12/08/2026
Raha hanala nify ary ny vehivavy bevohoka dia mandritry ny telo volana faharoa amin’ny fitondrana vohoka (4 - 6mois) 📅 no fotoana tsara indrindra hanaovana izany.
Amin’io fotoana io mantsy no efa mipetraka tsara ny zaza 👶ao am-bohoka, ary matanjaka kokoa ny Reny 💪.
⚠️ Nahoana no tsy tsara raha amin’ny fotoana hafa?
* Telo volana voalohany : mety hisy fiantraikany amin’ny fitomboan’ilay zaza 👶
* Telo volana fahatelo : efa mavesatra sy reraka ilay Reny 😓 ka mety tsy hahazo aina mandritry ny fitsaboana ary mety hisy fiantraikany ihany koa mandritry ny fiterahana.
✅ Noho izany, ny fitandremana tsara indrindra dia ny fitsaboana sy fikarakarana ny nify mialohan’ny hanaovana behoka mihitsy.