20/07/2026
👋 " Ny olona mandroso, tia mandalina "
Ho fanatsarana hatrany ny kalitaom-piofanana dia manomana " journée scientifique " ny ivotoeran-pampiofana IFIRP ANALAMANGA, hetsika iray mbola tafiditra anatin'ny fankalazana ny Taonjobily faha 50 taonan'izany Ivotoerana izany.
🗣️Hozaraina ao ireo voka-pikarohana marolafy, ataon'ireo lalam-piofanana misy. Ao koa ireo fizaram-pahalalana sy fifanakalozan-kevitra iarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa ho enti-miatrika ny 50 taona ho avy .
🔴 Ireo hetsika rehetra mandritra ny fankalazana dia eo ambaniny fiahian-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Prof. RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
✅" Toujours plus de compétences vers l' excellence"
➡️ Manasa anao, manasa antsika, handray anjara, fa miandry antsika rehetra ny IFIRP Analamanga.
📸✍️ IFIRP ANALAMANGA - COMM.
💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.
Difp Msanp
IFIRP Antananarivo Ofisialy