19/06/2026
Notanterahina teto amin'ny CHRR Miarinarivo Itasy nanomboka ny 15 jona ka hatramin'ny 19 jona 2026 ny "renforcement des capacités des techniciens de laboratoire" avy amin'ny Faritra Analamanga, Itasy, Bongolava, Melaky, Vakinankaratra ary Menabe.
Natao izany ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary mizaha fahasalamana eny anivon'ireo laboratoire isaky ny Tobim-pahasalamana.
Ankasitrahina ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon'antoka ary ireo mpandray anjara rehetra niara-nanatanterahana izany.