21/11/2024
Ho famaranana ny JOBILY FAHA-40 TAONA ny Tobim-pitsaboana Loterana Ambohibao (SALFA/TPLA) dia manolotra ANTSAM-PIDERANA LEHIBE ho antsika rehetra ny Alahady 15 Desambra 2024 ho avy izao izay iarahana amin'ny TANORA MASINA ITAOSY ao amin'ny FLM Toby Betesda Ambohibao.
Hisy sakafo hamidy amin'ny vidiny mirary eny an-toerana amin'io fotoana io.
Koa dia manasa antsika rehetra ho tonga maro ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany!