Allô Rasazy

Allô Rasazy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Allô Rasazy, Medical and health, Mahajanga, Majunga.

24/05/2026

❄️🤰 “Reny bevohoka ve ianao ? Ireto misy zavatra tokony hatao mandritra ny ririnina…”

Maro ny reny no mihevitra hoe “mangatsiaka fotsiny io” 😌
Kanefa mandritra ny ririnina dia mora reraka, mora tratran’ny gripa ary mety hihena ny hery fiarovan’ny vatana 🤧

👉 Ireto ary ny tokony ho atao
✅ Misotro rano matetika
✅ Mitafia mafana tsara
✅ Mihinàna sakafo mafana sy mahasalama
✅ Mialà sasatra ampy
✅ Aza mihinana fanafody raha tsy nahazo alalana avy amin'ny ny mpitsabo

⚠️ Raha misy tazo, kohaka mafy, fanaintainana na fahasemporana dia manatona tobim-pahasalamana avy hatrany.

💕 Tsarovy fa rehefa mikarakara ny tenanao ianao dia miaro ny zanakao ihany koa.

📌 Mentionnez une future maman 🤰
💬 Inona no tena mahazo anareo rehefa ririnina ?






20/05/2026

Androany ny dia te hampahery anareo.....💪
....Nefa aleo rapitso tampoka ndray ka 😁😅

Ny fanafody ilain'ny aretiko amin'izao 🥺
19/05/2026

Ny fanafody ilain'ny aretiko amin'izao 🥺

19/05/2026

Mahagaga fa io vola io tsy maintsy banga foana nefa tsy misy nify 🙄

“Tamin’ny fotoana nokekerin-jaza …dia nisy teny nivoaka tsy noheverina hotenenina mihitsy.” 🤍“Tsy vitako intsony…”“Maty ...
09/05/2026

“Tamin’ny fotoana nokekerin-jaza …
dia nisy teny nivoaka tsy noheverina hotenenina mihitsy.” 🤍

“Tsy vitako intsony…”
“Maty za mama…”
“Aza avela irery aho…”
“Tokony tsy nanao an'ity zaza ity…”
"Aty ianao fa ianao ihany no nahatonga an'izao 😅"

Fa ao ambadik’ireny teny ireny,
misy vehivavy iray miady mafy hitondra aina eto an-tany. 🌸
Ny fanaintainan’ny fiterahana dia tsy “caprice”,
tsy “faiblesse”,
fa ady lalovan’ny reny amin’ny vatany sy ny ainy manontolo.
Koa raha misy reny mitaraina rehefa miteraka,
aza tsaraina…
fa tohano, henoy, ary omeo tanana. 🤍

Ary ianao, inona ilay teny noteneninao tamin'ny nokekerin-jaza (mety ho teniteny foana 😅)👶✨

Mora be amintsika ny mitsara olona rehefa efa tara loatra. 🖤“Malemy.” “Tsy tokony nanao an’izany.” “Diso ny safidiny.”Fa...
09/05/2026

Mora be amintsika ny mitsara olona rehefa efa tara loatra. 🖤

“Malemy.” “Tsy tokony nanao an’izany.” “Diso ny safidiny.”
Fa ny tena fanontaniana angamba dia hoe : iza no tena nahatsikaritra ny fahoriany talohan’izay?

Misy olona mitondra ratra tsy hita maso. Miresaka sy mitsiky ety ivelany… nefa potika tanteraka ao anatiny.💔💔💔
Ary indraindray, publication maizina iray, fehezanteny hafahafa iray, na fahanginana tampoka, dia efa antso vonjy.🖤😭

Tsy voatery hanana solution foana isika. Fa farafaharatsiny, mba ho olona azo antsoina rehefa maizina ny sain’ny hafa.
Aza miandry loza vao hiteny hoe : “Fa maninona izy no tsy niresaka?”
Satria mety izy efa niezaka niteny… fa tsy nisy tena nihaino.😭

Tandremo ny teny avoakantsika. Tandremo ny fomba hitsarantsika olona. Satria misy fo sasany, reraka fotsiny… fa tsy ratsy.💔
Ary misy ady sasany, tsy hitan’izao tontolo izao mihitsy.🥺










👩‍⚕️ 5 MAI — Journée mondiale des sage-femmesTsy rehefa misy fiterahana ihany no ilàna an-dRasazy Fa rehefa misy aina at...
05/05/2026

👩‍⚕️ 5 MAI — Journée mondiale des sage-femmes

Tsy rehefa misy fiterahana ihany no ilàna an-dRasazy
Fa rehefa misy aina atahorana.
Rehefa misy reny tsy mahalala izay tokony ho hataony
Rehefa misy zaza mila miaina voalohany.
Ny Rasazy dia tsy “mpanampy fotsiny”.
Izy no eo amin’ilay segondra manasaraka ny aina sy ny fahafatesana

👉 Fa ianao?
Efa nieritreritra ve hoe firy amin’ny fiainantsika no voavonjy noho izy ireo… nefa zara raha tsaroantsika?

