HIRAK'Hanina.mg

HIRAK'Hanina.mg Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from HIRAK'Hanina.mg, Talatamaty, Antananarivo.

🌿 Miarahaba antsika mpanjifa hajaina rehetra.Mba hahafahanay mandrindra tsara ny fanomanana sy ny livraison amin'ity Ala...
01/08/2026

🌿 Miarahaba antsika mpanjifa hajaina rehetra.

Mba hahafahanay mandrindra tsara ny fanomanana sy ny livraison amin'ity Alahady ity, dia manasa anareo hanao précommande mialoha izahay.
Izany dia hanampy anay hanomana ny sakafo am-pitandremana sy hanatitra azy ara-potoana any aminareo tsirairay avy, sady hiantohana hatrany ny kalitao sy ny fahafaham-ponareo.

🙏 Misaotra indrindra amin'ny fahatokisana sy ny fiaraha-miasa hatrany.
📩 Alefaso amin'ny hafatra miafina ny commande-nao dieny izao, na antsoy ny 034 72 734 40.
HIRAK'Hanina.mg

🌟 FARAN'NY VOLANA MASAKA BE! 🌟Ho anareo izay manana ankizy sy fianakaviana lehibe, te hampifaly ny ankohonana nefa tsy h...
01/08/2026

🌟 FARAN'NY VOLANA MASAKA BE! 🌟

Ho anareo izay manana ankizy sy fianakaviana lehibe, te hampifaly ny ankohonana nefa tsy handany vola be, dia ity no fotoana tsara indrindra!

🍜 OFFRE FAMILIALE DU WEEKEND

💥 70 000 Ar monja dia mahazo: ✅ Snacking 3 au choix ✅ Plats 2 au choix ✅ Soupes 2 au choix
📅 Valable hatramin'ny Alahady ihany.
⚡ Araraoty fa mandalo ihany ity tolotra ity!

Tsy fankafizana sakafo matsiro ihany no ataonao rehefa manafatra ao aminay. Isaky ny mividy sakafo ao amin'ny HIRAK'HANINA.mg, dia mandray anjara amin'ny fanampiana ireo ankizy sahirana hiatrika ny fidiran'ny mpianatra amin'ny taom-pianarana ho avy ihany koa ianao.

❤️ 5% amin'ny commande rehetra dia atokana hanampiana ireo ankizy sahirana amin'ny fitaovam-pianarana sy ny fidirany an-tsekoly.
📞 Commande: 034 72 734 40
🛵 Livraison à partir de 5 000 Ar

"Ny tanana iray tsy mahazo tehaka; rehefa mifandray ny tanana dia mahavita zava-dehibe." 🤝

Misaotra anao mandray anjara amin'ny fanovana ny fiainan'ny ankizy iray, sady mampifaly ny ankohonanao.

Tantara Kely Sendra nipetrapetraka indray hariva eny amin'ny toerana fisakafoanana mahazatra ahy aho indray hariva.Nisy ...
31/07/2026

Tantara Kely

Sendra nipetrapetraka indray hariva eny amin'ny toerana fisakafoanana mahazatra ahy aho indray hariva.Nisy namana teratany vahiny nipetraka irery Téo am table iray ka nanantona azy aho tsy nisalasala dia nipetraka . Hany ka lasa any amin'ny sakafo ny resakay. Nitanisa zavatra tiany izy momba ny sakafo vietnamien Ary voatonony tao ny BO BUN .Ary hoy izy hoe efa ela aho tsy nihinana BO BUN tena amin'ny tsirony original... Ieny , mihinana aho fa mihinana lasary legume , tsy mahita Ilay fraîcheur Ilay mampatsiahy ny tena tsirony hoy izy .
Izaho sy ny fitiavana andrakandrana moa izany dia niteny azy hoe " andao Ary fa anaovako BO BUN ianao dia ho lazainao ahy ny tsirony raha mampatsiahy anao ny tsiron'ny Vietnam "...
"Défi relevé " hoy izy tamin'izay.

Nampiketrika ny lohako ... Nanandrana sauce isan-karazany aho ary Tonga amin'ilay nahafapo ahy .
Ankehitriny ny namana lasa nanao vacances Kely any ivelany fa miandry ny fiverenany aho "hanala fanadinana ☺️" ...

Izy ihany koa no isaorako fa nampiketrika ny lohako, nahafaly ahy nanao fikarohana sy nanatsara sauce hatrany Ary nahatonga ny BO BUN ao anaty carte tsika amin'izao. ( Marihiko fa noho izy no napisy BO BUN anaty carte na dia Mbola tsy nanana recette akory aho tamin'izany fotoana 🙈)

Ankehitriny dia misy hafaliana tsy omby tratra hatrany ny tenako rehefa mandray ny retour avy aminareo hoe " waaaooo"... Na hoe "kaykaykay" n'a koa hoe "aoka r'ise a " 🙏

(Sary andrana nalaina tanaty maizina 😁)
Mialtsu Andria 😉📸💡

🌟 FARAN'NY VOLANA MASAKA BE! 🌟Ho anareo izay manana ankizy sy fianakaviana lehibe, te hampifaly ny ankohonana nefa tsy h...
31/07/2026

🌟 FARAN'NY VOLANA MASAKA BE! 🌟

Ho anareo izay manana ankizy sy fianakaviana lehibe, te hampifaly ny ankohonana nefa tsy handany vola be, dia ity no fotoana tsara indrindra!

