15/07/2026
🤰Matetika isika no mandre momba ny 𝐝𝐞́𝐩𝐫𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐩𝐨𝐬𝐭-𝐩𝐚𝐫𝐭𝐮𝐦… fa efa nandre momba ny 𝐝𝐞́𝐩𝐫𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐩𝐫𝐞́𝐧𝐚𝐭𝐚𝐥𝐞 ve ianao?
Rehefa bevohoka, matetika ny olona mieritreritra foana fa fotoana mamy be sy feno hafaliana izy. Kanefa, ho an'ny reny sasany, tsy izany velively no zava-misy.
🤰Ny 𝐝𝐞́𝐩𝐫𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐩𝐫𝐞́𝐧𝐚𝐭𝐚𝐥𝐞 dia karazana fahaketrahana mety hitranga mandritra ny fitondrana vohoka. Eny, misy izany, na dia tsy voaresaka matetika aza.
𝐈𝐫𝐞𝐭𝐨 𝐧𝐲 𝐦𝐞𝐭𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐢𝐬𝐞𝐡𝐨𝐧𝐲 :
- Malahelo foana na dia tsy misy antony mazava aza ary tsy mety afaka izany
- Rera-dava, eny fa na dia efa miezaka ny maka aina aza
- Lasa matahotra be foana na miahiahy momban’ny zazakely
- Tsy mazoto intsony, tsy manana fahafinaretana sy fifaliana amin’izay zavatra atao rehetra
- Tsy mahita tory lava fa angoissée
- Mahatsiaro tena ho irery foana ary tsy misy mpanohana
- Misy fotoana ihany koa mahatsapa hoe lasa tsy tiana ilay zaza ao am-bohoka
🤰Tsy midika ho tsy fitiavana ny zaza izany, ary tsy fahalemena ihany koa. Izy io dia zavatra mety hitranga amin’ny reny iray, ary misy antony maro samihafa mety hiteraka azy (ny fiovan'ny hormones, ny adin-tsaina, ny vesatra ara-tsaina, na ny zavatra niainana taloha…).
Fantaro ihany koa fa afaka manantona olona ianao miresaka momba izany mba hahazoana izay fanampiana mifandraika amin’izany. Vonona hanampy anao hatrany ny dokotera, ny sage femme sns ...
🤰Mirary soa !