Centre Hospitalier Universitaire Tambohobe Fianarantsoa

Centre Hospitalier Universitaire Tambohobe Fianarantsoa >

12/06/2026
👨‍⚕️👩‍⚕️ Faly miarahaba ny mpiara-miasa Infirimiera rehetra eto anivon’ny CHU Tambohobe sy manerana ny Nosy amin’izao An...
12/05/2026

👨‍⚕️👩‍⚕️ Faly miarahaba ny mpiara-miasa Infirimiera rehetra eto anivon’ny CHU Tambohobe sy manerana ny Nosy amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Infirimiera izao
🩺 Mirary soa indrindra ary mankahery hatrany amin’ny fanatanterahana ny adidy masina iantsorohana tompoko🙏

[12 MEY - ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY INFIRIMIERA]
‼️ *Infirimiera, fototra iankinan'ny fahasalamana eny ifotony‼️*

👉 “Le pouvoir d’agir des infirmiers sauve des vies.”
Izany no lohahevitra hanamarihana ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Infirimiera amin'ity taona 2026 ity.
📍Fototra iray iankinan’ny rafitra ara-pahasalamana ny Infirimiera satria izy ireo no vavahady voalohany eo amin'ny fandraisana ny marary, eo akaikin’ny vahoaka isan’andro, manome fikarakarana, sy fampaherezana ary fanantenana ho an’ireo manaraka fitsaboana sy ireo fianakaviany.

💫Na anatin’ny fahasarotana aza dia mitoetra ho mpanompo ny aina sy mpiaro ny fahasalaman’ny rehetra hatrany izy ireo.
💥Ny fankalazana izany moa dia tanterahina ao Ambovombe Androy ary fotoana iray hanomezam-boninahitra sy hankasitrahana ny ezaka sy ny fanoloran-tenan’ireo infirimiera manerana an’i Madagasikara, indrindra ireo miasa any amin’ny Faritra lavitra.

👏 Mankasitraka sy manome haja ary hery ireo infirimiera rehetra izay manatanteraka am-pitiavana ny iraka masina sahaniny ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira.

💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.

04/05/2026

Address

Haute Matsiatra (BP 1050 Fianarantsoa CP)
Fianarantsoa
301

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Centre Hospitalier Universitaire Tambohobe Fianarantsoa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Practice

Send a message to Centre Hospitalier Universitaire Tambohobe Fianarantsoa:

Shortcuts

Share

Category