Dr Heriniaina R.

Dr Heriniaina R. ✪ Médecine d'urgences et de catastrophes
✪ Doctorat en médecine

18/08/2026

Manodidina ny 76000 ny isan'ny mitondra ny tsimon'aretina VIH eto Madagasikara! Atokisanao ve i Bertrand sy Pakerety sa hoe tu bois tu meurs, tu ne bois pas tu mourras?

18/08/2026

⚠️ Ny arerahana be loatra dia mahatonga PARALYSIE DU SOMMEIL
➤ Rehefa ny atidoha no mifoha fa ny vatana tsy mifoha !! Io ilay laziantsika hoe voatsindrin'ny mpams

✅ Vahaolana: miaina milamina, fehezo ny fampidirana sy famoahana rivotra amin'ny vava!! Hitanao fa mivaha io

18/08/2026

Fitoriana fitiavana manombok'izao: mangetaheta anao aho! Satria 70% ny vatana RANO avokoa, afatsy ireo mila ady amin'i dokotera, ny an'ireo 40% na jus na labiera 😒
Ndeha misotro RANO aloha😒

17/08/2026

🇫🇷 Ce n'est pas votre pointure
🇲🇬 Anaovanao in-droa iny tonga dia atonona tsara, tena natao ho anao mihitsy

17/08/2026

Firy anaka ianao? Sa firy ny sipanao? Sa hoe izay mahasoa ataon'Andriamanitra ?

17/08/2026

Alatsinay be nanahary dia laozana michahondrahondra eo vao mifoha😒 RANO ‼️

❌ Ity hoe manavy dia miotra ity eh 😒😒😒 Bon, tsy reraka aho mamerina 😒 fa tsy misy hoe FOLAKA dia manavy izany ‼️ Ity iza...
16/08/2026

❌ Ity hoe manavy dia miotra ity eh 😒😒😒
Bon, tsy reraka aho mamerina 😒 fa tsy misy hoe FOLAKA dia manavy izany ‼️

Ity izao, zaza tsy manan-tsiny, 5 taona, narary kibo sy nivalana teny dia notehirizina, nomena fanafody mampijanona fivalanana ( IZAY TENA FADY RAHA TSY NY DOKOTERA NO MANOME AZY) satria tsy hainao ny anton'ilay mampivalana!!

➤ Rehefa tsy nety sitrana ny fivalanana, ilay zaza efa tena nahia be, dia lasa NANAVY!! Dia hoe FOLAKA HONO, nentina mpanotra!! Ny kibo amin'io mbola marary 😒

➤ Rehefa tena tsy sitrana sy efa ambavahoanan'ny fahaketrahana ianareo izay vao tonga manantona dokotera!! (Izaho aloha dia mananatra ary tsy ho reraka 😒 matoa tonga dia mahatoky ny asako izany dia aleo aho hanoro anao ny zava-misy)

➤ Natao ny analyse maro, ny SCANNER dia nampiseho fa 𝙈𝙄𝙎𝙔 𝙉𝘼𝙉𝘼 𝙉𝙄𝙁𝙊𝙍𝙊𝙉𝘼 𝘼𝙊 𝘼𝙈𝙄𝙉'𝙉𝙔 𝘼𝙏𝙄𝙉'𝙄𝙇𝘼𝙔 𝙕𝘼𝙕𝘼

❌ Ny antony, satria TSY MANASA TANANA, dia misy parazita mitombo anaty kibo ka nampivalana azy, avy eo rehefa tsy voatsabo iny dia tonga tany amin'ny ATY

😒 Izao tsy maintsy MIDIDY amoahana ilay NANA!!
👍 Ny mpiray tampoho sy ny iray trano dia nomena fanafody avokoa satria areti-mifindra ity 😒

✅ Ny anatra:
➤ Tsy misy hoe manavy = folaka 😒
➤ Indroa isantaona isika no tokony hanala kakana, raha zaza milalao vovoka sy mihinana izao rehetra izao dia isaky ny 3 volana
➤ Aza andrasana ela ny aretina vao mandeha dokotera!
➤ Fadio ity mihinana fanafody ity satria hoe i anona nivalana dia nomen'i radoko an'ito dia sitrana, dia ndeha koa manao 😒😒😒 ho avy ny sazinareo

✍️ Dr Heriniaina R.
❤ Zarao raha mahasoa
👍 Aza adino ny réaction ary araho ny pejy raha mahaliana anao ny resaka fahasalamana

15/08/2026

Nisy olona niresaka tamin'ny namana akaiky ahy nadefasany emoji 😒, dia hoy ilay olona hoe fa maninona hono izy no nandefasana Dokotera Heriniaina, Iza aminareo ato ilay olona fa misy resaka tiako atao aminy 👀

😒 Iza no tsy hiova eo eh 😒
15/08/2026

😒 Iza no tsy hiova eo eh 😒

15/08/2026

Tambavy maha lehibe an'i DANGÔBE 😒 dia hoy aho 𝙝𝙤𝙚 𝙘𝙤𝙪𝙘𝙤𝙪 𝙞𝙣𝙨𝙪𝙛𝙛𝙞𝙨𝙖𝙣𝙘𝙚 𝙧𝙚́𝙣𝙖𝙡𝙚 𝙨𝙮 𝙝𝙚́𝙥𝙖𝙩𝙞𝙩𝙚 𝙩𝙤𝙭𝙞𝙦𝙪𝙚

Lero hatramin'ilay tavoangy 😒

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Dr Heriniaina R. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Dr Heriniaina R.:

Shortcuts

Share

Category