13/07/2026
LOZA MIHATRA
๐จ"Zaza tsy azo, Ny tranon-jaza nesorina, Ny aina saika nafoy..."
โ
Tantara mampalahelo no sady lesona lehibe ho antsika rehetra ny zava-nitranga.
โ
ramatoa iray sahabo eo amin'ny 28 taona ๐คฐ eo izay efa tsy nahatsiaro tena intsony izy, hatsatra fotsy (anรฉmie sรฉvรจre), ary ny tosi-drร ambany dia ambany.
โ
Natao moa ny famelon'aina vonjy maika ary samy tonga teo daholo ny ekipa rehetra.
โ
Natao haingana ny fitarafana t@ รฉchographie mba ahitana ny mahazo ilay mpiteraka :
โผ๏ธEfa tsy nitempo intsony ny fonโilay zaza tao ankibo.
โผ๏ธFeno rร ny tao anaty kibon'ilay marary
โ
Ny nahazo an'ilay marary?
===>Rupture utรฉrine complรจte (Rovitra tanteraka ny tranon-jaza) avec un choc hรฉmorragiqueโ๏ธโ๏ธ
โ ๏ธโ ๏ธโฐ๏ธUne urgence chirurgicale absolue !!!!!!!!
โ
Tsy niandry ela ny ekipa fa tonga dia nanapakevitra ka nampiditra azy tao aminโny bloc opรฉratoire.
โ
Teo am-panokafana ny kibo, dia mampivarahontsana ny zavatra hita: nitsinkafona tao anatinโny rร ilay zaza efa tsy nisy aina intsony.
โ
Tsy maintsy nesorina ny tranon-jaza (hystรฉrectomie) mba hanavotana ny ainโilay renim-pianakaviana satria efa simba tanteraka izany.
โ
Nampidirana rร teo @ 06 poches de sang ๐ฉธ๐ฉธeo ho eo moa izahay nandritran'ny fitsaboana rehetra.
โ
Rehefa hors danger ary ilay marary ka vita soamantsara ny fandidiana, dia natao ny fanadihadiana t@ fianakaviana mba hahafantarana ny tena zava- nisy tany sy nanazavana ihany koa ny fitsaboana izay natao nanditran'ny fandidiana azy.
โ
Ny renin'ilay zazavavy marary sy ilay RABEBE renin-jaza (matrone) nampiterana azy tany an-trano no nitantara :
โผ๏ธRamatoa efa nandalo fandidiana cรฉsarienne izy 2 taona lasa izay saingy maty ilay zaza tamin'izany , fa efa saro-katerahana avy any ambanivohitra (toeram-ponenany) vao nentina teny amin'ny hรดpital.
โผ๏ธTaminโity indray mitoraka ity kosa rehefa nanomboka nanaiki-jaza ity ramatoa kely dia nisy nanoro hevitra azy tany ivelany tany fa hoe misy RABEBE (izay mipetraka eto andrenivohitra sy ankaiky hรดpital) mahavita mampiteraka voie basse olona efa avy nodidina (OC). Koa dia roboka tokoa nanatona azy.
Ary ny loza dia nampiasana fanafody tsindrona hono ity farany mba hanamorana ny fivoahan'ilay zaza.
โ
Ny vokany? Rovitra ilay tranon-jaza, tsy avotra ny zaza, tsy maintsy nasorina ny tranon-jaza ary saika niafara tamin'ny fahafatesana.
โ
Mampahelo fa tsy afaka ny hiteraka intsony nefa mbola tanora dia tanora sy tsy mbola manan-janaka akory.
โ ๏ธ HAFATRA HO ANAREO RENY BEVOHOKA:
โผ๏ธRaha toa ianao ka efa nisy fandidiana taminโny tranon-jaza (Cรฉsarienne, fanalana fibrome, sns...): dia tsy azo atao ny miteraka any an-trano na any aminโny toerana izay tsy misy bloc opรฉratoire.
โผ๏ธHenoy ny torohevitry ny mpitsabo( sage-femme , Mรฉdecin): tsy hoe kamo na tsy te hivaky loha ny dokotera raha miteny hoe tsy afaka miteraka voie basse intsony ianao fa misy antony izay ary tsy tokony hatao kilalao fa sarobidy ny aina. Izany akory tsy midika hoe dia tsy maintsy hodidiana daholo ny vehivavy rehetra nandalo cesarienne fa misy zavatra maro jerena ka izay vao afaka manapakevitra hoe voie basse sa cรฉsarienne no ho atao.
๐Misaotra an'Andriamanitra fa avotra ilay madama.
๐ฅโ ๏ธ๐ฅSaingy firy ihany koa ireo izay tsy nanana chance tahaka azy fa miala aina eny an-dalana? Firy no tratran'ny toe-javatra tahaka an'io fa dia tsy avotra ny ain'ny reny sy ny zaza?
๐จ๐จSarobidy ny aina, koa mahaiza misafidy izay fanapahan-kevitra azo antoka amin'ny fahasalamanao
"Texte modifiรฉ ร partir d' un cas similaire de Dr Tafita"