08/08/2026
Salama e 🥰
Ahoana no hanomanana ny zoky lahy na zoky vavy handray ny zandry vao teraka?
Izay ndray no resahan-tsika Kely androany
Ny fahatongavan'ny zaza vao teraka dia dingana lehibe ho an'ny fianakaviana manontolo, anisan'izany ny zoky lahy na zoky vavy.
Hevitra tsotra hanampiana azy hiatrika tsara izany fiovana izany
🗣️ Resaho aminy ny momba ilay zaza Hazavao aminy amin'ny teny tsotra izay hitranga, ary valio amim-pahatsorana ny fanontaniany.
🤝 Ampandraiso anjara izy Avelao izy handray anjara amin'ny fanomanana, toy ny fisafidianana akanjon'ny zaza, fanamboarana ny efitrano, na fanomanana ny entana ilaina.
📖 Vakio tantara momba ny maha-zoky Ny boky sy tantara dia manampy ny ankizy hahatakatra sy handray tsara ny fahatongavan'ny zaza vaovao.
❤️ Omeo lanja ny andraikiny Ampaherezo izy amin'ny filazana fa mbola manana ny toerany ao amin'ny fianakaviana, ary tena zava-dehibe ny maha-zoky azy.
⏰ Manokàna fotoana ho azy Na alohan'ny hahaterahan'ny zaza na aorian'izany, tohizo ny fanomezana fotoana manokana hiarahana aminy.
Fihetseham-po mety ho tsapany
Mety hahatsapa:
Hafaliana
Mety liana ihany koa
Fientanentanana
Fa mety koa hahatsapa saro-piaro, tahotra na alahelo.
Ara-dalàna avokoa ireo fihetseham-po ireo.
♥️Lakilen'ny fanomanana tsara:
Miresaha aminy amim-pitiavana sy amim-pahatsorana.
Henoy ny fihetseham-pony fa aza atao tsinontsinona.
Ampaherezo sy omeo toky matetika izy.
Asehoy aminy fa mbola tianao tahaka ny taloha izy.
Mahareta, satria mila fotoana izy vao zatra ny fiovana.
👉Tsarovy
Ny zaza mahatsapa fa tiana sy mbola tafiditra ao anatin'ny fianakaviana dia handray amim-pifaliana kokoa ny fahatongavan'ny zandriny, ka hifankatia sy hifankahery ny mpiray tampo.