11/06/2026
Salama tompoko !
Hiresaka tombony azo avy amin’ny fanaovana tsindrona(injection) isika anio.
Betsaka amin’ny marary no matahotra manao tsindrona, na ankizy izany na Olon-dehibe.
Tsarovy anefany fa tsara lavitra nohon’ny fihinanana pilina(comprimé) ny fanaovana tsindrona, indrindra fa ho an’ny olona marary vavony.
-Tena haingam-piasa sy mahomby kokoa.
-Mivantana any amin'ny rafi-drà avy hatrany, ary tonga dia miasa.
-Mampihena ny risika amin’ny fampiasana sy fihinanana fanafody ho an’ireo olona mety ho mora manadino sy mampifamadika.
Izao kosa anefa, aleo mba ireo nianatra ny fanaovana azy ihany(Dokotera, Infirmiers, sage-femme, aide-soignante) no hampanaovina ny tsindrona mba hialàna amin’ny mety ho risika hafa haterany.
Tsy voatery amin’ny ravim-body ihany akory no atao tsindrona fa mety atao amin’ny toeran-kafa ihany koa, oh : amin’ny fe, sandry, sns …
Aza ampatahorina tsindrona ny zanakareo raha sendra maditra mba tsy hampanahirana amin’ny fitsaboana azy any aoriana raha tojo tsy fahasalamana izy.
Misaotra tompoko !