💬 Lazao amin’ny commentaire: “Misaotra Rasazy” raha mankasitraka ianao
❤️ Ary tagueo ilay sage-femme iray nahavonjy na nanampy anao

🔥 “ALEO HO TATAKA HO AZY VE SA ALEO TATAHANA ?”Io no fanontaniana mahasarotra safidy rehefa eo am-piterahana…Vehivavy ir...
28/04/2026

🔥 “ALEO HO TATAKA HO AZY VE SA ALEO TATAHANA ?”

Io no fanontaniana mahasarotra safidy rehefa eo am-piterahana…

Vehivavy iray niteraka: efa hita mazava fa tsy ho tafavoaka tsara ny zaza.
Nampiomana ny mpampivelona: “Hotatahako ianao…”
Fa hoy izy: ❌ “Aleo ho tataka ho azy…”

❗ Fa tena tsara kokoa ve izany?
👉 Ny marina:
✔️ Ny tataka ho azy (déchirure) dia mety ho tsy voafehy → mety lalina, tsy milamina, sarotra sitranina , mety hihitatra hatrany amin'ny lava-body
✔️ Ny épisiotomie (tatahana) kosa dia voafehy sy madio → mora tsaboina, ary matetika atao raha misy antony ara-pahasalamana (zaza sahirana, lalan-kivoahana tery, sns)

💡 Tsy midika akory hoe atao foana ny épisiotomie,
fa rehefa ilaina dia mety ho safidy MIARO kokoa noho ny hoe miandry fotsiny ny ho tataka tsy voafehy.

⚖️ Ka inona no tsara indrindra?
➡️ Tsy “izay tianao” na “izay mampatahotra anao”
➡️ Fa izay manome fiarovana indrindra ho anao sy ny zaza

👩‍⚕️ Matokia ny mpitsabo sy ny mpampivelona rehefa manazava izy ireo — satria amin’io fotoana io, segondra vitsy dia mety hanova zavatra betsaka.

Inona ny hevitrao?
👉 Aleonao ho tataka ho azy ve sa manaiky épisiotomie raha ilaina?
💬 Zarao eto ambany ny safidinao sy ny traikefanao!










Rasazy manara-damôdy 😁🙈🤣
27/04/2026

Rasazy manara-damôdy 😁🙈🤣

🤣
26/04/2026

🤣

“TSY NY ARETINA FOANA NO MAMPIDI-DOZA NY ZAZA… FA NY FOMBA FITSABOANA DISO IHANY KOA.”Rehefa marary ny zaza dia matahotr...
24/04/2026

“TSY NY ARETINA FOANA NO MAMPIDI-DOZA NY ZAZA… FA NY FOMBA FITSABOANA DISO IHANY KOA.”

Rehefa marary ny zaza dia matahotra ny reny.
Dia mitady vahaolana haingana:
👉 manome fanafody isan-karazany
👉 manaraka torohevitra avy amin’olona rehetra

Aleo hazava tsara nefa fa
❗ Tsy ny fanafody betsaka no mahasitrana
❗ Tsy ny torohevitra rehetra no azo arahina

📌 Zava-nitranga tena nisy :
Nisy reny iray, nahita ny zanany nisy tazo.
Nomeny fanafody maromaro tao anatin’ny fotoana fohy satria tsy nidina ny tazo.
Vokany?
👉 Niharatsy ny toe-pahasalaman’ilay zaza
👉 Tsy fantatra intsony izay fanafody tena nandaitra na tsia
Rehefa nentina tany amin’ny mpitsabo dia hita fa
be loatra ny fanafody nomena, ka nahasarotra ny fitsaboana.

Ny lesona tsoahina amin'izany
👉 Ny fitsaboana ny zaza tsy mila andrakandramana
👉 Mila fikarakarana marina, voafehy, ary azo antoka

Aza manao zavatra satria “fanaon’ny olona”.
Ataovy satria fantatrao fa mety amin’ny zaza

💬 Efa nisy fotoana ve ianao very hevitra tamin’ny fikarakarana ny zanakao?
🔁 Zarao mba hisorohana hadisoana amin’ny reny hafa

Address

Mahajanga
Majunga

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Allô Rasazy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share