokajiny amin'ny fitaovam-pianarana sy ny hoenti-manana amin'ny saram-pidirana sy ny saram-pianarana. Tsy mora ny miatrika izany, ankoatra izay ny fandaminana fotoana hanaterana sy hakana mpianatra n'a n'y garabola na ny efa lehibe kokoa noho ny toe-java-misy satria na isika olon-dehibe ihany koa aza mila mailo sy mitandrina fatratra. Izany indrindra no ankaherezana antsika rehetra.Alao hery ary fa io no harena tsy mety lo ho antoky ny fiainany ao aoriana. 🙏 Mirary fidiran'ny mpianatra milamina sy tony, ho lavitry ny loza sy ny ankaso ary ny sompatra isan-karazany. 🙏
Samia soava tena andriamanitra 🙏
RAJAOFALY Niry Manj'art Sopapa Fitia

Mankasitraka ny Jejoo Magazine Le quotidien des femmes nanasa nanaovana dinidinika mahakasika ny fahasalaman'ny ankizy s...
03/09/2026

Mankasitraka ny Jejoo Magazine Le quotidien des femmes nanasa nanaovana dinidinika mahakasika ny fahasalaman'ny ankizy sy ny Zaza amin'izao fidiran'ny mpianatra izao, hisorohana ny mety ho fiantraikan'ny ratra anatin'ny Ray aman-dReny amin'ny zanany.

JejooMag_Ed.26_Une enfance en pleine santé.pdf

31/08/2026

Tsara toerana aki ny Ray aman-dReny 🙏♥️

28/08/2026

Asandratro ny ahy. Malagasy aho ary mirehereha fa Malagasy ♥️
Tarika Elatr'Iarivo Avaratetezana Ambohidroa Ambohimanarina.
Niara-nandihy : RAJAOFALY Niry Manj'art Sopapa Fitia
Kanto ny dihy Malagasy

28/08/2026

Andro Afrikanina ho an'ny Fitsaboana Nentim-paharazana
Journée Africaine de la Médecine Pratique Traditionnelle
🙈🙏Tsy voatery manao tarehy ratsy rehefa miakatra ny feo 🙈🙏

27/08/2026

Omeo hasina ny fanomezam-pahasoavana Malagasy 🙏♥️

27/08/2026

Asandrato ny maha Malagasy antsika.
Salasalao amin'ny fahasoavana andrasanao na fahasalamana tadiavinao ny hasin-tanana omenao ny Mpitsabo nahavonjy anao. Ny ainao no navotany ka omeo lanja sy hasina izay nataony anao. Izay foy, eny, fasalasalao ihany fa indraindray tsy mahaleo ny sarany mihitsy dia mampalahelo ilay olona nitsabo anao sy lany fotoana ary nahafoy ny asany tany amin'ny nisy azy sy ny fahalalany hanampiana sy hamponjena anao. Mirary Soa samia soava tena andriamanitra 🙏❤️ am-pitiavana be ♥️

27/08/2026

Ny kibo tsy mba lamosina 🙏.
Finaritra tafahaona amin'ireo Mpitsabo Nentim-paharazana manerana an'i Madagasikara.

27/08/2026

Fihaonam-bem-pirenen'ny Mpitsabo Nentim-paharazana eto Madagasikara. Notronin'ny solotenan'ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Ministeran'ny Varotra ary ny Ministeran'ny Fikarohana Siantifika ary ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Ministeran'ny Tontolo Iainana.
Izaho moa dia efa Mpikambana anatin'ny LOVASOA SY ANTM.
Asandrato ny maha Malagasy ny Fomba sy ny Fitsaboana Nentim-paharazana.
RAJAOFALY Niry Manj'art Sopapa Fitia

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261331199031

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sopapa Fitia posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category