🍜 OFFRE FAMILIALE DU WEEKEND

💥 70 000 Ar monja dia mahazo: ✅ Snacking 3 au choix ✅ Plats 2 au choix ✅ Soupes 2 au choix
📅 Valable hatramin'ny Alahady ihany.
⚡ Araraoty fa mandalo ihany ity tolotra ity!

Tsy fankafizana sakafo matsiro ihany no ataonao rehefa manafatra ao aminay. Isaky ny mividy sakafo ao amin'ny HIRAK'HANINA.mg, dia mandray anjara amin'ny fanampiana ireo ankizy sahirana hiatrika ny fidiran'ny mpianatra amin'ny taom-pianarana ho avy ihany koa ianao.

❤️ 5% amin'ny commande rehetra dia atokana hanampiana ireo ankizy sahirana amin'ny fitaovam-pianarana sy ny fidirany an-tsekoly.
📞 Commande: 034 72 734 40
🛵 Livraison à partir de 5 000 Ar

"Ny tanana iray tsy mahazo tehaka; rehefa mifandray ny tanana dia mahavita zava-dehibe." 🤝

Misaotra anao mandray anjara amin'ny fanovana ny fiainan'ny ankizy iray, sady mampifaly ny ankohonanao.

🔥 ALAKAMISY FENO TSIRO SY FANAOVAN-TSOA! 🔥🎁 OFFRE SPÉCIALE ANIO IHANY🛍️ Commande 20 000 Ar na mihoatra 🎉 Mahazoa MAIMAIM...
29/07/2026

🔥 ALAKAMISY FENO TSIRO SY FANAOVAN-TSOA! 🔥
🎁 OFFRE SPÉCIALE ANIO IHANY

🛍️ Commande 20 000 Ar na mihoatra 🎉 Mahazoa MAIMAIM-POANA: 🥟 Pao 5 ➕ 🥟 Sambos 5

❤️ Ary mbola misy antony lehibe kokoa hihinanana ato aminay...
Isaky ny mividy sakafo ao amin'ny HIRAK'HANINA.mg ianao, dia mandray anjara amin'ny fanomanana fitaovam-pianarana ho an'ny ankizy 5 sahirana.

📚 Ny sakafo iray vidianao dia tsy sakafo fotsiny, fa fanantenana, tsiky ary hoavy tsaratsara kokoa ho an'ireo ankizy ireo.
🍜 Mihinàna matsiro. 🎁 Mahazoa cadeau. 🤝 Manaova soa.
📩 Alefaso dieny izao ny commande-nao amin'ny hafatra miafina na antsoy ny 034 72 734 40.
🛵 Manomboka 5000ar

HIRAK'HANINA.mg Sakafo tsara • Fanomezana mahafinaritra • Fitiavana zaraina

🍱 Mitady mpamatsy sakafo ho an'ny mpiasanareo ve ianareo?HIRAK'HANINA.mg dia manolotra sakafo isan'andro ho an'ny orinas...
28/07/2026

🍱 Mitady mpamatsy sakafo ho an'ny mpiasanareo ve ianareo?

HIRAK'HANINA.mg dia manolotra sakafo isan'andro ho an'ny orinasa:
✅ Sakafo malagasy
✅ Sakafo aziatika
✅ Sakafo eoropeanina
✅ Madio sy voaomana amim-pitandremana
✅ Kalitao tsara sy tsiro mahasarika
✅ Aterina ara-potoana

Ny mpiasa voky sy afa-po dia miasa am-pahavitrihana kokoa.

Raha mitady fiaraha-miasa maharitra ho an'ny sakafo atoandro na sakafo isan'andro ny orinasanareo, dia mifandraisa aminay dieny izao.

📩 Alefaso hafatra miafina (Inbox)
📞 034 72 734 40
HIRAK'HANINA.mg – Sakafo tsara, serivisy matihanina.

🥢 BOEUF MONGOLE 🥩🌶️Hen'omby malefaka, voahosotra saosy mamy sady masiatsiaka,Mitsonika ao am-bava isaky ny tsako.Ny saka...
25/07/2026

🥢 BOEUF MONGOLE 🥩🌶️
Hen'omby malefaka, voahosotra saosy mamy sady masiatsiaka,

Mitsonika ao am-bava isaky ny tsako.
Ny sakay mena manaitra ny tsiro,
Ny tongolo maitso mitondra hanitra vaovao
Ny saosy manome endrika mamirapiratra
Ary ny sésame mamafy hakanto sy tsiro tsy hay hadinoina.

