09/09/2026
Fantatrao ve fa ny gana ihany koa dia mety ho voan'ny aretina pneumonie?
Ny gana dia mora voan'ny aretin'ny taovam pisefoana, ary ny pneumonie no iray amin'ireo mampidi-doza indrindra ho azy.
Inona ny mety mahatonga izany?
-Mangatsiaka
-Mando foana ny tranony
-Vovoka sy rivotra maloto
Ahoana ny fisehony?
-Mikohoka sy malain mihetsika ilay gana
-Sempotra izy
-Mivonto ny lohany sy ny tendany
Rehefa mahita iray amin'ireo soritr'aretina ireo dia tsara raha manantona vétérinaire akaiky
Cabinet vétérinaire d'Antehiroka