Tsiro mifandanja, hanitra manintona,
Lovia iray tsy vitan'ny hoe mameno kibo,
Fa mamela faniriana hiverina hisakafo indray.
Ka mampametra-panontaniana hoe "Mbola misy ve? " 🙈🥩🌶️

Sold out Kely ny sambos tsika hoan'ny androany... Oui fantatray fa déçus ianareo indrindra hoan'izay efa zatra maka azy ...
25/07/2026

Sold out Kely ny sambos tsika hoan'ny androany... Oui fantatray fa déçus ianareo indrindra hoan'izay efa zatra maka azy io .
Tsara ho fantatra fa ny sakafo ato amin'ny HIRAK'Hanina.mg dia sakafo frais daholo , izay vita androany dia hatao hoan'ny androany ihany .

Ankehitriny anefa dia fantatray fa efa miha maro ianareo panjifa , misy n'y maka par centaines... Sarotra ny mandaha izany kanefa tsy maintsy tsinjovina ihany koa ireo mpanjifa sasany izay tia hanao dégustation ☺️

Hampirindra Kely Ary izahay anio :
Hoan'izay maka sambos sy nem " amin'ny taonina " 😛😉 dia aleo MBA hatao commande mialoha ( un jour a l'avance) MBA tsy ho tapaka ny stock tsika hoan'izay anao commande manaraka .
Tianay ianareo rehetra mba ho afapo daholo.

Eto izahay dia mankasitraka hatrany anareo amin'ny fahatokisana .

Noho ianareo, ry mpanjifa malala, dia afaka mitsiky indray ny ankizy Malagasy sahirana 5.Tsy sakafo fotsiny no novidiana...
25/07/2026

Noho ianareo, ry mpanjifa malala, dia afaka mitsiky indray ny ankizy Malagasy sahirana 5.

Tsy sakafo fotsiny no novidianareo, fa fanantenana. Tsy vola fotsiny no laninareo, fa hoavy no naorinareo.

Noho ny fahatokisanareo dia efa misy ankizy 5 afaka hiatrika ny taom-pianarana vaovao amim-pireharehana, miaraka amin'ny boky, cahier, pensilihazo, penina , tablier ary ireo fitaovana ilainy any an-tsekoly.

Mety tsy ho afaka hanova izao tontolo izao isika anio, fa afaka manova ny fiainan'ny ankizy 5 isika. Ary mety ho iray amin'izy ireo no hanova izao tontolo izao rahampitso.

Tsy hijanona eto anefa ny ezaka. Hanohy ity hetsika ity izahay hatramin'ny fiandohan'ny volana Septambra mba hahafahana manampy ankizy maro kokoa.

Ny 5%-n'ny commande rehetra ataonareo ao amin'ny HIRAK'HANINA dia hatokana hanampiana ireo ankizy sahirana hiomana amin'ny fidirana an-tsekoly.

Fantatray fa tsy ho vitanay ny hanampy ny ankizy rehetra. Kanefa mino izahay fa ny rano indray mitete mahavaky vato, ary ny asa soa kely ataon'ny tsirairay no mitondra fiovana lehibe.

Mankasitraka anareo amin'ny fonay manontolo izahay noho ny fahatokisanareo sy ny fanohananareo.
Izahay kosa dia hanohy hiezaka isan'andro hanatsara ny sakafo sy ny tolotra atolotray, mba ho mendrika hatrany ny fitokisanareo.

Rehefa misafidy HIRAK'HANINA ianareo, dia tsy mividy sakafo fotsiny... fa mandray anjara amin'ny fanorenana ny hoavin'ny ankizy Malagasy.
Misaotra anareo tamin'ny fo. ❤️

❤️ Satria ianareo be fihantana ...❤️Satria ianareo mamy...❤️Satria ianareo tia mandray anjara amin'ny asa soa...Dia tohi...
24/07/2026

❤️ Satria ianareo be fihantana ...
❤️Satria ianareo mamy...
❤️Satria ianareo tia mandray anjara amin'ny asa soa...
Dia tohizana hatramin'ny Alahady ity tolotra ity. 🎉
Koa satria ny hetsika ataontsika dia natao hanampiana ireo ankizy sahirana tia mianatra, dia am-pitiavana lehibe no hanohizantsika azy. Ny fanohanana rehetra ataonareo dia mitondra fanantenana ho an'izy ireo. 📚💙

🎁 Raha manao commande 70.000 Ar na mihoatra ianao dia mahazo: 🍽️ Plat sy accompagnement 1 maimaim-poana 🥟 Pao au poulet 10 maimaim-poana

💝 5% amin'ny commande rehetra dia hatokana hanampiana ireo ankizy sahirana hiomana amin'ny fidiran'ny mpianatra amin'ny volana Septambra ho avy izao.

🍲 Ny sakafo commande-nao dia tsy sakafo fotsiny, fa fanantenana. Isaky ny commande ataonao dia misy ankizy iray mahatsapa fa mbola misy olona miahy sy mino ny hoaviny. ❤️

🤲 Andao hiaraka hanome tsiky sy hanoratra hoavy mamiratra ho an'ny ankizy Malagasy.
📞 Commande : 034 72 734 40
🚚 Livraison à partir de 5000ar

Address

Talatamaty
Antananarivo
105

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when HIRAK'Hanina.mg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share